· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Desambra, 2010

Lalao baolina soccer Malezia-Indonezia nivadika ho fifanaovana teny mahery (Taim-bava)

  31 Desambra 2010

Malezia sy Indonezia no ekipa roa tonga tamin'ny famaranana ny lalao fiadina izay ho tompon-dakan'ny Asean Football Federation Suzuki Cup. Tenifototra roa no namadika azy ity ho lasa lohahevitra teo anivon'ny vohikala, ‘Hate Malaysia’ sy ‘#loveindonesia’ satria naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny faharesen'ny tarika notohanany tamin'ny lalao fihodinana voalohany ireo Indoneziana mponin'ny aterineto

Zazavavy Maleziana 14 taona manambady

  08 Desambra 2010

Tokony afaka hanambady ve ny zazavavy 14 taona? Vao haingana izay dia namela zazavavy iray 14 taona hanambady lehilahy mpampianatra 23 taona ny Fitsarana Syariah any Malaizia. Miady hevitra mikasika ny fanambadian'ireo ankizy ny mpitoraka-bilaogy

Shina: Fotoana ho an'ny adihevitra vaovao momba ny fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olona

  02 Desambra 2010

Miaraka amina fijery faobe sy angamba mivelatra be momba ny olana mivandravandran'ny fiainana manokan'ny olona, manontany i Rui Shen, poeta sady mpampianatra hoe: "Maro ny olona no tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra fiarovana ny seranam-piaramanidina izay mampiseho ny toe-batan'ny olona, izay raisin'izy ireo ho toy ny fitsikilovana tanteraka ny maha-izy azy manokana. Rehefa nijery ilay resadresaka tamin'ny vaovao, dia manontany tena aho hoe: olona tsy milamina ve sa mitapy ireny olona ireny?"