Mpanakiana Ny Tafika Toniziana Voasazy Higadra Taona Iray Sazy Mihantona

Omaly [4 Janoary], nampitomboin'ny fitsarana miaramila iray ao Tunis ny sazy mihantona famonjàna ho an'i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, raha 4 volana dia lasa taona iray. Tamin'ny Septambra, ny fitsarana miaramila, ambaratonga voalohany, dia nanameloka an'i Massoudi higadra efatra volana, sazy mihantona, noho ny fiampangàna azy ho “nanala-baràka” ny tafika sy “fanaovana tsinontsinona ireo mpitondra ambony ao amin'ny tafika”, tamin'ireo fanambaràna [en] nataony tanaty fahitalavitra mikasika ny fandroahana ho any Libia ilay Praiministr'i Muammar Gaddafi teo aloha, Baghdadi Mahmoudi. Kanefa, tamin'ny fampakarana dia nakarina avo telo heny ny sazy mihantona higadra efatra volana efa azon'i Massoudi.

Ayoub Massoudi, sary avy amin'i Nawaat

Tamin'ny Jolay lasa teo, nofaritan'i Massoudi ho toy ny “famadihana ny tanindrazana” ilay fandroahana an'i Baghdadi Mahmoudi  ary nampangainy i Rachid Ammar [Filohan'ny  Etamazaoron'ny Tafika Toniziana Mitam-piadiana] sy Abdelkrim Zbidi [Ministry ny Fiarovana] ho tsy nilaza akory tamin'ny Filoha Marzouki mikasika ny dingana narahana tamin'ilay fandroahana izay natao tamin'ny 14 Jona. Noho ny tahony ny tsy hahazoany fitsarana tsy mitanila any Libia, nolavin'i Marzouki ny fandroahana an'i Mahmoudi.

Rached Cherif mitatitra hoe [fr]:

Dans cette affaire, où l’armée est donc juge et partie, le verdict est tombé comme un couperet dans la journée du 4 janvier. Incapable de se désavouer, la justice militaire a alourdi la peine pour la porter à 1 an de prison avec sursis, assortie comme en première instance d’une interdiction de port d’arme et d’une privation de toute distinction honorifique et d’embauche dans la fonction publique.

Ao anatin'ity raharaha ity, izay sady mpitsara no mpitory ihany koa ny tafika, nivoaka tsy nampoizina tamin'ny 4 Janoary ny didim-pitsarana. Tsy afaka ny hanala baraka tena hiverina ilàlana, ka nampian'ilay fitsarana miaramila ny sazy ho lasa figadràna herintaona, sazy mihantona. Toy ny tany amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany, narahana fandraràna tsy hahazo hitondra fitaovam-piadiana sy hahazo anaram-boninahitra ary fanaovana raharaham-panjakana

Ny mpisolovava an'i Massoudi nilaza [ar] tamin'ny Nawaat, ilay bilaogy nahazo maripankasitrahana, fa ny fandraràna natao an'i Massoudi tsy hahazo hivezivezy tamin'ny Aogositra 2012 dia tsy mbola foana :

أشار الأستاذ القلّيل أنّ إجراء تحجير السفر إدانة مُسبقة لأيوب المسعودي من طرف القضاء العسكري، و أكّد أنّ تواصل المنع من السفر رغم صدور حكم إبتدائي جُناحي يقضي برفع تحجير السفر

Ing. Kelli (mpisolovava an'i Ayoub Massoudi) niteny fa efa fiampangàna tany aloha ny fandraràna nomen'ny fitsarana miaramila an'i Ayoub Massoudi tsy hahazo mivezivezy . Nampiany fa ilay fandraràna dia mbola ampiharina foana na nisy aza didy navoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany nanaisotra azy

Vokany, tsy mbola afaka foana manatona ny vady aman-janany izay miaina any Frantsa i Massoudi. Ny 1 Janoary, namoaka taratasy iray tao amin'ny bilaoginy manokana izy, natolony manokana ho an'ireo zanany anankiroa :

أدري وأنا أكتب هذه الأسطر متى سنلتقي من جديد لأضمكم إلى صدري وأنفض عن قلوبكم غبار أيام الغياب والوحشة؟ لا أدري متى، ولكن… مصير الأحباء أن يلتقوا، طال الزمن أو قصرلا!

Eto ampanoratana ireto teny ireto, tsy mbola haiko hoe rahoviana isika no ho tafahaona indray, ho famihinana anareo ary hamafàna [ireo hirifiry nateraky] ny andro maro nisarahana sy tsy naha-teo akaikin'ny fonareo ahy. Tsy mbola fantatro hoe rahoviana… saingy tsy olana na mbola ho fotoana toy inona no haharetan'izao, natao hihaona foana ireo mpihavana mifankatia.

Tao amin'ny Twitter, nanakiana [fr] ny fitsarana miaramila i Malek Khadhraoui :

Le jugement dans l'affaire de Ayoub Massoudi est scandaleux et confirme que la justice militaire est une mascarade #freeayoub

Tantara ratsy sy manamafy ny maha-sarintsariny sy mpihatsaravelatsihy ny fitsarana miaramila ilay didim-pitsarana ny raharaha Ayoub Massoudi #freeAyoub

@HamdySdiri manandratra izao fanontaniana manaraka izao [ar]:

الكلام في الجيش ما يجيش؟ #FreeAyoub

Tsy azo ekena mihitsy ve ny fanakianana ny Tafika?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.