Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Janoary, 2011
Tonizia: Anonymous vs Ammar – Iza no Handresy Amin'ny Adin'ny Sivana?
Ny Sivana Toniziana, fantatry ny rehetra amin'ny anarana hoe Ammar, dia manohy manafika hatrany ny kaontin'ireo mafàna fo, ao amin'ny firenena noho ny fijoroana vavolombelona amin'ny resaka onjan-panoherana hatrany amin'ny tapaky ny volana Desambra. Androany izao (3 Janoary), mikiaka ireo mafàna fo fa miditra an-keriny amin'ny kaonty mailak'izy ireo ny governemanta, miditra any amin'ny bilaogin-dry zareo sy ireo vohikala tambajotra sosialy ary manakana azy ireo.Ilay hetsika dia toa sahala amin'ny famaizana noho ny fanafihana nataon'ny Anonymous, izay nikendry ny ain-dehiben'ny vavahady aterineto sy ny vohikalan'ny governemanta Toniziana.
Tonizia: Voatafika nandritry ny hetsi-panoherana ilay mpanao gazety Nebrass Hedhili
Nanoratra i Nawaat fa niharan'ny herisetra ara-batana ilay mpanao gazety Nebrass Hedhili, polisy tsy nanao fanamiana no nahavita izany tao afovoan'i La Chebba(fr). Manavao matetika ny feon-gazety mikasika ny hetsi-panoherana Sidi Bouzid(fr) i Nawaat.
Tonizia: Mpisolovava voadaroka noho izy ireo mijoro ho an'i Sidi Bouzid
Nijoro ireo mpisolovava Toniziana nanomboka tamin'ny trangan'i Sidi Bouzid - ary dia nanefa ny sandan'izany. Tsy nitsahatra ny nanohitra izy ireo mba hanoherana ny zava-mitranga any. Ary isan'andro, vaovao mikasika fangalàna an-keriny, fisamborana, na fanafihana mpisolovava no mivoaka amin'ny vohikalan'ireo tambajotra sosialy.