
Pikantsary teo amin'ny fantsona YouTube an'ny TV5 Monde.
Nandritra ny fitsidihana episkopaly ny Repoblika Demokratika an'i kongo (RDC) tamin'ny 31 Janoary ka hatramin'ny 3 Febroary, ohatran'ny toa nolazain'ny Papa François ankolaka ny ady mitranga ao Atsinanan'ny firenena.
Zakain'i RDC ny fifandonana ao Ituri sy Kivu-Avaratra, ao atsinanan'ny firenena amin'ny sisintany iraisany amin'ny Rwanda, efa ho roapolo taona mahery izao. Ny 20 Oktobra 2022, nihanafàna ny toe-draharaha teo amin'ny manampahefana ao RDC sy ireo mpikomy M23 izay miampanga ny manampahefana Kôngôley ho tsy manaja ny fifanarahana fandriampahalemana, nosoniavina tamin'ny Desambra 2013.
Araka ny filazan'i Bruno Lemarquis, tompon'andraikitra ao amin'ny biraon'ny mpandrindra ny fanampiana noho ny maha-olona ao amin'ny Repoblika Demokratika an'i Kôngô (RDC), mampiantrano olona nafindra anatiny miisa 237 000 ireo faritany roa ireo. Raha toa efa manakaiky ny 54% amin'ireo olona nafindra ireo no mipetraka miaraka amin'ny fianakaviana mpampiantrano, an'arivony hafa kosa no hita mialokaloka any anatin'ireo sekoly, hopitaly, fiangonana ary toerana vonjimaika hafa. Ankizy maherin'ny 76 000 ihany koa no tapaka fianarana.
Ny fanitsakitsahana ireo fifanarahana natao tamin'ny taona 2013 dia mitarika ihany koa ny fahafatesana olona an-jatony, ary manakana ireo fifampiraharahana maro mikasika ny mety ho fiverenan'ny fandriampahalemana ao amin'io firenena io ao amin'ny faritry ny Grands Lacs.
Ao anatin'izany toedraharaha henjana izany no nandraisan'i Kinshasa ny Papa François ho an'ny fitsidihana episkopaly tamin'ny 31 Janoary hatramin'ny 3 Febroary 2023, izay firenena katolika lehibe indrindra ao Afrika. Nandritra ny fandraisany fitenenana voalohany, nandefa hafatra politika ny Papa, nanandratra ny feony hanohitra an'ireo izay miafina any ambany aloka any sy mandrehitra an'ity ady izay naharitra ela loatra ity ka miteraka vokadratsiny mivantana amin'ny mponina, tahaka izay nolazainy ao anatin'ity lahatsary YouTube manaraka ity :
“ (…) taorian'ny fanjanahantany ara-politika, dia nirongatra koa ny “fanjanahantany ara-toekarena” nanandevo. Ity firenena ity, voaroba be mihitsy, dia tsy mahavita misitraka ny harena marobe ananany. Namonto rà ‘ireo diamondrany ny poizin'ny fitiavam-bola tafahoatra. Nefa mendrika ny hohajaina sy hohenoina ity firenena sy tanibe ity. Mendrika omena toerana sy hihenoina. Esory eto RDC ny tànanareo, esory aty Afrika ny tànanareo ! Atsaharo ny fanemporana an'i Afrika. Tsy toeram-pitrandrahana natao hakana harena izy, na tany horobaina (…)” ny Papa François.
Eny tokoa, firenena faharoa lehibe indrindra aty Afrika i RDC misy fanambanin'ny tany manankarena mineraly izay mampirongatra ny fitsiriritan'ireo mpitantana indostria maneran-tany.
Nohamafisin'ilay mpandalina ny heloka bevava sady mpanao gazety mpanao fanadihadiana, Steve Wembi teo amin'ny kaontiny twitter, ny tenin'i Papa François.
#RDC: « Mais ce pays et ce continent méritent d’être respectés et écoutés. Ils méritent espace et attention. Retirez vos mains de la RDC, retirez vos mains de l’Afrique! Cessez d’étouffer l’Afrique. Elle n’est pas une mine à exploiter, ni une terre à dévaliser (…)»Pape François pic.twitter.com/IvKFo0qIG6
— Steve Wembi (@wembi_steve) January 31, 2023
#RDC: «Nefa mendrika ny hohajaina sy hohenoina ity firenena sy tanibe ity. Mendrika omena toerana sy hihenoina. Esory eto RDC ny tànanareo, esory aty Afrika ny tànanareo ! Atsaharo ny fanemporana an'i Afrika. Tsy toeram-pitrandrahana natao hakana harena izy, na tany horobaina (…)” ny Papa François. pic.twitter.com/IvKFo0qIG6
Tsy mitovy hevitra ireo Kôngôley mikasika ny tenin'ny Papa
Tsy niandry ela ny fanehoankevitry ny Kôngôley tao anaty tambajotra twitter. Ny sasany mankasitraka ny toerana noraisin'ny Papa François ary mino ny teniny. Araka ny lazain'i Mbuyi Elonga, jeôpôlitisiana, mpikaroka sy mpanadihady ara-politika, mpianatra manomana Master en Sciences Po sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Louvain, dia mety hiresaka ankarihary amin'ny filohan'i Rwandais Paul Kagame, ny Papa. Eny tokoa fa nampangain'ny Filoha Félix Tsisekedi sy ny ampahany amin'ny vahoaka Kôngôley i Kagame ho manohana ny fikomiana nataon'ny M23.
Le Pape François s’adresse indirectement au dictateur @PaulKagame et je cite: «La RDC est le diamant de la création.. .
La violence et la haine sont des sentiments anti-chrétiens.. ». RDF/M23 arrêtez vos massacres au Congo🇨🇩 Retirez votre armée et milice terroriste M23 de la #RDC. pic.twitter.com/gSQ9hkkAzM— Mbuyi ELONGA (Géopoliticienne) (@MbuyiItela_fmi) January 31, 2023
Miresaka ankolaka amin'ilay mpanao didy jadona @PaulKagame ny Papa François ary tanisaiko : “I RDC no diamondran'ny famoronana.”N
Ny herisetra sy ny fankahalana dia fihetseham-po tsy kristianina..”. RDF/M23 atsaharo ny fandripahanareo ao Kôngô Esory ny tafika sy ny milisinareo mpampihorohoro M23 tsy ho ao #RDC. pic.twitter.com/gSQ9hkkAzM
— Mbuyi ELONGA (Géopoliticienne) (@MbuyiItela_fmi) 31 Janoary 2023
Ny hafa mbola misalasala mikasika ny fikasana tsara ananan'ny Papa ary misafidy hoe aleo izy tsy hiteny fanoharana fa afaka mitanisa anarana, sahala amin'izay marihan'ity mpiserasera ity :
Je m'attendais à un discours limpide et non énigmatiqu ou encore philosophique. Je serais content si le pape avait cité le chat par son nom !
— Trésor Ngando (@TresorNgando) January 31, 2023
Nanantena lahateny mazava aho fa tsy saro-pantarina na filozofika mihitsy aza. Ho faly aho raha toa ny Papa nanonona an'ilay saka tamin'ny anarany!
Trésor Ngando (@TresorNgando) 31 Janoary 2023
Ny sasany sahala amin'i Nestor Mukendi, mpisolovava ao amin'ny Biraon'ny fampanoavana ao Kinshasa Gombe, dia mandeha lavitra kokoa amin'ny fanondroana ny hevitr'i Papa ho lahateny fampiasan'ireo mpanao politika “mpandàla fiandrianana” izay mpitari-bato mivilam-bava rehefa miresaka amin'ny vahoaka mba hanafenana ny tànan-manempotr'izy ireo sy mandroba ny tanibe.
A qui s’adressent-ils? Un discours exenophobe utilisé par les politiciens ”souverainistes” pour masquer leurs mains qui etouffent et pillent le Continent, en l’espèce les Kivus mis en coupe reglée depuis 20 ans par les maï-maï, FDLR et officiers FARDC, et les politiciens locaux
— nestor mukendi (@nestormukendi) January 31, 2023
Mitodika amin'iza izy ireo e? Lahateny iray ‘exenophobe’ fampiasan'ireo mpanao politika “mpandàla fiandrianana” izay mpitari-bato mivilam-bava rehefa miresaka amin'ny vahoaka mba hanafenana ny tànan-manempotr'izy ireo sy mandroba ny tanibe, eto amin'ity tranga ity dia i Kivus izay fehezin'ny maï-maï, FDLR sy ireo manampahefana FARDC, ary ireo mpanao politika eo an-toerana nandritra ny 20 taona
— nestor mukendi (@nestormukendi) 31 Janoary 2023
Ahoana ny amin’ireo mpisehatra amin’ny fiainam-piarahamonina sy ara-politika eto amin'ny firenena?
Raha nitafa tamin'ny Radio Okapi, onjampeo Kôngôley iray, dia toa nijanona ho matoky tena ireo mpisehatra sasany amin'ny fiainana sôsialy sy pôlitikan'ny firenena ary mihevitra fa ny fitsidihan'ny Papa dia hitondra fanovàna mahomby ao RDC, raha jerena ny fanambaran'izy ireo teo amin'ny onjam-peo. Claude Bafwafwa, mpisolovava avy amin'ny fampanoavan'i Kinshasa/Gombe, dia faly fa ny Ray Masina no niangavy mba hampitsaharana ny fijalian'i RDC noho ny ataon'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.
“Nampitahain'ny Papa tamin'ny diamondra ny RDC. Rehefa mihiratra ny masoandro, dia tsy maintsy mamirapiratra izy ary mamirapiratra ho an'ny rehetra. Niantso ny governemanta izy mba hanakaiky ny mahantra.”
Julienne Lusenge, filohan'ny ONG Sofepadi, nandray tsara ny zava-misy hoe nofaritan'ny Papa mazava tsara “fandripahana olona adino” ireo famonoana olona natao tany Atsinanan'i RDC. Araka ny voalazany, tokony hanakana an'i Kigali tsy hanohy hisetrasetra amin'i RDC ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
“Tsy azon'ny vondrom-piarahamonina adinoina fa izy ireo no nangataka an'i Kôngô hanokatra ny làlana mba nahafahan'ireo Hery Demokratikan'ny Fanafahana an'i Rwanda ho Tonga taty aminay, izay tadiavin'i Kagame. Mila miteny aminy fotsiny isika mba ho any sy hifampiresaka amin'izy ireo mba hampisy fandriampahalemana. Amin'izay, tsy ho ao Kôngô intsony izy ireo ary tsy ho loza mitatao intsony.”
Ho an'ny anjarany, ny minisitry ny Indostria sy ny governora ao Kivu Avaratra, faritra manankarena amin'ny harena ankibon'ny tany izay amaharan'ny vondrona M23, Julien Paluku, teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio Okapi, dia nangataka ny Papa François mba hampiantso ireo izay mamafy fahafatesana sy faharavana ao antsinanan'ny firenena.
“Enga anie ny Ray Masina mba hiantso ireo rehetra mamafy faharavana sy fahafatesana eto RDC mba hitsahatra.” Re hatrany Vatican ny feon'ny vahoaka Kôngôley, ny fantsona andalovan'ny hafatry ny fijaliana ho re manerana izao tontolo izao”.
Araka izany, toa na dia niampanga ny herisetra amin'ny ankapobeny aza ny Papa, dia nandiso fanantenana ny ampahany tamin'ireo Kôngôley sasany izy tamin'ny nijanonany fotsiny teo amin'ny sehatra diplomatika madiorano.