· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Septambra, 2010

Fankalazàna ny Andron'ny Malaizia

  19 Septambra 2010

16 Septambra no andro nitambaran'ny Malaya miaraka amin'ny Sabah, Sarawak ary Singapore ho Malaizia. Na izany aza, tamin'ity taona ity vao lasa andro fialàntsasatra iombonana ny Andron'i Malaizia. Nafana ny Twitter niaraka tamin'ny tenifototra #harimalaysia.

Malezia: Fanafihana nitranga nohon'ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin'ny Andro fitsingerenan'ny nahazoana ny fahaleovantena

  05 Septambra 2010

Tamin'ny takarivan'ny Andro fitsingeren'ny nahazoan'i Malezia ny fahaleovantenany dia nisy tantara iray notaterina tao amin'ny Facebook momba ny fanafihana nitranga nataon'ny tanora maro nohon'ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra. Ireto manaraka ireto ary ny sombitsombiny amin'ny fomba fijery sy fisainan'ny Malezia mikasika izany fanavakavaham-bolon-koditra ao Malezia ankehitriny izany.

Malezia: Aiza ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'izao fotoana izao?

  03 Septambra 2010

Mety hoe iray amin'ireo miroborobo ara-toe-karena haingana indrindra any Asia ny sarin'i Malezia anananao, fa fantatrao ve fa mbola any amin'ny laharana faha3 avy any aoriana (milahatra eo amin'ny toerana faha 131) tamin'ny taona 2009 amin'ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena izy ? Tsy mivoatra mihitsy izany ho an'ireo mponina sy ho an'ireo antoko mpanohitra izay miady amin'ny fanivanam-baovao ? Ho hitantsika avy amin'izay navoakan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety vao haingana ny zava-misy any Malezia .