Mampanahy ny Malayziana ny fikasana hivarotra fampihatra tsongodia amina orinasa tsy miankina

Pikantsary tamin'ny lahatsary navoaka tao amin'ny tranokalan'ny fampihatra MySejahtera

Nanaitra ireo mpitarika ny mpanohitra sy ny vahoaka ny vaovao momba ny fikasan'ny sampan-draharaham-panjakana Malayziana iray hivarotra ny fampihatra diantongo-pifandraisana COVID-19 antsoina hoe MySejahtera amina mpandrafitra ankihy (developera) tsy miankina  noho ny mety ho voka-dratsiny amin'ny fiarovam-pirenena sy ny fiainana manokan'ny olom-pirenena. Nanazava ny minisitry ny governemanta iray fa ny fanjakana no tompon'ny angon-drakitry ny fampiharana ary tsy hamidy amina orinasa tsy miankina izany. Saingy niteraka fanontaniana marobe momba ny toetry ny fifampiraharahana teo amin'ireo manampahefana sy ireo mpandrafitra ny fampihatra MySejahtera ny valinteny.

Novolavolain'ny KPISoft Malaysia Sdn Bhd tamin'ny taona 2020 ho ampahany amin'ny andraikitra ara-tsosialin'ny orinasa ny fampihatra MySejahtera, izay nampiasain'ny governemanta tamin'ny fitsongoana dia izay nifandraisana nandritra ny valan'aretina. Tao anatin'ny roa taona lasa, notakiana ny Malayziana mba hampiasa ny fampihatra ho ao anatin'ny arofenitry ny governemanta ara-pahasalamana sy ara-pivezivezena lavitra .

Nandritra ny lanonana fihainoana ny Komitin'ny Kaontim-bolam-panjakana tamin'ny 24 martsa, nanambara ny tompon'andraikitra iray avy amin'ny minisiteran'ny Fahasalamana fa nekena tamin'ny volana novambra 2021 tamin'ny alàlan'ny tolo-bidy mivantana ny fikasana hivarotra ny fampihatra MySejahtera.

Nisalasala ny lehiben'ny mpanohitra Datuk Seri Anwar Ibrahim amin'ny fanapahan-kevitra hivarotra ny fampihatra sy ny mety hanomezana izany ho an'ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny antokon'ny fitondrana:

Under an open tender, these facts would be scrutinised by the government and the public. In the case of a direct negotiation, this deal appears to resemble a pattern of rewarding companies and individuals that have political and business connections to the ruling government.

Amin'ny tolo-bidy misokatra, hodinihin'ny governemanta sy ny vahoaka akaiky ireo zava-misy ireo. Raha resaka fifampiraharahana mivantana, toa mitovy amin'ny lamin'ny orinasa sy olon-tsotra nahazo tolo-bidy izay manana fifandraisana ara-politika sy ara-barotra amin'ny governemanta eo amin'ny fitondrana ity fifanarahana ity.

Avy hatrany dia nanome toky ny Parlemanta sy ny vahoaka ny governemanta fa azo antoka ny angon-drakitra ara-pahasalamana manokana an'ny Malayziana sy ny torohay hafa saro-pady voarakitra ao amin'ilay fampihatra.

Saingy fanontaniana maro no nipoitra rehefa nambara tamin'ny tati-baovao maromaro fa nampiasaina sy noraisin'ny governemanta tsy misy fifanarahana ny fampiharana MySejahtera ary mbola tsy azo antoka ny fizaka-manana ara-tsain'ny fampiharana.

Nilaza i Anwar fa “manana ny antony rehetra tokony hampiahiahy azy sy ho tezitra” ny vahoaka. Namoaka ireto fanontaniana manaraka ireto izy tamin'ny alalan'ny fanambaràna an-gazety navoaka tao amin'ny pejiny Facebook:

The Malaysian people would want to know where is their data being stored? Has it been stored in a secure and encrypted environment with limited access? What mechanisms are in place to prevent any third party from accessing or stealing their data? What recourse do people have if their data is misused in a way that causes them to experience harm, fraud or discrimination?

Te hahafantatra ny vahoaka Maleziana hoe aiza no notehirizina ny angon-drakitry ry zareo? Notehirizina ao anatin'ny tontolo azo antoka sy miafin-tsoratra ary voafetra fidirana ve izy? Inona no rafitra napetraka mba hisorohana ny olon-kafa tsy hiditra na hangalatra ny angon-dry zareo? Inona ny aro ananan'ny olona raha ampiasaina amin'ny fomba ratsy ny angon-dry zareo ka miteraka fahavoazana, hosoka na fanavakavahana ho azy ireo?

Charles Santiago, mpikambana hafa ao amin'ny Parlemanta nisioka ny ahiahiny momba ny fikasana hivarotra ny fampihatra

Voasaron'ny tsiambaratelo hatrany am-boalohany izany rehetra izany: tsy mazava ny fifandraisana misy eo amin'ny mpandrafitra fampihatra sy ny governemanta. Mampiahiahy fa nomena tamin’ny alalan’ny fifampiraharahana mivantana ny fifanarahana fa tsy tamin'ny tolo-bidy misokatra.

Mpikaroka Rais Hussin sy Ameen Kamal nanamarika ny tsy fisian'ny mangarahara momba ny tompon'ny fampihatra:

Is Malaysia’s government the “sole” owner or one of the owners?

Is Malaysia’s government the “only” party that has access to the trademark and data collected through the operation of MySejahtera?

Tompony “tokana” sa iray amin'ireo tompony ny governemantan'i Malayzia?

Ny governemantan'i Malayzia ve no lafiny “tokana” manana fahafahana miditra amin'ny marika sy angon-drakitra voaangona tamin'ny alàlan'ny fiasan'ny MySejahtera?

Nalaza tao amin'ny Twitter ny farangoteny #StopUsingMySejahtera, izay naneho ny tahotra sy ny hatezeran'ny Malayziana maro tamin'ilay fikasana fa hivarotra ilay fampihatra. Nitaky ny hanaovana ankivy ny fampihatra ny sasany:

Ny fomba tsara indrindra handrosoana dia ny tsy mangataka ny governemanta hilaza ny marina momba ny MySejahtera. Mety mbola tsy miraharaha antsika izy ireo.

Ny fomba tsara indrindra handrosoana dia ny TSY FANKATOANA FAOBE. #StopUsingMySejahtera #Atsaharo ny fampiasana nySejahtera

Atsaharo ny fanohanana ireo fivarotana miziriziry hijery ny MySejahtera. Ampianaro azy ireo ny loza ateraky ny fampihatra.

Nanamarika tamim-piesoesoana ity mpisera Twitter ity fa tokony ho nodinihina ihany koa nandritra ny valan'aretina ny “tsongo dia”, manondro ireo fifanarahana tsongodian'ny governemanta :

Tena niahiahy momba ny tsongodiam-pifandraisana ny rehetra rehefa tokony nanahy momba ny fanarahamaso ny FIFANARAHANA  izahay. #StopUsingMySejahtera (#Atsaharo ny fampiasana nySejahtera)

Nitarika fihenana goavana tamin'ny isan'ny fisavana ho an'ireo mampiasa ny fampihatrana ny adihevitra.

Nihena tamin'ny ankapobeny ny fisavana ny MySejahtera nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 2022, fa tena nihena indrindra tamin'ny faran'ny herinandro teo taorian'ny resabe nipoaka momba ny hoe iza marina no tompon'ny fampihatrana sy ny angon-drakitra manokan'ireo mpisera.

Manoratra tao amin'ny tranonkala The Full Frontal, namintina ireo hevi-dehibe tamin'ny adihevitra i Zameen Zhou Datta ary nofaranany tamin'ity fanontaniana ity hoe:

If our data is being sold, should we keep using MySejahtera anyway for the sake of the public good? Do we just go back to manually signing in with a physical logbook whenever we go out? Or are we forced to just stay at home all day, every day until this pandemic is officially over?

Raha lafo (nisy nividy) ny angon-drakotra antsika, tokony hampiasa hatrany ny MySejahtera ho tombontsoam-bahoaka ve isika? Moa ve isika miverina amin'ny fanasoniavana an-tànana amin'ny diary hitamaso isaky ny mivoaka? Sa voatery mijanona ao an-trano fotsiny isika mandritra ny andro, isan'andro mandra-pahatapitry ny areti-mifindra amin'ny fomba ofisialy?

Ankoatra ny ahiahy amin'ny fanomezana ny angon-drakitra MySejahtera ho an'ny olon-kafa, nanontany momba ny olan'ny fanarahamaso nohamafisin'ny fanjakana amin'ny alàlan'ny fampiasana ny fampihatra ny vondrona fiarahamonim-pirenena. Nampitandrina izy ireo fa mety hitarika amin'ny fampiasana amin'ny fomba tsy ara-dalàna ny fampihatrana ataon'ny manam-pahefana sy ny fitoriana maromaro kokoa mikendry ireo mpitsikera sy ny mpanohitra araka ny lalàna “famoretana” toy ny Lalànan'ny Fikomiana sy ny Lalànan'ny Fifandraisana sy ny Multimedia izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.