Niatrika fitsarana miaramila i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, noho ny fanambaràny momba ny Praiminisitra Libiana teo aloha, Baghdadi Mahmoudi (fony Gaddafi).
Noho ny tahotra ny tsy hahazoan'i Mahmoudi fitsarana tsy mitanila any Libya, nolavin'ny filoha Moncef Marzouki ny fangatahana hampodiana azy. Kanefa, nalefan'ny governemanta tarihan'i Praiminisitra Hamadi Jebali nody i Mahmoudi tamin'ny 24 Jona 2012, tsy nisy fampilazana natao tamin'ny filoha izay nanao fitsidihana tany atsimon'i Tonizia tamin'io andro io, narahan'i Rachid Ammar [Mpitarika ambony ao amin'ny tafika mitam-piadiana Toniziana] ary i Abdelkrim Zbidi [Minisitry ny Fiarovana]
Tanaty resadresaka iray tao amin'ny fahitalavitra, tamin'ny 15 Jolay, ary nalefan'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Attounisia TV, nofaritan'i Massoudi ho ‘famadihana ny fitondrana’ ny dingana narahana tamin'ilay fampodiana, satriai Ammar sy Zbidi izay “efa samy nahafantatra momba ilay fampodiana, tamin'io fotoana io, sy ny mombamomba azy rehetra… dia tsy nisy niteny na indraim-bava aza, ary tsy nampahafantatra ny filoha izay Filoha Ambonin'ny Tafika.”
Taorian'ny fitarainana iray nataon'ny Jeneraly Rachid Ammar momba azy, Ayoub Massoudi dia niatrika fiampangàna ho “manohintohina ny haja sy ny voninahitry ary ny maoralin'ny tafika” sady “miampanga tsy misy porofo ireo mpiasam-panjakana”
#FreeAyoub
Na dia tsy any ambadiky ny fefy vy aza i Ayoub, dia noraràna kosa izy tsy ho afaka mivezivezy ivelan'ny firenena. Ny 16 Aogositra, nosakanan'ireo manampahefana tao amin'ny seranam-piaramanidina tao amin'ny Tunis Carthage Airport izy tsy hiondrana tanaty fiaramanidina hamonjy ny fianakaviany any Paris.
Chayma Mehdi mibitsika hoe [fr]:
#AyoubMassouadi n'a pas été arrêté certes, n’empêche #FreeAyoub. Parce-qu’on est censé être libre de quitté ou non notre pays..
Malek Khadhraoui, talen'ny fanontàna ao amin'ny Nawaat.org, mitatitra hoe [fr] :
Ayoub Massoudi n'a reçu aucune notification au sujet de la plainte déposée contre lui par l'armée
“Famadihana ny Fanjakana” tsy “Famadihana Tanindrazana”
Ny bilaogy ifanotronana, nahazo loka fankasitrahana, Nawaat.org dia nahazo dika mitovin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny Jeneraly Ammar momba ny raharahan'i Massoudi. Ramzi Bettibi (atao koa hoe Winston Smith) mitatitra hoe [ar] :
Bettibi manampy hoe :
Hitohy amin'ny herinandro ny fitsaràna

Mpanao hetsi-panoherana nijoro teo ivelan'ny Fitsarana Miaramila tao Tunis ho fanohanana an'i Massoudi. Sary avy amin'ny Nawaat.
Ny 22 Aogositra no natao ny fihainoana fanindroany mikasika ny raharaha Massoudi ao amin'ny Fitsarana Miaramila Maharitra ao Tunis. Hitohy amin'ny 30 Aogositra ny fitsaràna. Nawaat mitatitra [fr] ao amin'ny pejy Facebook-ny :
#freeayoub La deuxième audition de Ayoub Massoudi vient de s'achever. Le juge d'instruction militaire a décidé d'une 3e audition le 30 août 2012. Ayoub Massoudi y comparaîtra libre mais demeure sous le coup de l'interdiction de voyager
Ny fametraham-pialàn'i Ayoub Massoudi
Ilaina ny manamarika fa nametra-pialàna i Ayoub Massoudi tamin'ny 28 Jona, taorian'ny naha-mpanolotsaina azy tamin'ny lafiny serasera ny Filoha Marzouki nandritra ny folo volana. Ilay fanapahan-kevitra dia noraisiny ho fanoherana ny lazain'i Massoudi ho “fanilikilihana” azy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ataon'ny kabinetran'ny filoha.
Nambarany tao anatin'ny bilaoginy ny fametraham-pialàany, tanaty lahatsoratra [fr] iray mitondra ny lohateny hoe “Malalaka ihany aho nony farany” (Free at last). Hoy izy nanoratra :
C'est en toute liberté et sans aucune contrainte ou pression que j'annonce cette démission, motivée par le respect immense que je voue à la Révolution tunisienne, aux martyrs, à l'Etat, aux tunisiens et à tous les contribuables qui payent mon salaire pour un métier que je n'exerce pas dans les faits. Pourtant, dieu sait combien j'ai essayé.