Olona an'arivony tao Indonezia sy Malezia no nivory nandritra ny faran'ny herinandro mba haneho ny fanohanany ny Palestiniana ao anatin’ny ady ataon’ny governemanta Israeliana amin'i Gaza, izay nanomboka taorian'ny nanaovan'ny Hetsika Mpitolona Islamika (Hamas) fanafihana tampoka tamin'ireo vondrom-piarahamonina Israeliana tamin'ny 7 Oktobra, nahafatesana sivily maherin'ny 1.400. Nanao fahirano ny Lemak'i (Tetezantanin'i) Gaza i Israely, nanakana ny sakafo, ny fanafody, ny rano, na ny herinaratra tsy ho tonga any amin'ny mponina maherin'ny 2,3 tapitrisa ao amin'io faritra io, izay nahatonga ilay nantsoin’ny Vaovaon'ny Firenena Mikambana hoe “ny voina mahatsiravina mbola tsy nisy toy izany teo amin'ny maha-olombelona”. Nidaroka baomba tsy tambo isaina tao Gaza ny tafika Israeliana, ka miisa 2.750 no olona maty hatreto vokatr’izany.
Tany Indonezia, an'arivony no nivory tao Solo, Jakarta, ary nanerana ny vondronosy, nihirahira hoe “Afaho i Palestina” sy nanofahofa sainam-pirenena Palestiniana. Toy izany koa, olona miisa 15.000 no nivory tao Kuala Lumpur, renivohitr'i Malezia, ny faran'ny herinandro tao amin'ny Moske Nasionaly. Nahazo fanohanana nanerana ny sehatra ara-politikan'i Malezia ilay famoriam-bahoaka, ary mpanao politika maromaro, anisan'izany ny Praiminisitra teo aloha Muhyiddin Yassin, no nanatrika ny fihetsiketsehana. “Na inona na inona antoko politika misy antsika, dia miray hina isika [manohana an'i Palestina],” hoy i Yassin.
Naneho ny firaisankinany amin'ny tolona Palestiniana ihany koa i Kelvin Yii, lehiben'ny tanora ao amin'ny Antoko Hetsika Demaokratika Maleziana, izay ao anatin'ny governemantan'ny firaisankina ao Malezia. “Sinoa aho. Kristianina aho. Amin'izao fotoana izao, mijoro miaraka amin'ny vahoakan'i Palestina aho satria tolon’ny maha-olombelona izany. Nampahorian’ny tafik’i Israely izy ireo.”
Nitarika vavaka fiaretan-tory tsy tapaka tany amin'ny moske, nivavaka mba hitsaharan'ny herisetra ireo Imam ao amin'ny firenena roa tonta.
Nanameloka ny fanafihana an'i Gaza ny filoha Indoneziana Joko Widodo (Jokowi) ary niantso ny governemanta Israeliana mba hampitsahatra ny fandatsahan-dra sy ny fibodoan'izy ireo an'i Palestina. Hoy izy tamin'ny fanambarana:
Indonesia calls for the war and violence to stop immediately to avoid further human casualties and destruction of property because the escalation of the conflict can cause greater humanitarian impact. The root cause of the conflict, which is the occupation of Palestinian land by Israel, must be resolved immediately in accordance with the parameters that have been agreed upon by the U.N.
Miantso ny fampitsaharana ny ady sy ny herisetra avy hatrany i Indonezia mba hialana amin'ny mbola ho fahafatesan'olona sy ny famotehana fananana satria mety hiteraka fiantraikany lehibe kokoa amin'ny maha-olombelona ny firongatry ny ady. Tsy maintsy vahana avy hatrany araka ny mason-tsivana izay nifanarahan'ny Firenena Mikambana ny fototry ny ady, dia ny fibodoan'i Israely ny tanin'ny Palestiniana.
Nivory teo ivelan'ny Masoivohon'i Etazonia tao Jakarta koa ireo mpitondra fivavahana Miozolomana an-jatony sy ny mpanohana, nanameloka ny fanohanan'ny filoha amerikanina Biden ny Isiraely tao anatin'ny fanafihana ary niantso an'i Biden sy ny praiminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu hoe “ireo tena mpampihorohoro”.
Nivory teo ivelan'ny masoivohon'i Etazonia tao Jakarta ny mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'ny pikantsary YouTube.
Nanohana an'i Palestina ara-tantara ireo firenena manana Miozolomana maro an’isa tao Azia Atsimo Atsinanana, anisan'izany i Indonezia sy Malezia. Indonezia indrindra indrindra no manana fifandraisana mafana amin'i Palestina, ary nanana disadisa ara-tantara tamin'i Isiraely. Nandà tsy hanaiky an'i Israely i Indonezia mandra-pahatongan'ny fifanarahana fandriampahalemana teo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana ka tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika tamin'ny firenena izy noho izany. Palestina no iray amin'ireo firenena voalohany nanohana ny fahaleovantenan'i Indonezia tamin'ny 1945 ary nanana masoivoho tao Jakarta efa ho 30 taona izay.
Mametraka fihaikana kely ho an'i Indonezia amin'ny famindrana toerana ny olom-pireneny hiala ao Israely sy Gaza ity tsy fisian'ny fifandraisana ity. Araka ny tatitra, misy Indoneziana miisa 45 amin'izao fotoana izao ao amin'ny faritanin'i Palestina, ny 10 amin'izy ireo no any amin'ny Lemak'i Gaza. Misy Indoneziana miisa 230 ihany koa any amin'ny toerana hafa manerana an'i Israely izay nanao fizahan-tany ara-pivavahana. Nilaza ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Indonezia fa miara-miasa amin'ny masoivoho avy any Filipina Amman, Beirota, ary Kairo izy ireo mba hamindrana toerana ny olom-pirenena “raha vantany vao azo antoka ny fiarovana.”
Anisan'ny famoriam-bahoaka an-jatony izay natao tamin'ny herinandro lasa nanerana izao tontolo izao ny hetsi-panoherana tany Indonezia sy Malezia — nanomboka tany Washington DC ka hatrany Cape Town, faritra Kashmir ao India, Pakistan, Afghanistan, ary Ejipta, olona an'aliny maro no nivory hanohana an'i Palestina.