Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Novambra, 2018
Singapaoro, Malezia: Mahathir Mohamad sa i Lee Kuan Yew
Tamin'ny alàlan'ny bilaoginy, dia namaly ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Singapaoreana teo aloha Lee Kuan Yew ny Praiminisitra Maleziana teo aloha Dr. Mahathir Mohamad mikasika ny fifandraisana ara-poko sy ny 'fanavakavahana ara-politika' any Malezia.
Malezia: Orinasa roa voatonona ao amin'ny antontan-taratasy Wikileaks tafaporitsaka
Ny famoahan'ny Wikileaks ny "telegrama diplaomatika" Amerikana mahakasika ireo orinasa Maleziana roa izay voalaza fa nandray anjara tamin'ny tambajotra fehezin'i Iran mba hividianana teknolojia balafomanga avy any Shina 'saingy tsy niteraka resabe teo amin'ireo olom-pirenena, fa niteraka fifantohana bebe kokoa amin'ny raharaha anatiny.
Malezia: Tokony hofoanan'ny sekoly ve ny fanadinana?
Volana vitsy lasa izay, nanambara ny mety hisian'ny fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly ny Praiminisitra lefitra sady Minisitry ny Fampianarana ao Malezia, Muhyiddin Yassin, mba hanoloana ny fomba mifantoka amin'ny fanadinana ankehitriny amin'ny alàlan'ny fanafoanana ny UPSR (Fanadinana eny amin'ny Sekoly fanabeazana fototra) sy ny PMR (Sertifikàn'ny fampianarana fototra).
Ô ry Bandy e, Bandy ve Iny Sipa Iny?
Misaintsaina momba ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana ireo Malezianina. Momba ilay vehivavy mpanambady, izay nanova fananahana raha nateraka ho lehilahy 30 taona lasa izay, ny bilaogera SK.
Malezia: Naato tao amin'ny parlemanta i Anwar Ibrahim
Andro vitsy lasa izay, napetraka tao amin'ny Parlemanta Maleziana ny hetsika hampiato ny mpitarika ny mpanohitra Anwar Ibrahim mandritra ny enim-bolana noho ny nampifandraisany ny foto-kevitra Malezia iray an'ny praiminisitra Najib Razak tamin'ny "Israely Iray".
Tontolon'ny bilaogy Alarobia ao Azia
Ny bilaogy amin'ny teny Farsi Shared Pains (nahazo ny Loka RSF Freedom Blog 2005) manana lahatsoratra amin'ny teny Anglisy momba ny fahalalaham-pitenenana ao Afghanistan (poa-tsatroka ho an'ny Afghan Lord).
Nitsidika ny Kuala Lumpur i Joi
Nikarakara ny Fihaonan'ny Bilogera KL izahay rehefa tonga tao an-tanandehibe i Joi tamin'ny 18 Aprily 2005.
Fampahafantarana an'i Peter Tan
"Sinoa Maleziana Katôlika Romana aho, teraka sy nobeazina tao Penang, efapolo taona latsaka, niharan'ny ratra ny tsokan-damosiko tamin'ny faha-18 taonako, tsy afa-mihetsika manomboka eo amin'ny tratrako ka hatrany ambany ary iharan'ny aretin'ny voa miverimberina aho. Mitantara ny fiainako, ny eritreritro ary ny fomba fijeriko ity bilaogy ity", hoy izy.