Nahatezitra ireo firenena manodidina azy ny sarintany lasitra andiany 2023 vao navoakan'i Shina. Mifanaraka amin'ny filazan'i Shina teo aloha ny sarintany, izay nanitatra ny fahefany amin'ireo faritra ifandirana ifanolorana amin'ny sisintanin'India sy Rosia ary ao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo.
Na izany aza, miloa-bava kokoa ireo firenena any atsimo sy atsimo atsinanan'i Azia manohitra ny filazan'i Shina ho taniny tamin'ity indray mitoraka ity. Hatramin'izao fotoana izao, nanao fanambaràna ampahibemaso henjana momba ny sarintany India, Filipina, Malezia, Vietnam, Taiwan, ary Indonezia .
Navoakan'ny Minisiteran'ny Harena Voajanahary tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 28 Aogositra, ny sarintany sinoa 2023, mitovy amin'ireo voatra teo aloha, milaza fa manana fahefana amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo manontolo, amin'ny faritra roa ifandirana, Arunachal Pradesh sy Aksai Chin, manavatsava ny sisintanin'India sy Shina, ary koa ny antsasaky ny nosy Bolshoy Ussuriysky izay an'i Rosia araka ny fifanarahana sisintany Sino-Rosia tamin'ny taona 2008.
Ho setrin'ny hetsi-panoherana ara-diplômatika, nanentana ny mpiara-monina aminy ho tony i Shina mba satria tsy misy fiovana loatra amin'ny sarintany. Niova anefa ny teny manodidina.
Ny Ranomasin'i Shina Atsimo ifanolanana
Lasa mahery vaika kokoa i Shina tamin'ny fametrahana ny fisiany ara-miaramila manodidina ny Nosy Paracel akaikin'ny faritra ara-toekaren'i Vietnam (EEZ), ao Scarborough Shoal sy ny vondronosy Spratly akaikin'ny faritra ara-toekaren'i Filipina tamin'ny fanaovana sarinady miaramila, ny fananganana nosy voatrolombelona sy ny toerana maharitra ary ny fametrahana sambo lehibe nanao fisafoana amin’ireo faritra ifandirana tao anatin’ny roapolo taona. Ny tanjona dia ny anaraha-maso ny asa fanjonoana, ny fitrandrahana solika sy etona, ary ny fametrahana hosina aterineto any ambanin'ny ranomasina.
Namoaka fepetram-pahazoan-dàlana amin'ny fari-piadidiany an-dranomasina i Shina, izay takiana amin'ny sambo vahiny miditra amin'ny “fari-dranomasina eo ambany fari-piadidian'i Shina”, mba hampandre ireo manampahefana Shinoa mifandraika amin'izany. Taorian'ny fisokafan'ny Shina indray rehefa nisedra valan'aretina dia nitombo hatrany ny fifandonana teo amin'ny sambo mpiambina morontsiraka shinoa sy ireo sambo mpanjono vahiny any amin'ireo ranomasina iadiana.
Ho setrin'ny terivaimanta ataon'i Shina any amin'ny faritra, dia nanomboka nanao sarinady iraisana i Etazonia sy Filipina ary Indonezia. Fa tsy nihemotra i Shina, araka ny nosoritan'i Zhao DaShuai, tompon'andraikitra amin'ny propagandy Shinoa, ao amin'ny X (fantatra amin'ny anarana hoe Twitter taloha) tamin'ny daty namoahana ny sarintany 2023:
J-11s stationed on Paracel islands in the South China Sea.
Having a permanent air presence over the South China Sea is essential for China to rapidly respond to emerging threats. pic.twitter.com/4efJbnR4fp
— Zhao DaShuai 无条件爱国🇨🇳 (@zhao_dashuai) August 28, 2023
J-11 napetraka ao amin'ny nosy Paracel any amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo.
Zava-dehibe ho an'i Shina ny fanatrehana an'habakabaka maharitra eo ambonin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo mba hamaliana haingana ireo fandrahonana mipoitra.
Mihahenjana ny toe-draharaha ao anaty ranomasina misamboaravoara. Tamin'ny volana lasa teo, nosakanan'ny sambo Shinoa mpiambina morontsiraka ny sambo Filipiana roa tsy hanome vatsy ho an'ny sambo harafesina mipetraka eo amin'ny Second Thomas Shoal:
China Coast Guard blocked and used water cannon Philippine vessels on a resupply mission to the BRP Sierra Madre in Ayungin (Second Thomas) Shoal in the West Philippine Sea on Saturday (Aug. 5). The PH military and coast guard issued brief statements condemning the incident pic.twitter.com/zC7qyGwms2
— Frances Mangosing (@FMangosingINQ) August 6, 2023
Nosakanan'ny mpiambina morontsirak'i Shina sy notifiriny an-tafondron-drano ireo sambon'i Filipina tamin'ny iraka famatsiana ny BRP Sierra Madre ao amin'ny Shoal Ayungin (Second Thomas) any amin'ny Ranomasin'i Filipina Andrefana ny asabotsy 5 aogositra. Namoaka fanambarana fohy nanameloka ny zava-nitranga ny miaramila PH sy ny mpiambina ny morontsiraka
Na dia fifandonana madinidinika aza izany, asehon'ny zava-nitranga fa efa mihoatra noho ny saimbôlika ny fitakian-tanin'i Shina.
Noho izany, rehefa namoaka ny sarintany lasitra 2023 i Shina, dia nanararaotra nanakiana an'i Shina noho ny fanitsakitsahana ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny Lalàna an-dRanomasina (UNCLOS) tamin'ny 1982 ny mpikambana ao amin'ny ASEAN, anisan'izany i Filipina, Malaysia, Vietnam ary Indonezia, izay mamela ireo firenena manana morontsiraka hiaro ny harenany ao anatin'ny faritra ara-toekarenany manokana ary miantoka ny fahalalahana an-dranomasina lalina ho an'ny sambo sy ny fiaramanidina. Nanao sonia ny UNCLOS i Shina.
Hita taratra indrindra tamin'ny rantin'ny bilaogera Malezia Kenny Lee tao amin'ny Facebook ny fihetseham-po iraisan'ireo Aziatika atsimo atsinanana :
放眼世界,有哪一個國家的海域圖是畫超出自己本國的12公里領海,直接突出公海,吃掉整片海洋,阻斷國際航運要道,甚至把自己的海域直接畫到千里之外他國國土的海岸線上,直逼他國門戶的?
按這「十段線」的畫法,我們簡直是連出海的門戶都沒有… 單就這一劃法就可看出中共對周邊國家根本毫無尊敬,是赤裸裸的帝國主義流氓行徑。
Manerana an'izao tontolo izao, iza no firenena manangom-pahefana an-dranomasina izay mivelatra 12 maily an-dranomasina avy amin'ny morontsiraka mankany amin'ny ranomasina lalina, maka ny ranomasina manontolo ary manakana ny lalan-tsambo iraisampirenena? Manangom-pahefana an-dranomasina an'arivony kilometatra miala amin'ny morontsiraka misy azy mihitsy aza izy, manakana ny lalana mankany am-baravaran'ny firenena hafa.
Araka ity sarintanin-tsahafa folo ity, tsy afa-mandingana ny vavahadin'ny morontsiraka akory isika… Ity sarintany ity dia mampiseho fa tsy manaja ny firenena manodidina azy ny Antoko Komonista Shinoa; hetsika imperialista jiolahimboto izany.
Nandritra ny lalao basikety FIBA nifanandrinan'i Shina sy Filipina tao Manila, nanao lobaka mampiseho ny soratra ‘Ranomasina Filipina Andrefana’ ny loholona maromaro anondroan'ny firenena ny fari-dranomasina ao anatin'ny faritra ara-toekarenany ny Ranomasin'i Shina Atsimo. Namoaka fanambarana mitsipaka ny sarintany ireo loholona Filipiana, izay nolazainy ho propagandy Shinoa:
LOOK: Senators who personally watched the Gilas Pilipinas battle with China celebrate with the crowd. Senators Zubiri, Villanueva, Dela Rosa and Bong Go strike a pose wearing a shirt with the West PH Sea and a Philippine flag design. Senators Sonny Angara and Pia Cayetano also… pic.twitter.com/bV79apVmS9
— ABS-CBN News (@ABSCBNNews) September 2, 2023
JEREO: niara-nankalaza tamin'ny vahoaka ireo loholona nijery manokana ny ady nataon'ny Gilas Pilipinas tamin'i Shina. Niatrika manao lobaka misy ny Ranomasina PH Andrefana sy ny sainam-pirenen'i Filipina ireo loholona Zubiri, Villanueva, Dela Rosa ary Bong Go…
Tsy vitan'ny hoe mahatezitra ireo firenena aziatika atsimo atsinanana ny sarintany sinoa fa ireo mpiara-dia aminy ao amin'ny BRICS koa, dia India sy i Russia. Raha ny momba an’ India, faritra roa, Arunachal Pradesh sy Aksai Chin no ifandirana amin'i Shina, ao amin'ny sarintany vaovao.
Na dia efa tafiditra ao anatin'ny sarintany teo aloha aza ireo faritra roa ireo, dia nahasadaikatra ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi, izay naneho ny fahavononany hampiantrano ny Filoha Shinoa Xi Jinping amin'ny Fihaonambe G20 ho avy, ny fotoana namoahana azy, andro vitsy taorian'ny vovonana BRICS.
Made in China map! #IndiaChina #G20Summit pic.twitter.com/n3kvALEjX3
— Satish Acharya (@satishacharya) September 1, 2023
Sarintany “Made in China” (vita tany Shina)!
Tao anatin'ny hetsi-panoherana nataon'ny governemanta Modi momba ny sarintany, nandrisika an’ India ho tony i Shina satria efa nampidirin'ny firenena ao anaty sarintany hatrany ireo faritra ifandirana ireo. Teo amin'ny fahatapahan'ny fifandraisana bebe kokoa dia mety tsy hanatrika ny G20 i Xi Jinping.
Hitan'ny iray hafa mpiara-dia amin'i Shina ao amin'ny BRICS koa, izay tsy iza fa i Rosia, ny antsasaky ny faritry ny Nosy Bolshoy Ussuriysky voamarika ho faritany Shinoa. Saingy hatramin'izao, dia nangina i Potinina tamin'ny fanitsakitsahana ny fifanarahan-tsisintany tamin'ny taona 2008.
Nisarika ny fifantohan'i Nepal ihany koa ny sarintany Shinoa vaovao. Hitan'i Kathmandu fa voamarika ho faritanin'India ao amin'ny sarintany Shinoa ny faritra ifandirana ao Lipulekh, Kalapani, ary Limpiyadhura, izay nampidirina ofisialy tao amin'ny sarintany Nepali tamin'ny Mey 2020.
Nandritra izany fotoana izany, maro ireo mpikirakira aterineto no nanao hetsi-panoherana momba ilay sarintany Shinoa vaovao amin'ny fanaovana sarintany maneso:
A return gift to #ChinaMap pic.twitter.com/jW6hxZPLDx
— Angry Young Man (@AngryYoungManly) August 29, 2023
Averina amin'ny mpandefa ny fanomezana #ChinaMap