Tontolon'ny mozika Tôgôley miditra anaty fanatontoloana, nefa tsy manary ny fototra niaviany

Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'i King Mensah.

Tôgô dia toerana iray ifanaretsahan'ireo gadona mozika ary koa zavamaneno nentindrazany tokamiavaka marobe.  Manankarena fitenimparitra maro efa mihoatra ny dimampolo isa ao an-toerana ihany koa ilay firenena, izay manome tontolona mozika maroloko mendrika ny hofantarina misimisy kokoa.

Efa nizaka hatry ny ela ny dindon'ny mozikan'ireo firenena hafa ao Afrika Andrefana, toa an'i Côte d'Ivoire sy Nizerià, fa tao ihany koa ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Frantsa, ary Etazonia, saingy tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 80 sy ny fiandohan'ny andian-taona 90 tany dia nanomboka tena nitrandraka izay mampiavaka azy amin'ny lafiny mozika ilay firenena. Na izany aza, ireo artista toa an-dry Bella Bellow, izay teraka tamin'ny 1 Janoary 1945 tao Tsévié, any atsimon'i Tôgô, ary nodimandry teo amin'ny faha-27 taonany monja, dia efa nametraka sahady ny vatofototry ny mozika tôgôley. Ramatoa io no iray amin'ireo Afrikana vitsy tamin'ny fotoan'androny nihira tao amin'ny lampihazon'ny Olympia, ilay malaza be ao Parisy. Ny Aprily 1966, nandray anjara izy tamin'ilay andiany voalohan'ny Fetibe Erantany ho an'ny Zavakanton'ny Mainty Hoditra natao tao Dakar, Senegaly. Nahavita ihany koa izy fitetezana an'i Eorôpa, ny tao Antilles, sy nandray anjara tamin'ilay Fetiben'ny Hira Malaza tao Rio de Janeiro ao Brezila. Tamin'ny 1969, nandrakitra ny rakikirany voalohany izy:Rockia“.

Ny lova napetrak'i Bellow dia notohizan'ireo artista toa an'i Julie Akofa Akoussah, Afia Mala, Jimi Hope Fifi Rafiatou, sy King Mensah Peter Solo, izay namorona ny fiangaly mozika Vaudou Game tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1990s. Amin'izao fotoana izao ireo artista fantadaza erantany ireo dia tafiditra ao anatin'ny tantaran'ny mozika  Tôgôley. Mifafy ary hamafisin'ny hiran-dry zareo ny fitiavana ananan-dry zareo manoloana ireo kolontsaina samihafa, ary ambarany ho ren-tany ho ren-danitra fa mifamatotra amin'ny razambeny ry zareo. Araka izany dia nataon'izy ireo ho sahaza ny tanandehibe ny marika Tôgô, tamin'ny alàlan'ny fanafàrana ireo mozika avy amin'ny fombandrazana sy ny kolontsain'ilay firenena. Ampiroboroboin-dry zareo ihany koa ny lovan'ny fiteny ao amin'ny fireneny, amin'ny alalan'ireo fiteny toy ny Ewe sy ny Kabyè. Ewe dia fiteny avy any atsimon'i Ghana, Tôgô, ary  Benin, ary ny fiteny Kabyè dia an'ireo ao avaratr'i Tôgô sy ilay artista, Wilfried A.

Ny mozika iangalian'i Afia Mala no vavolombelon'io harena mozikaly miampita sisintany io:

Andian-taranaka vaovao miangaly mozika : fifangaroan'ny an-tanandehibe sy ny erantany

Nanintona kokoa ireo andian-taranaka taty aoriana ireo mozika avy any amin'ny firenena hafa, ao anatina fanafangaroana mozikaly goavana. Ny fiantraikan'ireny mozika nafarana avy any ivelany ireny no nitarika ho amin'ny fahaterahan'ireo artista sy vondrona misafidy ny gadona somary an-tanandehibe kokoa: rap, Rn’B. Nanomboka tamin'ny 2005 izy io dia nandray anjara betsaka tamin'ny tena fahaterahana niaraka tamina anarana toy ny Ali-Jezz, Wedy, Small Poppy, Black Joe, Eric MC, Omar B, ny tarika Wezepe, The Seeds, 100Papiers, Maniac Team, Phenix, ary Toofan izay nitondra avo ny fanevan'ny mozikan'ny firenen-dry zareo. Avy eo koa ny faneva dia noraisin'ilay artista manana sanganasa misandrahaka amin-javatra maro, Fofo Skarfo avy ao amin'ny tarika La Source, Mic Flammez , Prince Mo ary ry Oneil Biatti, King’s izay nanohy ihany koa zotra roa mifanindran-dàlana tao amin'ny tafika an-dranomasina amerikàna.

Anisan'io andian-taranaka io ilay artista Prince Mo izay manafangaro gadona nentindrazana amin'ny mozika an-tanandehibe:

Ireto farany indray nony avy eo no namela ny toerana ho an'ny andian-taranaka iray tanora kokoa izay ahitàna ireo artista toa an’-dry Almok, Pikaluz, Santrinos Raphael, J Gado, Lauraa, Ghettovi izay mampientana mpankafy sy mpanjohy an'arivony maro. Tami'ny 2022, lasa hira nalaza araka izany ny Ghetto Love, hira iray an'ireo artista Lauraa sy Ghettovi:

Tena hita betsaka ihany koa ao Tôgô ireo gadona mozikaly hafa. Na dia manam-piaviana avy any Kôngô aza ny gadona rumba, mba nanana ireo anarana avy aminy koa ao anatin'ity sokajina mozika ity i Tôgô, toa an'i Alain Vierge, Gilberto. Ireto farany ireto dia naka ny aingam-panahiny avy amin'ireo artista sy tarika kôngôley tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 90s. Nampamirapiratra ny mozika “rumba” tao Tôgô izy ireo talohan'ny namelany ny toerana ho an'ireo tanora, ka isan'izany ny tarika Zedeka izay miezaka ny hametraka dian-tànana tôgôley sy maoderina amin'ny rumba kôngôley.

Ao anatin'ny sehatry ny mozika gospel, toy ireo artista nizeriàna sy ganeàna, dia manao ezaka ihany koa i Tôgô. Marobe ireo anarana hita mampirehareha ilay firenena, toy ny an'i Mawuto Tetey,  Noelie Elykem, Gospel RenyaAbitor Makafui, John sy Gifty Aziano.

Ny mozika tôgôley manaraka ny vanim-potoana ankehitriny dia henoin'ireo olona manana ny maha-izy azy sy toavin-teny, toa an'i Victoire Dogbe, praiminisitr'i Togo izay matetika mandefa ranty sy fampilaharana, izay averin'ireo media raisina indray avy eo mba ho anatin'ny “lahakirany” (playlist) ahitàna ireo artista tôgôley.

Fahafinaretana ny mizara aminareo ireto hira 20 ireto ato anatin'ny lahakirako TOGO, izay tena ahazoako fafiny be tokoa ny nihaino azy tamin'ity taona ity. Isaorana ity andian-taranaka artista vaovao ity noho ireo asa tsara kalitao ezahany ho tontosaina. Reharehanay ianareo. Tohizo ny asa goavana zalahy a!  pic.twitter.com/vnhX5LyB7a

Ny fifangaroan'ny mozika nentindrazana sy ny maoderina dia efa lasa ampahany tsy afaka misaraka intsony amin'ny maripamantarana mozikaly tôgôley izay lasa miha-fantatra manerana ny firenena sy erantany.

Jereo etsy ambany ny lahakira iray notsongaina tamin'ny mozika tôgôley ary tsidiho ny kaonty Spotify an'ny Global Voices mba hahazoanao mozika maromaro kokoa avy amin'ny tanibe Afrika sy any an-kafa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.