Nilazàna ny governemanta maleziàna mba hampitsahatra ny filalaovana ny ‘Big Brother’ amin'ny media

Fangon'ny tranonkalam-baovao TV Pertiwi, MalaysiaNow, ary an'ny UtusanTV izay voasakana ao Malezia.

Taorian'ny nibahanana tranokalam-baovao marobe tato anatin'ny roa volana lasa, nampahatsiahivin'ireo vondrona media an'ireo manampahefana maleziàna ny momba ny fanolorantenan'izy ireo hiaro ny fahalalahana maneho hevitra.

Tamin'ny Jona, tsy afaka nidirana nandritra ny roa andro ny tranonkalam-baovao MalaysiaNow news. Ny 7 Aogositra, nobahanana ny tranonkalam-baovao UtusanTV, andro vitsy nialoha ireo fifidianam-panjakana. Ny Malaysia Today sy bilaogy  iray tantanan'ilay solombavambahoaka taloha, Wee Choo Keong, dia samy voabahana ihany koa tamin'ny Aogositra. Voabahana ny tranonkalam-baovao TV Pertiwi taorian'ny nandavan'ilay mpamoaka vaovao tsy hanaisotra lahatsary marobe nolazain'ireo manampahefana ho tsy mendrika.

Ny fibahanana ireny tranonkalam-baovao ireny dia misy ifandraisany amin'ny baiko nalefan'ny Malaysian Communications and Multimedia Commission (MCMC) – Vaomiera Maleziàna misahana ny Fifandraisana sy ny Multimedia – izay tany aloha dia nampitandrina fa hanakana ireo votoaty mandrehitra afo momba ny resaka foko, finoana, ary ny fianakavian'ny mpanjaka, mialoha ireo fifidianana hatao ao amin'ny firenena.

Satria nokasaina hatao ny Sabotsy 12/08 ireo fifidianana ao amin'ny firenena, nosakanana nandritra ny andro maromaro ny tranokalam-baovao an-tserasera @UtusanTV. Manainga ny vaomiera misahana ny serasera @MCMC_RASMI ny RSF mba hitondra fanazavàna momba ity fameperana ity ary hanaisotra tsy misy hatak'andro ny fanakanana azy.
– RSF (@RSF_inter) 11 Aogositra 2023

Nilaza ny TV Pertiwi fa tsy nanaiky hanaraka ny baikon'ny MCMC taorian'ny tsy nilazan'ity farany izay votoaty lazainy fa manohintohina tany anatin'ireo lahatsary nambaran'ilay masoivoho fa tsy maintsy alàna.

Inoan'ny TV Pertiwi fa zon'ny vahoaka ny hahazo vaovao  sy fahalalàna tsy mitanila, voalanjalanja ary milaza ny tena zavamisy momba ireo tranga miseho eny anivon'ny fiarahamonina, tsy asiana fifamatorana amina firehana pôlitika.

Ankoatra izay, ny fahalalahan'ny media sy ny fanehoana hevitra na fomba fijery mifanipaka dia tokony hankalazaina ho toy ny singa fototra ao anatin'ny zon'olombelona sy ho toy ny mariky ny fomba fanao demaokratika mandia ny zotran'ny fivoarana mankany amin'ny maha-olompirenena mahay tsara ny vaovao misy ary manana fahalalàna.

Ny 29 Aogositra, marobe ireo toniandahatsoratra namoaka fanambaràna niombonana nitakiana tamin'ny governemanta hapitsahatra ny filalaovana ny toeran'ny “Big Brother” manoloana ireo media.

Ny tena mampanahy dia ny zavamisy hoe tatitra fotsiny sy ampahan-kevitra lazaina fa manakiana ny governemanta ny ankamaroan'ireo votoaty tondroina ho ‘manafintohina

Ny governemanta amperinasa dia tonga teo amin'ny fahefana niaraka tamin'ny fampanantenana fa hamela ny fivezivezena malalaky ny vaovao sy hisian'ny gazety malalaka ary mavitrika.

Tsy mitsaha-mitombo ny fitarainan'ireo matianin'ny media hoe nobahanana ny tranonkalan-dry zareo.  Fironana maha-monamonaina izany ary tsy maintsy atsahatra avy hatrany.

Inoanay fa manana laharam-pahamehana hafa ilay rantsana mpandrindra, ary tsy iray amin'izy ireny ny fibahanana tranonkala.

Gerakan Media Merdeka, sampandraharaha mpiambina ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, dia nanamafy fa “na inona na inona endrika vaovao an-tambajotra na fanehoankevitra ara-drariny, dia tsy tokony tsotra izao hiharan'ny sivana tahaka izany.” Ny tambajotran'ny fiarahamoina sivily Bersih dia nanipika ireo loza ateraky ny fanafoanana vaovao / torohay.

Raha toa ny fanampenam-bava ka atosiky ny kajikajim-pironana, tsy hoe fotsiny vao mainka hiha-matanjaka any an-damosina any ireo feo nampanginina, fa hiteraka loza iray goavana kokoa ho an'ny fampiatiana sy ny fitoniana.

Vatofehizoron'ny demaokrasia ny fahalalahana sy ny fahafahana mahazo ara-drariny ny vaovaom-panjakàna ho an'ny antoko pôlitika rehetra, saingy indrisy fa tsy mbola nisy teto Malezia ny lalao ara-drariny tahaka izany nandritra ireo fifidianana nataontsika.

Ho setrin'izany dia noantitranterin'ny MCMC fa ny fibahanana ireo tranonkala sasantsasany dia “tsy natao hisakanana ny fahafahan'ny asa fanaovana gazety, fa natao hiantohana ny fanapariahana vaovao amin'ny fomba maha-tomponandraikitra ary tsy misy fanelezana fanaratsiana na vaovao diso”. Nampian'ilay vaomiera hoe:

Hita ny sasany amin'ireo mpamoaka vaovao fa minia manapariaka vaovao diso na mamoaka votoaty tsy mendrika, izay mety hanohintohina ny firindran'ny  fiarahamonina.

Miaraka amin'ny habetsahan'ireo torohay azo raisina ao anaty aterineto, lasa fanamby sarotra ny manavaka ny tena zavamisy sy ny tantara noforonina. Mitondra loza mitatao ho an'ny firindran'ny fiarahamonina io, satria ny vaovao diso dia afaka miparitaka mora foana ary mety hiforona ireo fitantaràna diso.

Nomen'ny MCMC toky ireo media hoe misokatra amin'ny fifampiresahana izy “mba hiatrehana ireo olana sy ahiahy mifandraika amin'ny fahalalahana maneho hevitra.”

Zaid Malek, talen'ny Lawyers for Liberty, dia nampitandrina manoloana ny filazan'ny MCMC hoe voaporofo ny filàna mibahana ireo tranonkalam-baovao:

Noho ny tahotra fanenjehana dia hanakenda ny resaka momba ireo olana manandanja ho an'ny daholobe ny fanivànana ny fitenenana sy ireo vaovao lazaina fa “vaovao diso”, ka hahatonga ny zo hiteny malalaka ho zavatra tsy misy dikany. Hanome vàhana ny governemanta handidy izay lazany fa ‘marina aminy’ sy ahafahany mandevina izay rehetra vaovao tondroina ho tsy mitondra tombony ara-pôlitika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.