
Seho iray ao amin'ny sarimihetsika Mentega Terbang. Pikantsary avy amin'ny sombim-pilma YouTube. Anomalist Production. Fampiasana ara-drariny
Nalefa voalohany tamin'ny taona 2021 ny sarimihetsika indie Maleziana “Mentega Terbang” saingy noraràn'ny Minisiteran'ny Atitany tamin'ny Septambra 2023 noho izy “mifanohitra amin'ny tombontsoam-bahoaka”. Tamin'ny volana Janoary 2024, voampanga araka ny fizarana faha-298 amin'ny Fehezan-dalàna famaizana ny tale sy ny mpamokatra ilay sarimihetsika noho ny “fanohintohinana ny fihetseham-po ara-pivavahana”. Raha meloka izy ireo, dia mety hahazo sazy an-tranomaizina herintaona, na lamandy, na izy roa. Nanameloka ny fandraràna sy ny fiampangana fitenenan-dratsy an'Andriamanitra ireo mpanakanto sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Tantarain'ilay sarimihetsika maharitra 104 minitra ny tantaran'ny zatovo Silamo iray antsoina hoe Aisyah nanomboka nisavasava momba ny fivavahana hafa rehefa voalaza fa efa manakaiky ny fahafatesana noho ny aretina mahazo azy ny reniny. Voafetra ny fandefasana ilay sarimihetsika tamin'ny taona 2021, saingy nahasarika olona maro kokoa izy tamin'ny taona 2023 rehefa nalefa tao amin'ny tolotra fandefasan-dahatsary mivantana Viu miorina any Hong Kong.
Nilaza ireo mpandala ny nentin-drazana fa manitsakitsaka ny finoana silamo ilay sarimihetsika. Maro an'isa ny Miozolomana ao Malezia, ary maherin'ny 63 isanjaton'ny olom-pirenena no milaza ho silamo. Tao anatin'ny taona vitsy izay, nanosika ho amin'ny fampiharana mahery vaika kokoa ny fampianarana Islamika amin'ny fitantanan-draharaha ireo mpikatroka Islamika hiringiriny sasany. Ohatra tamin'ny taona 2023, niherisetra tamin'ireo mpandray anjara ny diabem-behivavy ny manampahefana ary naka an-keriny ireo famantaranandro misy lohahevitra rehareha noho ny filazana fa manimba ny fampianarana sy ny soatoavim-pivavahana manoloana ny LGBTQ+. Na dia ny fandaharan'asa ifarimbonam-pinoana tohanan'ny governemanta manasa ny tanora hitsidika tempoly sy fiangonana aza dia lasibatr'ireo mpikatroka Miozolomana hiringiriny avy ao amin'ny mpanohitra ara-politika. Namory mpanohana tao amin'ny media sosialy izy ireo ary niampanga ny governemanta ho miezaka mampiroborobo ny Kristianisma eo amin'ireo tanora Silamo. Ny fanehoan-kevitra famelezana anjotra no nanery ny governemanta hampiato ny fandaharan'asa tamin'ny volana martsa 2023.
Nilaza ny Freedom Film Network fa “endrika bontolo fanarahamaso votoaty ny fomba fiasan'ny governemanta mandrara ny sarimihetsika ary ankehitriny fanamelohana ireo mpamokatra sarimihetsika.” Nampiany hoe:
To build religious harmony we need open communication, dialogue and safe spaces to share different perspectives to understand each other. In our experience, Mentega Terbang is an excellent tool to foster such discussions. The audiences we spoke to said they understood and appreciated other faiths better after watching the movie and could relate with the main character’s experiences. However, such positive experiences with the film are not taken into account by the authorities.
Mba hananganana firindrana ara-pivavahana dia ilaintsika ny fifandraisana misokatra, fifanakalozan-kevitra misokatra ary sehatra azo antoka hifampizarana fomba fijery samihafa sy hifankahazoana. Raha ny niainanay, fitaovana tena tsara ny Mentega Terbang hitrandrahana izany fifanakalozan-kevitra izany. Nilaza ireo mpanatrika niresaka taminay fa nahatakatra sy nandanjalanja kokoa ny finoana hafa rehefa avy nijery ilay sarimihetsika ary afaka mandray ny zavatra niainan’ilay mpiantsehatra fototra. Na izany aza, tsy mba noraisin'ny manampahefana ny traikefa tsara toy izany amin'ny sarimihetsika.
Nandrafitra fanambaràna ny talen'ny sarimihetsika Badrul Hisham Ismail ho fanohanana ny mpanatontosa ny “Mentega Terbang”. Eto ambany ny tsonga amin'ny fanambaràna, izay notohanan'ny artista maherin'ny 200:
As a community that champions creative and artistic freedom, we must stand united in condemning any attempts to place undue restrictions on filmmakers or any artists. Let us celebrate the power of art to challenge, inspire, and provoke thoughtful reflection, trusting in the capacity of audiences to navigate the complex landscape of creative expression with their own discernment.
Amin'ny maha vondrom-piarahamonina mampiroborobo ny fahafahana mamorona sy artistika, tsy maintsy miray saina izahay amin'ny fanamelohana ny fikasana hametraka fameperana tsy ara-drariny ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika na mpanakanto. Avelao izahay hankalaza ny herin'ny zava-kanto hihaika, hanainga fanahy ary handranitra eritreritra nosaintsainina lalina, matoky ny fahafahan'ny mpihaino hanavatsava endritany sarotry ny fanehoana mamorona amin'ny fahatakaran-tsainy manokana.
Nanamarika ny Foiben'ny Asa Fanaovan-gazety Mahaleotena (CIJ) vondrona fiarahamonim-pirenena fa “manakorontana ny toe-karenan'ny famoronana ao Malayzia” ny sivana sarimihetsika. Nitsikera ny fihetsiky ny governemanta ny Tale Mpanatanteraky ny CIJ Wathshlah G. Naidu.
The government has forced artists in Malaysia to live in a culture of fear. While we acknowledge the importance of respecting religious sensitivities, it is essential to strike a balance between protecting these sensitivities and safeguarding the fundamental right to freedom of expression.
Noteren'ny governemanta hiaina ao anatin'ny kolontsain'ny tahotra ireo artista eto Malayzia. Na dia ekenay aza ny maha zava-dehibe ny fanajana ny saropady ara-pivavahana, dia ilaina ny mampifandanja ny fiarovana ireo fahatsapana ireo sy ny fiarovana ny zo fototra amin'ny fahalalahana maneho hevitra.
Tao anatin'ny fanambaràna iombonana, vondrona mpiaro ny zon'olombelona sivy no niantso ny governemanta “mba hampitsahatra ny heloka bevava amin'ny fandikan-dalàna ara-pivavahana sy ny fampiasana fepetra hafa manjavozavo ao amin'ny lalàna hanakanana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-javakanto”. Nitaky ny hanafoanana ireo fepetra famoretana ny fanevatevana ao amin’ny lalàna ihany koa izy ireo.
The enforcement of these provisions has had a disproportionate and negative impact on minority communities, political dissidents, atheists, comedians, artists, religious scholars, and others who express opinions and, often, merely reflect lived realities on the ground, and especially as a response to questionable actions by those who wield power.
Nisy fiantraikany tafahoatra sy ratsy amin'ny vondrom-piarahamonina vitsy an'isa, mpanohitra ara-politika, tsy mino an'Andriamanitra, mpanao hatsikana, mpanakanto, manam-pahaizana ara-pivavahana, ary ny hafa izay maneho hevitra ny fampiharana ireo fepetra ireo ary matetika, maneho fotsiny ny zava-misy iainana eny an-kianja, ary indrindra amin'ny maha-valin'ny hetsika mampanontany tena ataon'ireo mikirakira fahefana.
Tamin'ny 29 Janoary, nofoanan'ny Fitsarana Avo ny didy fampanginana izay nanakana ilay mpamokatra sarimihetsika tsy haneho hevitra amin'ny fiampangana azy. Amin’ny 14 marsa izao ny fitsarana manaraka momba ity raharaha fitenenan-dratsy an’Andriamanitra ity.