
Mitovy teny ifampiresahana, mihetsika hanohana ny filoha voafidy any Brezila ary manameloka ireo fanafihana atao amin'ny paikam-pifidianana sy ny andry telon'ny firenena. Sary: Giovana Fleck/Global Voices
Niteraka fanamelohana avy amin'ny mpitondra maro ao Afrika mpiteny paortiogey ny fanafihana vao haingana tamin'ny toerana telo mihazona ny fahefana ao Brezila ho fanoherana ny famindram-pahefana am-pilaminana, saingy niteraka adihevitra momba ny fanamby demaokratikan'ireo firenena ireo ihany koa izany.
Ho voamarika mandrakizay ho andro mahamenatra eo amin'ny demaokrasia breziliana ny 8 janoary 2023. Notarihin'ireo mpanohana ny filoha teo aloha Jair Bolsonaro ny fanafihana ireo fahefana telo (Mpitsara, Mpanatanteraka ary Mpanao Lalàna), noho izy ireo tsy nanaiky ny voka-pifidianana tamin'ny taona 2022, ka nanapa-kevitra ny hanafika ireo andrim-panjakana miantoka ny fampandehanana ara-demokratika ao Brezila.
Raha ny amin'ireo firenena afrikana mpiteny paortiogey indray, niteraka fanehoan-kevitra mifanipaka ny hetsika, avy amin'ny mpitondra politika sy ny olom-pirenena tsotra. Ny ankamaroan'izy ireo dia fanehoan-kevitra manameloka ny hetsika manohitra ny demaokrasia ao Brezila, araka ny nasongadin‘ny filohan'i Angola, João Lourenço, tamin'ny alalan'ny fanambaràna navoakan'ny Fiadidiana Angoley tamin'ny naoty ofisialy:
Consideramos estas manifestações lamentáveis e reveladoras de um elevado grau de intolerância não compatível com as regras do jogo democrático.
Hitanay fa mahonena ireo fihetsiketsehana ireo ary manondro tsy-fandeferana avo tsy mifanentana amin'ny fitsipiky ny lalao demaokratika.
Misy firaisankina mitovy amin'izany avy amin'ny firenena iray hafa izay naman'i Brezila, amin'ity raharaha ity, dia i Cape Verde, izay nanambara tamin'ny alàlan'ny filohany hoe:
Condeno veementemente os atos violentos antidemocráticos e manifesto a minha solidariedade e apoio ao Presidente Lula da Silva e às autoridades legítimas da República Federativa do Brasil.
Manameloka mafy ny herisetra manohitra ny demaokrasia aho ary maneho ny firaisankinako sy ny fanohanako ny filoha Lula da Silva sy ny manampahefana ara-dalàna ao amin'ny Repoblika Federativan'i Brezila.
Avy any Mozambika, naneho hevitra ny filoha Filipe Nyusi nanameloka ny hetsika mamely ny demaokrasia. Nohamafisiny ihany koa ny tokony hiverenan'ny firenena ho amin'ny ara-dalàna faran'izay haingana:
Em nome do Povo, do Governo da República de Moçambique e no meu próprio, gostaria de exprimir a nossa total solidariedade para com o Povo irmão do Brasil, formulando votos sinceros de que o momento tempestuoso seja rapidamente superado, permitindo que o país prossiga firmemente com a sua agenda de desenvolvimento e convivência harmoniosa interna e no concerto das nações.Saudamos as medidas enérgicas do Governo de Vossa Excelência, visando pôr cobro a este atentado à ordem democrática e depositamos inteira fé no vigor e consistência das instituições democráticas do Brasil, bem como na perseverança do seu Povo para que a democracia emerja vencedora perante este desafio.
Amin'ny anaran'ny Vahoaka, ny Governemantan'ny Repoblikan'i Mozambika ary amin'ny anarako manokana ho anehoako ny firaisankinay feno amin'ny vahoaka rahalahy ao Brezila, maneho amin-kitsim-po ny faniriana mba ho resy haingana ny fotoan'ny tafiotra, ahafahan'ny firenena mitozo amin'ny tetikasany fampandrosoana sy ny fiaraha-miaina mirindra na anatiny na eo amin'ny sehatra iraisampirenena.
Arahabainay ny fepetra mafonja noraisin'ny Governemantanao mba hampitsaharana ity fanafihana ny lamina demaokratika ity ary matoky feno ny tanjaka sy ny fijoroan'ireo andrim-panjakana demaokratika ao Brezila sy ny fikirizan'ny vahoakany izahay, mba hivoahan'ny demokrasia ho mpandresy amin'ny ny fiatrehana io fanamby io.
Niitatra amin-javatra hafa anefa ireo fanehoan-kevitra tamin'ny rantin'ny Filoha Mozambikana, teo amin'ny mpikirakira aterineto sasany, indrindra tao amin'ny Facebook, mihaika ny zava-misy amin'izao fotoana ao Mozambika. Júlio Mutisse, mpikambana politika ao amin'ny antoko Frelimo nilaza hoe:
E aqui Camarada Presidente não se indigna pela violação dos princípios democráticos quando só a FRELIMO se pode manifestar porque todos demais são negados (mesmo com todos sinais de manifestação pacífica e por causas entendíveis [sic]).S. Excia tem que ser garante da Democracia aqui e defende-la a todo o custo. É para mim contraproducente quando se indigna com fenómenos longínquos atentados [contra] a democracia e se cala aqui. Afinal é nosso Presidente e garante da Constituição, ou não?
Ary eto an-toerana tsy tezitra amin'ny fanitsakitsahana ny fitsipika demaokratika ny Kamarady Filoha raha ny FRELIMO ihany no afaka manao fihetsiketsehana satria lavina avokoa ny an'ny hafa rehetra (na dia misy soritra fihetsiketsehana am-pilaminana sy antony azo takarina aza [sic]).
Tsy maintsy mpiantoka ny demaokrasia eto ianao ‘Son Excellence’ ary miaro izany amin'ny fomba rehetra. Tsy mamely amiko izany hoe tezitra amin'ny trangan-javatra hafa any lavitra any ianao nefa mangina amin'ny fanafihana [mamely] ny demaokrasia eto. Ianao rahateo no Filohanay sady mpiantoka ny Lalàmpanorenana, sa tsy izany?
Parabéns, Senhor Presidente, falou bonito! Porquê não usa essa retórica nos seus discursos a nação moçambicana. Senhor Presidente, existe um provérbio que diz” Se a barba do vizinho estiver a arder mergulha a sua”. Eu sugiro que o senhor faça isso” se hoje é Brasil, da próxima pode ser Moçambique, e o senhor não está tomando cautela para evitar!
Arahabaina Andriamatoa Filoha fa tsara ny teninao! Maninona raha mampiasa izany kabary izany amin'ny lahateninao amin'ny firenena Mozambikana ianao? Andriamatoa Filoha, misy ohabolana manao hoe: “Raha may ny volombavan'ny namanao dia atsobohy ao ny anao”. Manoro hevitra anao aho fa raha any Brezila izany androany, amin'ny manaraka mety ho Mozambika, ary tsy mandray fepetra hisorohana izany ianao!
O povo brasileiro quer uma resposta. Um Presidente que governa na injustiça não governa um povo, governa os bens. Deus vive e sempre viverá.
Mitady valiny ny vahoaka breziliana. Tsy mitondra vahoaka ny filoha mitantana amin’ny tsy rariny fa mitondra entana. Velona Andriamanitra ary ho velona mandrakizay.
C'est avec préoccupation que nous suivons les événements se passant à Brasilia. Condamnant l'usage de la violence contre la Présidence du #Bresil, le Congrès et la Cour Suprême, nous en appelons au respect de la démocratie et des institutions qui symbolisent la démocratie.
— Umaro Sissoco Embaló (@USEmbalo) January 8, 2023
Manaraka amimpanahiana ny zava-nitranga tany Brasilia izahay. Manameloka ny fampiasana herisetra atao amin'ny Fiadidian'i #Brazil, ny Kongresy ary ny Fitsarana Tampony, miantso ny fanajana ny demaokrasia sy ireo andrim-panjakana maneho ny demaokrasia izahay.