Vétiver (maimbokely): Iray amin'ireo vahaolana ara-toetrandro atao tsirambina ao Trinidad & Tobago

Sarina miambokely tao amin'ny Canva Pro.

Navoaka voalohany tao amin'ny Climate Tracker ho ampahany amin'ny Citizen Climate Journalism Fellowship, niaraha-niasa tamin'ny The Cropper Foundation ity tantara ity. Misy dika nasiana fanovana navoaka eto nahazoana alalana.

Raha topaza-maso voalohany, dia mitovy amin'ny ahi-dratsy rehetra maniry eny amoron-dalana any Trinidad sy Tobago ny maimbokely (vétiver). Ao anatin'ny halalin'ny fakany lava dia lava anefa no misy ny iray amin'ireo vahaolana lehibe indrindra, mora indrindra sy mitsinjo tontolo iainana indrindra amin'ny tondra-drano, ny fihotsahan'ny tany, ny fanamafisana ny hantsana ary ny fifehezana ny fikaohin'ny tany; na izany aza, dia natao tsinontsinona izy amin'ny fepetra fisorohana  ny ambana ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro. Ny fitomboan'ny tondra-drano ao amin'ny firenena anefa, izay misy fiantraikany ratsy toy ny fifindran'ny olona sy ny tsy fahampian'ny vokatra eto an-toerana, no nanaporofo ny antony tsy azo atao hanaovana tsirambina intsony ny vahaolana toy ny rafitra maimbokely.

Fantatra ara-tsiansa amin'ny anarana hoe chrysopogon zizanioides, ahitra mikitroka midadasika  hita any amin'ny faritra mafana sy somary mafana ny maimbokely. Toy ny salohim-bozaka matevina be izy eo ambonin'ny tany, raha misy rafitra fakan-kazo betsaka ao ambany ao, matevina sy mifamatotra izay mitombo mitsangana hatrany amin'ny telo metatra kosa ny eo ambany.

Ny rafitry ny fakany be pitsony no mitazona ny firafitry ny tany ary manohana (mizaka) ny fotodrafitrasa manodidina azy, ka mahatonga azy io ho fitaovana fisorohana mahomby amin'ny fanalefahana ny tondra-drano, ny fifehezana ny fikoan-tany, ny fanamafisana ny havoana ary ny fanavotana ireo tany maloto. Ny antony iray hafa mampiavaka ilay bozaka dia ny fahazakany hain-tany sy tondra-drano.

Ny fakan'ny zava-maniry maimbokely tao amin'ny Canva Pro. The roots of vetiver plants, via Canva Pro.

Voaporofo tamin'ny fikarohana maro ny tombotsoan'ny maimbokely, tsotra, mora ary azo ampiasaina amin-javatra maro manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro any amin'ny firenena samihafa, fikarohana izay manamafy fa “mitàna anjara toerana lehibe amin'ny fanalefahana ny loza sy ny fampihenana ny faharefoana” izy io.

Mihamaro ankehitriny ny Trinbagoniana mahafantatra ny hatsaran'ny maimbokely noho ny ezaky ny fikambanana tahaka ny Vetiver TT, izay manampy amin'ny fametrahana fandaharan'asa fambolena manerana ny firenena. Na izany aza, milaza ny filohany, Jonathan Barcant fa tsy afaka miantehitra irery amin'ny orinasa toa azy fotsiny ny fisantaran'andraikitra. Mitaky fanohanana avy amin’ireo sampana nasionaly sy mpiara-miombon’antoka ara-bola ihany koa izany.

Amin'ny tolo-tanan'ny mpiara-miombon'antoka, tompondaka eo an-toerana sy ao amin'ny faritra sy ny sampana famatsiam-bola, nilaza i Barcant fa efa nanomboka nampiasaina tany amin'ireo nosy Karaiba hafa koa ilay zavamaniry. Na izany aza, mihisatra ny fampielezana na eo amin'ny faritra na eo an-toerana. Niaiky i Barcant fa “tsy mora sy vetivety ny mitondra fiovana sahaza amin'ny ankapobeny,” izay mety hanazava ny antony mampandeha tsikelikely ny fampiasana azy any Trinidad sy Tobago sy Karaiba miteny Anglisy. “Tsy midika izany fa tsy misy ny dingana vita, fa matetika miezaka ny hiangana sy ho tafavoaka ny olona.”

Notohizany hoe:

Unless there is true top-down leadership at the country level to drive the kind of change that we need to see, it can be quite difficult and slow for those working at the bottom, whether it be entrepreneurs or activists, to drive things as quickly as they are needing to happen.

Raha tsy misy ny tena mpitarika mitsinjo ny mpiasa madinika eo amin'ny seha-pirenena hitondra ny karazana fanovana tokony ho hitantsika, dia mety ho sarotra sy miadana ho an'ireo miasa any amin'ny farany ambany, na mpandraharaha izany na mpikatroka ny hitondra haingana ny zavatra araka ny tokony atao amin'izy ireo.

Mbola mitoetra anefa ny fanamby, na eo amin’ny fanatanterahana na eo amin'ny fanabeazana. Na dia tsy zava-baovao ao amin'ny faritra aza ny maimbokely, nanazava i Barcant fa misy ny fisaratsarahana ara-tsokajin-taona amin'ny fampiasana azy, ny zokiolona ohatra mahafantatra bebe kokoa momba ny tombontsoa azo avy aminy.

Singa manan-danja amin'ny fanatrarana ny fampiasana tsy tapaka ny zavamaniry ny fanabeazana. Ny Vetiver Education & Empowerment Project (VEEP)  dia mikendry ny hameno izany banga izany amin’ny alalan’ny fampiantranoana atrikasa izay mampianatra ny olona momba ny fampiasana sy ny tombontsoa azo avy amin’ny bozaka, sady mampiditra ny rafitra maimbokely amin’ireo vondrom-piarahamonina izay tena mila izany.

Notontosaina voalohany nandritra ny herintaona tao amin'ny vondrom-piarahamonina mpamboly be havoana ao Paramin, any avaratr'i Trinidad ny fandaharan'asa, izay nanomboka tamin'ny taona 2016. Niaraka tamin'ny atrikasa tsy tapaka an-dakilasy sy ny asa tanana,  nitarika fambolena vetiver miisa 25.000 izany fisantaran'andraikitra izany. Niitatra tamin'ny vondrom-piarahamonina 10 fanampiny manerana an'i Trinidad sy Tobago nanomboka teo ny fandaharan'asa, ary manampy amin'ny fanatrarana ny tanjon'i Barcant amin'ny fanentanana mielipatrana izany:

Nowadays, everyone knows what mangroves do for coastlines and the benefits they bring; one day everyone should also have knowledge and understanding about vetiver for land.

Amin’izao fotoana izao, fantatry ny rehetra ny entin’ny entin'ny ala honko ho an’ny morontsiraka sy ny tombontsoa entiny; indray andro any dia tokony hanana fahalalana sy fahatakarana momba ny vetiver ho an'ny tany koa ny tsirairay.

Raha ny marina, heveriny fa tsy maintsy apetraka ho fepetram-piarovana fisorohana ho an'ny olom-pirenena izany: “Tsy misy olona eto amin'ny tontolo tropikaly tokony hiatrika fanamby amin'ny fihotsahan'ny tany sy ny firongatry ny fikoan-tany any amin'ny fananany manokana na eo amin'ny fiaraha-monina misy azy, ary tsy mahafantatra fa misy ahitra vetiver ho azy ireo ho vahaolana”.

Miankina betsaka amin'izany, araka ny filazan'i Barcant, “ny ministeram-panjakana mahefa izay manohy mampiasa azy io bebe kokoa, amin'ny tetikasa fotodrafitrasa ary mampiroborobo sy manohana ny fampiasana azy amin'ny sehatry ny fambolena.” Ao anatin'izany dingana izany, maneho dingana iray mankany amin'ny lalana marina ny fiaraha-miasa toa ny ME-WE-GREEN, programa fanabeazana sy fanomezan-danja mikendry ny fampifanarahana ny fiovan'ny toetr'andro izay fisantaran'andraikitra iray eo amin'ny ONG IAMovement sy The Green Fund, sampana iray ao amin'ny Minisiteran'ny Fandrindrana sy Fampandrosoana.

Noho ny fiantraikan'ny orana farany tao Trinidad sy Tobago izay mbola mibahana amin'ny lohateny lehibe, tena ilaina ho an'ny fampandrosoana maharitra ny tontolo iainana ao amin'ny firenena na izany aza ny fampiasam-bola lehibe amin'ny maimbokely sy ireo vahaolana hafa momba ny fiovan'ny toetr'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.