Brezila : Manavotra ny reniala sady ahafahana mamahana olona bebe kokoa

Mba vangio kely ny blaogin'i Lou Gold raha sitrakareo ny hahafantatra momba ny tantara mahatsikaiky, mikasika izay fomba nanatsaran'ireo foko tranainy any Brezila ny tany mavo sy ngazana ho tany mainty sy tena mahavokatra tokoa izay mampiharihary fa misy fomba fitrandraka hafa izay manavotra ny reniala sady ahafahana mamahana olona bebe kokoa ? :

« The result of such a system would mean better soil, more food, cleaner fuel, less deforestation and, if Kyoto is revised to include payment for carbon negative sequestration in the soil, developing countries like Brazil and poor farmers everywhere will be paid to save the earth, while growing both food and fuel. »

« Ny vokatr'izany dia midika fihatsaran'ny toe-tany [ambolena], fitomboan'ny sakafo, solika “madio” kokoa, fihenan'ny fikapana hazo, ary raha tafiditra [ihany] ao anatin'ny fanavaozana ny fifanekena iraisam-pirenen'i Kyoto [momba ny fandalàna ny tontolo iainana] ny fandoavam-bola hoan'ireo izay mifehy ny embona karbônika ao anaty tany, ireo tany an-dalam-pandrosoana toa an'i Brezila sy ireo mpamboly mahantra eran'izao tontolo izao dia handray [tombon-] karama avy amin'ny ezaka fiarovany ny tontolo iainana, amin'ny fambolena sakafo sy zava-maitso avadika ho solika. »

Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.