Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Mey, 2013
Mety Hitondra Fiovana Ve Ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Malezia?
Noravàn' i Praiministra Najib Razak ny parlemanta Malezianina tamin'ny 3 Aprily 2013 mba hanomanana ny fifidianana solombavambahoaka faha 13 eo amin'ny firenena. Mety mbola hanjaka hatrany amin'ny fifidianana ve ny mpitondra nandritry ny antsasaky ny taonjato lasa? Sa ve hisafidy ny fiovana ny vahoaka?
‘Fa Inona Koa No Tadiavin'ny Shinoa?’ Lohateny Mahatezitra ny Malaiziana
Nisy gazety Malay an'ny antoko mitondra ny firenena, izay nandresy tamin'ny isa tery dia tery noho ny nifidianan'ny fiarahamonina shinoa niròna tamin'ny mpanohitra, namoaka ny lohateny hoe :‘apa lagi Cina...
‘Tsunami Malayziana’ Manohitra Ireo Tsi-Fetezan'ny Fifidianana
An'aliny ireo olona tao Malaizia no nifamory tao amin'ny kianjaben'i Kelana Jaya izay akaikin'ny renivohi-pirenena tamin'ny 8 mey 2013 hanohitra ny vokatra navoaka farany nandritra ny fifidianana ankapobe faha-13. Nampitandrina ny governemanta fa mety hampangaina ho manao fiokoana ny nandray fitenenana sasantsasany. Nanambara ny mpanohitra fa mbola hisy ny famoriam-bahoaka hafa.
Malezia: Iza Amin'ireo Antoko No Manana Fanambaràna An-tsoratra Tsara Indrindra Mikasika Ny Fifidianana ?
Fifidianana solombavambahoaka faha-13 no notontosaina tany Malezia ny 5 may ary soa ihany, namoaka ny fandaharam-potoany mikasika ny fifidianana ireo antoko goavana ary nanampy ny mpifidy hifidy izay kandidà matotra izany. Antoko iza no manana foto-kevitra sy baikom-pitolomana an-tsoratra tsara indrindra ?
Mbola Hanjakazaka Amin'ny Fifidianana Hatrany Ve ny Antoko Nitondra Tao Malaizia Nandritra ny 50 taona?
Lohahevitra nanakoako tamin'ny Fifidianana Ankapobeny faha-13 notontosaina ny 5 mey 2013 tao Malaizia ny fikaroham-piovana, na ‘ubah’ (ova amin'ny teny Malay). Misy teny filamatra malaza miverimberina manao hoe ‘ini kalilah,...