Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Febroary, 2019
Malezia: Vaovao tsara miampy sira kely
Raha manana tanjona amin'ny fandrisihana ny vahoaka hampiasa ny aterineto ho fitaovana fampielezana vaovao ny governemanta Maleziana dia namerina ny fidirana amin'ny vavahadim-baovao Malaysia Today sy ireo tranonkala hafa izay nosakanana nanomboka tamin'ny volana Janoary 2008.
Mikasa ny hanara-maso ireo bilaogera ihany koa i Malezia
Nanolotra torolàlana hifehezana ny tontolon’ny bilaogy i Malezia taorian’ny fanapahan-kevitr’i Arabia Saodita hanara-maso akaiky ireo bilaogera sy ny tranonkala vaovao ao amin’ny Aterineto.
Info-Rhizome: Tatitra momba ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao ao amin'ny tontolo miteny Shinoa
Vao avy nanambara ny fanombohan'ny nfo-Rhizome: Tatitra momba ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao ao amin'ny tontolo miteny Shinoa tao amin'ny interlocals.net aho. Afaka mitroka kopia maimaim-poana eto ny tsirairay.
Malezia: Nohalavaina ny fanafahana vonjimaika an'ilay bilaogera
(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitarina hatramin'ny 21 novambra 2008 ny fanafahana vonjimaika (tamin'ny fandoavana antoka) nomena an'ilay bilaogera kickdefella izay nosamborina noho ny fikatsahana ny vahoaka...
Malezia: Niaiky ny Minisitry ny Atitany fa ny vaovao an-tserasera no mahazatra ankehitriny
(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny Minisitry ny Atitany ao Malezia, Datuk Seri Syed Hamid Albar araka ny tatitra fa tsy “fanampin'ny fampitam-baovao”...
Malezia: Rex Judicata (Mpanjaka mpitsara?)
Mpiserasera Maleziana enina no voampanga tamin'ny 13 martsa 2009, araka ny tati-baovao. Mikasika ny fanevatevana nataon'izy ireo ny Sultan Azlan Shah tao amin'ny aterineto ny fiampangana. Ho voampanga ao amin'ny fanjakana samihafa ao Malezia izy enina, ny roa dia hotontosaina ao amin'ny fotoam-pitsarana ao an-drenivohitra.
Malezia: Manjaka ve ny fanavakavahana – sa ady politika fotsiny izany?
Mieritreritra ny governemantam-panjakana ao Perak ao Malezia raha tokony "handray fepetra" amin'ireo bilaogera roa izay voalaza fa nanevateva ny mpanjaka Perak sy ny fahamasinan'ny finoana silamo tamin'ny alàlan'ny asa sorany vao haingana.
Shina: Tsy misy tsikera manohitra ny Green Dam intsony!
Ny 10 jona, namoaka fanambarana mampahatsiahy ny fampitam-baovao rehetra mba hitatitra amin'ny lafiny tsara momba ny Green Dam, Youth Escort, rindrambaiko fanivanana sy fitsikilovana apetraka amin'ny solosaina rehetra amidy ao Shina ny sampan-draharahan'ny fampielezan-kevitra.