Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Oktobra, 2010
Setroka be mandrakotra an'i Singapore
Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto
Malezia: Nambara ny tetibola 2011
Omaly no namoahan'ny praiminisitra Najib Razak, izay mitazona ihany koa ny minisiteran'ny fitantanambola ny tetibola 201izay mamaritra ny drafitra politika mandritra ny taona vitsivitsy indray. Anisan'ny nivoitra tao amin'ny tetibola...
Malezia: Mandràra boky iray maha-be resaka ny Ministeran'ny Raharaha Anatiny
Nandràra boky iray manakiana ireo mpitondra ambony ny governemanta Maleziana. Nanomboka teo dia navelan'ilay mpanoratra azy ho azo sintonina amin'ny aterineto ilay boky mba hahafahan'ny Maleziana rehetra mamaky ilay boky maha-be resaka. Tamin'ny alalan'ny bilaogy sy twitter dia nanapariaka ny fomba hahafahana mijery ilay boky koa ny mponin'ny aterineto.
Azia Atsimo atsinanana : Mitoraka bilaogy momba ny baolina kitra
Betsaka ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo atsinanana izay manome vaovao lehibe farany sy ara-potoana mikasika ireo lalao baolina kitra sy ny fandaharam-potoana any amin'ny faritra. Ireto misy lisitr'ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo Atsinanana izay mifantoka kokoa amin'i Vietnam sy i Kambodja .