Manao izay hanaratsiana ny Átlátszó, hongroà mpanao fanadihadiana, ireo mpiantsehatra rantsan'ny Fanjakana

Tamás Bodoky, lehiben'ny tonian-dahatsoratra mpanorina ny tsy mitady tombontsoa hongroà mpanao fanadihadiana Átlátszó. Sary avy amin'ny media1.hu, nahazoana alalana.

Ity tantara ity dia navoakan'ny Atlatszo, fanaovan-gazety hongroà mpanao fanadihadiana tsy mitady tombombarotra. Navoaka ny dikan-teny eto ambany ho ampahany amin'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

Nilaza tamin'ny Media1 i Tamás Bodoky, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Atlatszo, fa matoky izy fa misy ny fanentanana narindra hamelezana ny fikambanana mpanao fanadihadiana tsy mitady tombom-barotra ataon'ireo mpiantsehatra akaikin'ny antokon'ny fitondrana Hongria Fidesz, mitaratra ny fomba jadona ampiasaina ao Rosia an'i Potinina.

A putyini Oroszország módszereire emlékeztet és összehangolt kampányt sejtet, amikor először a kormánylap támad ránk külföldi ügynökséget és nemzetárulást emlegetve, majd a kormány kedvenc álcivil szervezete titkosszolgálati beavatkozást sürget. Az okot mondvacsináltnak tartjuk: nem a kisebbségi magyarok ellen, hanem az ő kezdeményezésükre, az ő érdekükben és velük együtt vizsgáltuk három évvel ezelőtt a Bethlen Gábor Alapból kifizetett külhoni támogatásokat, amelyek egyébként az alap honlapján bárki számára nyilvánosan hozzáférhetők, mi is ezekből az adatokból dolgoztunk. A projekt az erdélyi, kisebbségi magyarok által működtetett Átlátszó Erdély tényfeltáró portál ötlete volt, és ők voltak a fő pályázók az oknyomozó újságírás támogatására létrejött európai IJ4EU alapnál

Mampahatsiahy an'i Rosia an'i Potinina sy manolotra fanentanana nifanakonana, voalohany mamely anay ny gazetin'ny governemanta, miampanga anay ho mpitsikilon'ny vahiny sy mpamadika, ary avy eo ny fikambanana lazaina ho sivily ankafizin'ny governemanta miantso ny fidirana an-tsehatry ny sampam-pitsikilovana mandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety. Heverinay ho tsy mitombina mihitsy izany: tsy natao hanoherana ny Hongroà vitsy an'isa, fa noho ny fandraisana andraikitra nataon'izy ireo, amin'ny tombontsoan'izy ireo ary niaraka tamin'izy ireo no namotopotoranay ny fanampiana avy any ivelany naloa tamin'ny Tahirimbola Bethlen Gábor telo taona lasa izay, izay azon'ny rehetra jerena ao amin'ny tranokalan'ny Tahirimbola, ary niasa avy amin'io angona io ihany koa izahay. Novolavolain'ny Átlátszó Erdély, fikambanana tsy mitady tombony amin'ny fanadihadiana tantanin'ny Hongroà vitsy an'isa ao Transylvania, ary izy ireo no tena mpanao fangatahana hahazo vatsy eoropeana IJ4EU amin'ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana.

Mpikambana ao amin'ny vondron'asa miady amin'ny kolikoly ao amin'ny Fahefam-Pahamendrehana niorina vao haingana, ihany koa i Bodoky nanomboka tamin'ny Desambra 2022. Nijoro ny Fahefam-Pahamendrehana taorian'ny nitakian'ny Vaomiera Eoropeana an'i Hongria hanolo-tena hiady amin'ny kolikoly sy ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana, mba hanohizana ny fandraisana ny vatsy avy amin'ny Vondrona Eoropeana.

pikantsary avy amin'ny Facebook post avy amin'ny CÖF manoritsoritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety nataon-dry zareo ny 12 janoary manaratsy ny Atlatszo. tsindrio hahitana azy lehibe kokoa.

Namely ny mpanohitra tamin'ny alalan'ny afisy ny fikambanana sivily mpiara-miombon'antoka amin'ny governemanta CÖF (Fihaonam-ben'ny fiaraha-miasa sivily). Orinasa mpanome tolotra filokana an'ny fanjakana Szerencsejáték Zrt no iasan'ny CÖF. Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny CÖF tamin'ny 12 Janoary 2023, izay nilazan'ny mpitondrateniny fa mety hampidi-doza ho an'ny fiarovam-pirenena i Átlátszó amin'ny fahazoana fanohanana ara-bola avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka vahiny.

Nitranga ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra iray mitovy fihetseham-po tamin'izany tao amin'ny Magyar Nemzet, gazetin'ny KESMA, fikambanam-ben'ny haino vaky jery fehezin'ny antoko eo amin'ny fitondrana.

Orina Mpanasoa Hongroà nitsangana tamin'ny taona 2018, KESMA (Közép-Európai Sajtó és Média Alapítvány na Orina Mpanasoa ny Media sy Gazety Eoropeana Afovoany), izay mifehy ny fampahalalam-baovao maro ao amin'ny firenena, miantoka ny tsy fivadihany amin'ny antokon'ny fitondrana Fidesz, tarihin'ny Praiminisitra Viktor Orbán. Ao anatin'ny fananany ny fantsom-baovao fahitalavitra an-tariby, onjam-peo, vavahadim-baovao an'aterineto, gazety sy gazetiboky mitombana mihoatra 100 tapitrisa dolara amin'ny fotoana nananganana azy. Tamin'izany fotoana notombanana mihoatra ny 22,5 tapitrisa dolara ny tombombarotra azony isan-taona, azo tamin'ny alàlan'ny doka nataon'ny governemanta.

Nasesisesin'ireo seha-baovao isankarazany akaiky ny Fidesz ny filazana fa loza mitatao mihatra amin'ny fiarovam-pirenena, anisan'izany ny fampitam-baovaom-panjakana sy ny vatsian'ny fanjakana hirado.hu .

Ny famakafakana nataon'ny International Press Institute no namoaka antsipiriany bebe kokoa momba ny fanaratsiana:

These texts about Átlátszó’s non-profit funding model included allegations that Átlátszó was receiving ‘Judas money’ and being a ‘criminal association’ involved in treason and anti-national activities. In a second defamatory article in Magyar Nemzet, Bodoky was directly referred to as a liar and a ‘national traitor.’

Hita amin'ireo lahatsoratra momba ny maodely famatsiam-bola azon'i Átlátszó tsy mitady tombontsoa ny fiampangana fa nahazo ‘volan'i Jodasy’ sy ho ‘fikambanan-jiolahy’ voarohirohy amin'ny famadihan-tanindrazana sy hetsika mamely ny firenena. Ao amin'ny lahatsoratra fanalam-baraka faharoa ao amin'ny Magyar Nemzet, voalaza mivantana ho mpandainga sy ‘mpamadika firenena’ i Bodoky.

Hongria: Lasa lasibatry ny fanaratsiana avy amin'ireo seha-baovao pro-governemanta ny famoaham-baovao fanadihadiana @Atlatszo sy ny tonian-dahatsorany, @bodoky mba hanalana baraka izay fampitam-baovao mahaleotena sisa tavela ao amin'ny firenena. Fanadihadiana IPI 👇

Hatramin'ny herintaona no maro ny famelezana natao tamin'ny fampitam-baovao mahaleotena izay mahazo famatsiam-bola avy any ivelany avy amin'ny gazety miankina amina governemanta. Talohan'izay ohatra ny Telex no asian'ny PestiSrácok sy ireo media maro hafa noho ny fandraisany famatsiam-bola avy any Etazonia noho ny akademiam-piaingana azony.

Navoakan'ny tambajotram-pampahalalam-baovao Fidesz vatsian'ny fanjakana vola koa ny teny hoe “media dolara” ary, mba hanaratsiana ny fampitam-baovao mahaleotena, dia ezahany hatrany ny mitazona ny fiheveran-diso fa misy olana ara-moraly amin'ny fandraisana famatsiam-bola na fampiasam-bola avy any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.