Mpanoratra Malayziana iray miatrika fanadihadiana noho ny fanevatevana tao amin'ny ranty Facebook

 

Uthaya Sankar SB, sary nahazoana alalana

 Nosamborina tamin’ny 11 Aprily ilay mpanoratra Maleziana Uthaya Sankar SB rehefa voampanga ho nanevateva ny Mpaminany Mohamady tao amin'ny lahatsoratra Facebook nivoaka tamin'ny 6 Aprily.

Navotsotra vonjimaika izy ny ampitson'iny saingy mbola miatrika famotorana araka ny andininy faha-298A amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana ao Malezia noho ny antony nahatonga ny korontana, ny tsy firaisankina, na fahatsapana fifandrafiana, fankahalana, na fikasan-dratsy, na fanakorontanana ny firindrana na ny firaisankina, noho ny antony ara-pivavahana, ary ny andininy faha-233 amin'ny Lalànan’ny Serasera sy Fifandraisana momba ny “fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny tambajotram-pifandraisana na ny fifandraisana anjotra”.

Maneho ny fitohizan'ny fampiasana ny lalàna famoretana hanenjehana ny olom-pirenena ny raharaha Uthaya Sankar SB, anisan'izany ireo voampanga ho nanafintohina ny mponina maro an'isa Miozolomana. Efa nanery ny fijerena indray sy ny fanafoanana ireo lalàna ireo ny mpikatroka sy ny vondrona media.

Niresaka momba ny hadith (fitantarana na fakanteny Islamika) i Uthaya Sankar SB rehefa naneho hevitra momba ny lahatsoratry ny mpilalao sarimihetsika Maleziana iray momba ny fananana vady maro izy. Nanamafy ny mpanoratra fa tsy natao hanaratsiana ny Mpaminany Mohammad izany. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices, nanasongadina izao manaraka izao i Uthaya Sankar SB:

I have totally no idea what the motive must have been. It’s really absurd, I must say. It seems someone with no basic knowledge of Islam and the Hadith lodged a report. And what’s even funnier, the cops at Bukit Aman actually arrested me to investigate. A simple Google of the said Hadith would have clearly shown them that I did not in any way offend the Prophet or Islam.

Tsy fantatro mihitsy hoe inona no anton'izany. Tena tsy mitombina izany hoy aho. Toa olona tsy manana fahalalana fototra momba ny finoana Islamo sy ny Hadith no nanao tatitra. Ary ny tena mampihomehy, nosamborin'ny polisy tao Bukit Aman aho mba hatao fanadihadiana. Tokony mampiseho mazava amin'izy ireo ny fikarohana tsotra amin’ny Google amin'ilay lazaina Hadith fa tsy nanafintohina ny Mpaminany na ny Silamo mihitsy aho.

Namoaka fanambarana i Ma Thida, filohan'ny Komitin'ny Mpanoratra any Am-ponja ao amin'ny PEN Iraisampirenena, manameloka ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB:

Uthaya Sankar SB’s arrest for his social media post highlights the limits of free expression in Malaysia on issues such as religion. However well intentioned, the authorities’ use of blasphemy legislation to investigate any alleged criticism of religion will do little to promote dialogue and mutual understanding, which are central tenets to the promotion of religious harmony in any society.

Manasongadina ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Malezia momba ny olana toy ny fivavahana ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy. Na dia tsara aza ny fikasana, tsy hahavita zavatra firy amin'ny fifampiresahana sy ny fifankahazoana, izay foto-kevitra ivon'ny fampiroboroboana ny firindrana ara-pivavahana eo amin'ny fiarahamonina rehetra ny fampiasan'ny manampahefana ny lalànn'ny fanevatevana mba hanaovana fanadihadiana izay lazaina fa fitsikerana fivavahana.

Ao amin'ny lahatsoratra fanehoan-kevitra navoakan'ny Free Malaysia Today, nampitandrina ny amin'ny voka-dratsin'ny fanenjehana mpanoratra i Mariam Mokhtar, “Hitarika any amin'ny fanjakana izay tsy ahafahan'ny rakyat [vahoaka] haneho hevitra tsy mitovy amin'izay atolotry ny fanjakana ny fanamelohana ny fahalalahana miteny.”

Nambaran’ny polisy tamin’ny fampitam-baovao fa tsy mbola vita ny fanadihadiana. Nanome ity torohevitra ity ho an'ny mpiseran’ny tambajotra sosialy ny talen'ny Departemantan'ny Fanadihadiana Heloka bevava Ara-barotra Federaly Comm Datuk Seri Abd Jalil Hasa:

The public should also be smart and prudent social media users and not use the platform to cause public anxiousness and threaten national harmony. Firm action without compromise will be taken against any individual who intentionally threatens public order and safety.

Tokony ho mailo sy mitandrina tsara ihany koa ny mpiseran’ny tambajotra sosialy ary tsy hampiasa ny sehatra hampiahiahy ny vahoaka sy hanohintohina ny filaminam-pirenena. Handraisana fepetra hentitra tsy misy fandeferana ireo olona minia manohintohina ny filaminana sy ny fiarovam-bahoaka.

Raha nanontanian'ny Global Voices momba ny hafany ho an'ireo mpanoratra sy mpanakanto namany mikasika ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra i Uthaya Sankar SB dia nandrisika ny Maleziana mba hahery hatrany amin'ny fanoloran-tenany:

Be brave. Be confident. If you know that you have not done anything wrong, stay firm and never let anyone (the authorities, community etc) blame you or punish you for your action. Don’t “fight” alone. Let your struggle be known so that others can come forward to defend you; or at least show solidarity.

Mahereza. Matokia. Raha fantatrareo fa tsy nanao ratsy ianareo dia meteza ho hentitra ary aza avela hisy olona (manampahefana, fiarahamonina sns) hanome tsiny anareo na hanasazy anareo amin'ny zavatra ataonareo. Aza “miady” irery. Avelao ho fantatra ny tolona ataonareo mba hahafahan'ny hafa mijoro hiaro anareo; na farafaharatsiny haneho firaisankina.

Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny hakingana amin'ny fanitarana ny firaisankina izy raha namaly fanontaniana iray hafa momba ny zavatra azon'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena atao rehefa rahonan'ny manampahefana ny mpanoratra toa azy:

Though we might be writing or expressing out ideas/thought in different languages and different medium (eg poetry, arts, film, drawing, music etc), it is always good to keep in touch. Social media (Twitter, Facebook, Instagram etc) makes it easier to stay connected globally.

If we find out that some writer/artist in some far corner of the world is in trouble, we should be able to quickly show solidarity by spreading the news to all relevant contact via social media or WhatsApp. In my case, I managed to send message through WhatsApp to friends and also post on Facebook. They (not all my friends are writers) quickly did what was needed to do next. Before I was brought from Shah Alam, Selangor to Bukit Aman, Kuala Lumpur, news of my arrest was already published in Malaysiakini, Focus Malaysia etc. So, I knew that I had nothing to worry – in addition to the fact that that I did not in any way offend the Prophet.

Tsara foana ny mifandray na dia manoratra na maneho hevitra/eritreritra amin'ny fiteny samihafa sy amin’ny fomba fampitan-kevitra hafa aza isika (oh. tononkalo, zavakanto, sarimihetsika, sary, mozika sns). Manamora ny fifandraisana eran-tany ny tambajotra sosialy (Twitter, Facebook, Instagram sns).

Raha hitantsika fa sahirana ny mpanoratra/mpanakanto sasany any amin'ny vazan-tany lavitra, dia tokony ho afaka haneho firaisankina haingana isika amin'ny fampielezana vaovao amin'ny fifandraisana rehetra mifandraika amin'izany amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy na WhatsApp. Tamin’ny raharaha mikasika ahy, nahavita nandefa hafatra tamin'ny alàlan'ny WhatsApp ho an'ny namana aho ary nandefa tao amin'ny Facebook ihany koa. Izy ireo (tsy ny namako rehetra no mpanoratra) no nanao haingana izay tokony hatao manaraka. Efa navoaka tao amin'ny Malaysiakini, Focus Malaysia sns ny vaovaon'ny fisamborana ahy  talohan'ny nitondrana ahy avy tany Shah Alam, Selangor ho any Bukit Aman, Kuala Lumpur. Noho izany, fantatro fa tsy misy tokony hatahorako – ankoatra ny hoe tsy nanao mihitsy izay nanafintohina ny Mpaminany aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.