· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Jona, 2013

Hatezerana Naterak'Ilay Fanafihana Nihatra Tamin'Ireo Mpifindra Monina Tao Malezia

  27 Jona 2013

Toa mihanaka manerana ireo firenena rahavavy ilay herisetra ara-poko tao Myanmar. Misy amin'ireo Bodista Myanmar izay nifindra monina tao Malezia no voatafika tao anatin'izay herinandro maromaro lasa izay, heverin'ny olona maro fa mifandraika amin'ilay disadisa ara-poko sy ara-pivavahana misy ao Myanmar izany. Nahatezitra ny mponina maro ny fihetsiky ny governemanta Myanmar raha vao naheno izany.

Ny Fomba Fampiasàn'Ireo Mpitarika Ao Azia Atsimo Atsinana Ny Twitter

  20 Jona 2013

Tena fitaovana mahomby ho an'ireo mpitondra any Atsimo Atsinanan'i Azia tokoa izao ny Twitter. Ny Filohan'i Indonezia Susilo Bambang Yudhoyono izay 2.4 tapitr'isa ireo mpanaraka azy ao no malaza indrindra amin'ireo mpitondra any amin'ny faritra. Etsy ankilany, ilay Praministra Maleziana Najib Razak,dia mbola malaza be ihany any amin'ny fireneny, ary 1.6 tapitrisa ireo mpanaraka azy. Ny filoha Filipiana Noynoy Aquino kosa no tena mahafatra-po ao amin'ny Twitter ary mahatratra 1.5 tapitrisa ny mpanaraka azy ao.