Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Jona, 2011
Tranganà Bilaogera Maleziana hoe Nanàla Baràka – Miteraka Ahiahy
Manoloana ny fitsarana an'ilay Maleziana mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera, Charles Hector noho ny resaka fanalàm-baràka, amin'ny 28-29 Jona 2011, niantso ny Fitsarana Maleziana ny ARTICLE 19 mba handinika ilay tranga mifanaraka amin'ny fepetra iraisam-pirenenan'ny fahalalahana maneho hevitra anaty aterineto. Raha ny lanja mavesatry zo halalaka maneho hevitra, sy ny fankatoavan'ny andalana faha 10 ao amin'ny Lalampanorenana Maleziana azy io, ARTICLE 19 dia mangataka ny Fitsarana mba hanome antoka fa hoe ny lalàna Maleziana mifehy ny fanalàm-baràka dia hodinihana, araka izay azo atao, ao anatin'ny fanajàna tanteraka ny zon'i Hector halalaka hiteny.
Malezia: Nampihantona Ny Vohikala Mahaleotena Mpampiely Vaovao Ny Sompatra An-tserasera
Malaysiakini, vohikala mahaleotena mpitatitra vaovao ao Malezia, dia lasibatry ny mpanafika ka tsy afaka nidirana mihitsy nanomboka ny Talata 12 Aprily 2011. Io fanafihana io dia niseho andro vitsivitsy talohan'ny fifidianan'ny firenena Sarawak
Mila Antenimieran'ny tanora ve i Malezia?
Nanao volavolan-kevitra ny hananganana ny Antenimieran'ny tanora ny praiminisitra maleziana mba hanairana sy hanentana ny tanora handray anjara amin'ny fitantanana ny firenena. Mizara ny heviny momba ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana.