Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Febroary, 2023
Miisa 37 niakatra 60.000: Mbola manjavozavo ny angon-drakitra ofisialy momba ny fahafatesana vokatry ny COVID-19 any Shina
…mitotaly 35.519 ny fitambaran’ny isan’ny hopitaly ary midika ny tarehimarika 60,000 fa, amin'ny ankapobeny, latsaky ny roa ny fahafatesana vokatry ny COVID isaky ny hopitaly teo anelanelan'ny 8 Desambra ka hatramin'ny 12 Janoary.
Hong Kong: any Metropolisy Avaratra, mbola tsy azo antoka ny fiarovana ny tany mando
Mandrakotra tany mirefy 30 000 hektara manaraka ny renirano Shenzhen sy Deep Bay ilay tetikasa Metropolisy Avaratra, izay ahitana ny tena faritra mando lehibe ao an-tanàna.
Fitsidihan'i Papa François tao RDC: Mizarazara ny hevitr'ireo Kôngôley momba ny fanambaràna nataony
Mandray an'i Papa François i RDC amin'izao fotoana izao, raha mbola miatrika ady vaovao ny ao Atsinanan'ny firenena izay ampihorohoroan'ny vondrona M23
Lahatsary miparitaka mampiseho ireo voalaza ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona nataon'ny miaramila tao Cabo Delgado, Mozambika
Hita ao amin'ny lahatsary ireo olona manao fanamiana miaramila miaraka amin'ny sainam-pirenena Afrikana Tatsimo manipy faty ao anaty afo.
Ao Nizera, mihoatra ny antsasa-manilan'ireo ankizy no tsy manana sora-piankohonana
Noho ny tsy fisian'ny sampan-draharaha mpirakitra fahaterahana eny ambanivohitra, efa ho ny antsasaky ny ankizy ao Nizera no tsy voasoratra eo am-pahaterahana
Vétiver (maimbokely): Iray amin'ireo vahaolana ara-toetrandro atao tsirambina ao Trinidad & Tobago
Iray amin'ireo vahaolana lehibe indrindra, mora indrindra sy mitsinjo ny tontolo iainana indrindra manoloana 'ny tondra-drano, ny fihotsahan'ny tany, ny fanamafisana ny hantsana ary ny fifehezana ny fikoan-tany ny vetiver (maimbokely).
Melohin'ireo firenena Afrikana miteny paortiogey ny famelezana ny demaokrasia any Brezila
Rehefa avy niteny ireo mpitondra, dia nampitahain'ny olom-pirenena tamin'ny toe-draharaha ao amin'ny fireneny ny tany Brezila.
Tontolon'ny mozika Tôgôley miditra anaty fanatontoloana, nefa tsy manary ny fototra niaviany
Manankarena amin'ny fahasamihafàn'ny fiteny sy ny mozika i Tôgô, miditra amin'ny fanatontoloana ny mozikany izy, izay efa ekena eo amin'ny sehatra nasiônaly sy iraisampirenena
ONU, nataon'ny governemanta Maliàna lasibatra mivantana tamina fandroahana nisesy ireo solontenany
Mandroaka solontena avy amin'ny Firenena Mikambana ry zareo manampahefana Maliàna. Nohitrikitrihany tamin'zany ny tsy fanekeny ny fanakianana, na avy ao anatiny io na iraisam-pirenena, miresaka ny toedraharaha momba ny zon'olombelona
Manao izay hanaratsiana ny Átlátszó, hongroà mpanao fanadihadiana, ireo mpiantsehatra rantsan'ny Fanjakana
Miezaka ireo fampitam-baovao pro-governemanta mamoaka lahatsoratra manala baraka fa nahazo 'volan'i Jodasy' sy ho 'fikambanan-jiolahy' voarohirohy amin'ny famadihan-tanindrazana sy hetsika mamely ny firenena ny Átlátszó izay fikambanana tsy mitady tombontsoa.