Herintaona teo amin'ny fahefana, miahotrahotra amin'ny zotram-panavaozana governemantan'i Madani ao Malayzia

Malaysian Prime Minister Anwar Ibrahim

Ny Praiminisitra Maleziana Anwar Ibrahim nandritra ny fihetsiketsehana ara-politika iray. Sary avy amin'ny ranty Twitter an'i Anwar Ibrahim

Nanamarika ny taona voalohany nitondrany niaraka tamin'ireo mpandray anjara samihafa nanaika ho amin'ny fampiharana maika ny fanavaozana ara-politika ny governemantan'ny praiminisitra Maleziana Anwar Ibrahim .

Nandritra ny lanonam-panokanana azy, namoaka ny lohahevitra Madani Malayzia (Malayzia sivily) ny governemantan'i Anwar notarihan'i Anwar haneho ny fikasany hizotra amin'ny fanavaozana rehefa niaina taona maro tanaty tsy fahamarinan-toerana. Niandrandra ny fiakaran'ny governemanta vaovao ho fanararaotra hanafoanana ny lalàna famoretana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona satria i Anwar mihitsy no efa notanana am-ponja noho ny fiampangana mampiahiahy fony izy mpitarika ny mpanohitra.

Nanao ahoana ny zavabitan'ny governemanta Madani tamin'ny heritaona? Nanaiky ny fanavaozana nataon'ny governemanta toy ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty tsy maintsy atao ireo vondrona sy mpandinika isan-karazany, ny fanesorana ho tsy ho heloka bevava ny fikasana hamono tena, ny fanoloran-tena feno fahasahiana hiatrehana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro, ary ny fitomboan'ny fampiasam-bola avy any ivelany anisan'izany ny fanapahan-kevitry ny miliarideran'ny teknolojia Elon Musk hanangana birao ao Malayzia.

Nanamarika ihany koa, na izany aza, ny mpandinika fa nitaredretra ny governemantan'i Anwar tamin'ny famoahana fanavaozana hanamafisana ny rafitra demaokratika sy ny fiarovana ny media. Voampanga ihany koa i Anwar ho miray tsikombakomba amin'ny hery Islamika mpandala ny nentin-drazana mba hanamafisana ny fanohanana avy amin'ity ampahan'ny mponina ity.

Miozolomana Malay amin'ny ankapobeny ny mponina ao Malayzia. Tamin'ny governemanta teo aloha, nahery vaika ireo islamika hiringiriny nitaky ny fampiharana henjana kokoa ny lalàna ara-pivavahana izay niantraika tamin'ireo vitsy an'isa ara-pivavahana sy ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+.

Mamintina ny dian-tanan‘i Anwar ny mpampianatra sekoly ambony Bridget Welsh avy ao amin'ny Oniversiten'i Nottingham Asia Research Institute Malaysia.

Anwar’s performance is mixed; he has succeeded in staying in power but at serious costs to his credibility and at the expense of the expectations and hopes of his political base.

Eo ho eo ihany ny zava-bitan'i Anwar; nahomby izy tamin'ny fijanonany teo amin'ny fitondrana saingy tamin'ny sarany lafo amin'ny fitokisana azy manoloana ny nandrandraina sy ny fanantenan'ny mpanohana politikany eny ifotony.

Manasongadina ny fandrosoana mihisatra amin'ny fanatanterahana ny fanavaozana nampanantenain'ny governemanta Anwar ny tatitra navoakan'ny Ivotoerana ho an'ny Asa Fanaovan-gazety Mahaleo tena (CIJ) tamin'ny 10 Desambra. Nidera ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanangana Filankevitry ny Fampahalalam-baovao, ny fandaniana ny Lalàna mifehy ny Zo hahazo Fampahalalam-baovao, ary ny fampiharana fepetra hiarovana ireo mpanao ampamoaka ny tatitra. Nasongadiny ihany koa anefa fa mbola niantehitra tamin’ny lalàna tamin’ny andron’ny fanjanahantany ny manam-pahefana hanenjehana ireo mpitsikera, mpanao gazety ary mpikambana ao amin’ny mpanohitra. Ohatra, nanara-maso ny fametraham-pitoriana raharaha fikomiana miisa 29 tamin'ny taona 2023 ny CIJ raha fitoriana 15 kosa tamin'ny taona 2022.

Nampahatsiahy ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta Anwar mikasika ny herisetra niaretan'izy ireo tamin'ny fitondrana teo aloha nampiasa ny Lalànan'ny Fikomiana tamin'ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra i Nabila Khairuddin, mpandrindra ny fampielezan-kevitra ao amin'ny Lawyers for Liberty (Mpisolovava ho an'ny Fahafahana).

It is all the more disappointing that many of the then opposition leaders who are now in power, have failed to act against the use of the Sedition Act when they themselves are aware, and some have experienced first-hand, how easily the oppressive piece of legislation can be misused to target dissidents and political opponents in under the previous administration.

Vao mainka nandiso fanantenana be fa maro tamin’ireo mpitarika ny mpanohitra tamin’izany ary eo amin’ny fitondrana amin'izao fotoana izao no tsy mahavita mihetsika manohitra ny fampiasana ny Lalànan'ny fikomiana na dia mahafantatra aza ny tenan'izy ireo, ary efa niaina mivantana mihitsy aza ny sasany, ny fomba fampiasàna mora foana sy tsy ara-drariny ny ampahan'ny lalàna mampahory mba hikendrena ny tsy mitovy hevitra sy ireo mpanohitra ara-politika tamin'ny fitondrana teo aloha.

Tamin'ity taona ity ny Global Voices nanasongadina ireo tantara maneho fironana mampanahy mifandraika amin'ny fameperana ny fahalalaham-pitenenana izay nahitana fandraofana famataranandro ahitana lohahevitra “rehareha”, amin'ny fanenjehan‘ny [mg] polisy ireo mpikarakara diaben'ny vehivavy, amin'ny fanakanana mialoha ny fifidianana ireo tranonkala mitsikera fanjakana, ary ny famotorana raharaham-pikomiana [mg] nahavoarohirohy mpanoratra sy artista.

Nitaraina ny CIJ amin'ny toetry ny fahalalahana maneho hevitra eo ambany fitondran'ny governemantan'i Anwar.

We find that the media continues to be restricted. CIJ notes that despite the change in government initially signalling a change in mindset regarding dissenting opinion, the current government still attempts to restrict alternate views and the independence of media through the use of law and arbitrary practices.

Hitanay fa mbola voafefy ny fampitam-baovao. Nanamarika ny CIJ fa na dia eo aza ny fiovana governemanta voamarika tamin'ny voalohany tamin'ny fiovan'ny fomba fisainana mikasika ny tsy fitovian-kevitra, dia mbola manandrana mametra ny fomba fijery hafa sy ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao amin'ny alàlan'ny fampiasana lalàna sy fomba fanao an-tondromolotra ny governemanta amin'izao fotoana izao.

Manentana ny governemanta Anwar ny CIJ sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona hafa mba hifantohany amin'ny fampanantenany hampiroborobo ny demaokrasia amin'ny alàlan'ny fanafoanana ireo lalàm-pamoretana tahaka ny Lalàm-pikomiana ary miantoka ny zon'ny media hitati-baovao tsy misy tahotra hohenjehina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.