Miisa 37 niakatra 60.000: Mbola manjavozavo ny angon-drakitra ofisialy momba ny fahafatesana vokatry ny COVID-19 any Shina

 

Filaharan'ny olona eo ivelan'ny tranom-paty any Beijing. Pikantsary avy amin'ny BBC Chinese News tao amin'ny Youtube.

Nanambara ny manampahefana ara-pahasalamana ao Shina tamin'ny 14 Janoary 2023, fa nahatratra 59.938 ny fahafatesana vokatry ny COVID-19 tany amin'ny hopitaly hatramin'ny 12 Janoary tany Shina taorian'ny famahana ny fameperana amin’ ny COVID-19 tamin'ny 8 Desambra.

Maro no misalasala momba io tarehimarika io, araka ny tsindry hita maso amin'ny rafi-pitsaboana sy fandevenana ao amin'ny firenena tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Tsy mifanandrify amin’ny taham-pahafatesana any amin’ny firenena hafa koa ny isa. Araka an'i John Hopkins ao amin’ny Foibe Fanovozam-baovao momba ny Conorvairus ao amin’ny Oniversite, miovaova eo anelanelan'ny 334.05 (US) hatramin'ny 50.07 (Japana) ny isan'ny maty isaky ny mponina miisa 100.000. Araka ny nambaran’ny fikarohana any an-toerana, efa voan'ny COVID-19 noho ny fisongany toy ny tsunami fa 900 tapitrisa amin'ireo mponina miisa 1.4 lavitrisa ao Shina ary mety ho avo folo heny noho ny 60,000 ny isan'ny maty.

Teo aloha, 37 fotsiny ny isan'ny maty nambara tamin'ny fomba ofisialy hatramin'ny fiverenan-dalana tamin'ny politikam-pahasalamana tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra ka hatramin'ny voalohandohan'ny volana Janoary, ary miisa 5.241 ny fitambarany hatramin'ny niandohan'ny valan’aretina tamin'ny taona 2019. Nipoitra ny tarehimarika vaovao taorian'ny nilazàn’ny Firenena Mikambana misahana ny  Fahasalamana (OMS) ny filàna an'i Shina hizara angon-drakitra betsaka kokoa momba ny fihanaky ny COVID-19 manerana ny firenena.

Miisa 37 lasa 60.000

Ny filazan'i Shina tany am-boalohany fa 37 ihany no maty iray volana taorian’ ny fiverenan-dalana tamin'ny politikan'ny zero-COVID dia voatsikera mafy ho fomba fialana bala amin'ny fipoahana tahaka ny tsunami. Ho an'ireo namoy fianakaviana noho ny COVID tany amin'ny tanibe Shina, vazivazy mangidy ilay tarehimarika:

Raha hita fa tsy nitatitra afa-tsy fahafatesana vokatry ny covid miisa 37 ny teo anelanelan'ny 7 desambra sy 8 janoary ny manampahefana Shinoa, nizaka ny 5%-n'izany fahafatesana rehetra manerana ny firenena nandritra izany fotoana izany ny fianakaviambeko teto an-toerana. Malahelo

Vitsy no mahita izany fa azo itokisana na dia taorian'ny fanavaozana ny tarehimarika ofisialy tamin'ny 14 Janoary aza. Nilaza i Wang Yaqiu, lehiben’ny mpikaroka avy amin'ny Human Rights Watch (HRW) hoe:

Tsy nampino loatra ny isan’ny maty izay 37, ka mahita tarehimarika 60 000 izao ny AKS. Mba azo heverina ihany ilay 60.000, saingy mitovy amin'ny mampihomehy ihany izany satria mbola isa ara-politika izy io, fa tsy fiezahana ho marina.

Niezaka niatrika ny fanadihadian’ny vahoaka i Hu Xijin, mpanao fampielezan-kevitra sangany ao amin'ny Global Times vatsian'ny fanjakana vola, tamin'ny fanamafisana  fa ny isan’ny fahafatesana tany amin'ny hopitaly ihany no voalazan'ilay tarehimarika:

Azo antoka fa mihoatra ny 60.000 ny tena isan'ny maty tamin'ny COVID-19 any Shina hatramin'ny fiandohan'ny volana Desambra, satria ny maty tany amin'ny hopitaly ihany no nisaina tao amin’ny angon-drakitra ofisialy. Saingy ho ambany lavitra noho izany ny tombantombana ratsy indrindra. Nahitana fahafatesan'olona vitsy ny faritra sasany any atsimon'i Shina.

Tsy naharesy lahatra ireo zatra an'i Shina ilay tohan-kevitra. Araka ny nomarihan'ny maro, anisan'izany ilay bilaogera Shinoa malaza Fangshimin, fa mitotaly 35.519 ny fitambaran’ny isan'ny hopitaly ary miisa 973.265 ny tobim-pitsaboana eny ifotony manerana ny firenena. Midika ny tarehimarika 60.000 fa, amin'ny ankapobeny, latsaky ny roa ny fahafatesana vokatry ny COVID isaky ny hopitaly teo anelanelan'ny 8 Desambra ka hatramin'ny 12 Janoary.

Angondrakitra momba ny hopitaly sy ny fandevenana

Mpisera Weibo iray no naneso ny angondrakitra ofisialy tamin'ny tontolo manodidina ny fitsinjaram-pahefana ao amin'ny firenena, izay sampan-draharaham-panjakana misahana ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, anisan'izany ny tobim-pitsaboana:

中国一共有2843区县级行政单位,相当于平均每个区县的所有医院加起来也就因新冠死了21个人。看来中国的基础建设任重道远啊,一个月超额死亡21人都让一个区县的所有医院的太平间装不下,所有殡仪馆都排长队。 ​

Manana fitsinjaram-pahefana mitotaly 2.843 i Shina. Midika [ny tarehimarika] fa, amin'ny ankapobeny, tsy nandrakitra afa-tsy maty miisa 21 tamin'ny hopitaly rehetra [nandritra ny fe-potoana iray volana] ny fitsinjaram-pahefana tsirairay. Toa mila fotoana bebe kokoa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eto amin'ny firenentsika — miaraka amin'ny fahafatesana miisa 21 fanampiny ao anatin'ny fitsinjarana iray isam-bolana, feno avokoa ny tranom-paty any amin'ny hopitaly rehetra, ary tsy maintsy milahatra [ny maty] ho amin'ny tranom-paty.

Satria ambany dia ambany ny tarehimarika ofisialy ary tsy misy mahalala marina hoe firy ny olona maty, niezaka nanombatombana ny fiakaran’ny loza tamin’ny valan’aretina tamin'ny alàlan'ny fomba hafa ny olona sasany.

Tao amin'ny Weibo, nikaroka angondrakitra mifandraika amin'ny tranom-paty ny olona sasany mba hahazoana tombana. Araka ny antontan'isa ofisialy, manana tranom-paty miisa 1.722 fara fahakeliny ny firenena manana ireo mpandoro faty miisa 6.619 amin’ny fandoroana faty miisa 5,56 tapitrisa isan-taona. Midika izany, amin'ny antsalany, fa mikarakara fatin'olona miisa 2,3 ny mpandoro faty tsirairay amin’ny andro fiasana andavanandro.

Nanamarika ny mpisera Weibo iray fa afaka mikarakara faty fanampiny miisa 200.000-300.000 isam-bolana ny indostrian'ny fandevenana nefa tsy misy olana amin'ny fahafaha-manao izany satria mihoatra noho ny adiny roa latsaka ny fandoroana vatana iray. Na izany aza, taorian'ny nanafoanana ny fameperana COVID, dia nisy filaharana lava tany amin'ny tranom-paty rehetra manerana ny firenena. Maro tao amin'ireo tambajotra sosialy no nitaraina fa tsy maintsy niandry folo andro mahery izy ireo vao afaka nanao fandoroana faty.

Nandefa lahatsary mampiseho filaharana lava eo ivelan'ny tranom-paty ao amin'ny Nosy Chongming ao Shanghai i Xie Wanjun, mpisera Twitter:

Nandinika ny fahabetsahan'ny fandraisana nataon’ny tranom-paty tao Shina tamin'ny fampitahana ny sarin'ny zanabolana mampiseho ny fiantsonan'ny fiara sy ny lalana manodidina ny tranom-paty isankarazany manerana ny firenena taloha sy taorian'ny fiovan'ny politika ny fampahalalam-baovao sasany, toy ny gazety amerikana, The Washington Post:

Nandinika ny sary avy amin'ny zanabolana @Maxar nalaina tao Shina nanomboka tamin'ny volana Desambra ny @washingtonpost, izay nampiseho fitomboan’ny fifamezivezena tao amin'ny tranom-paty manerana ny tanàndehibe miisa enina.

Misy ny tombana hafa. Tamin'ny 29 Desambra, nanombatombana ny orinasan’ny angondrakitra ara-pahasalamana any Angletera Airfinity fa mihoatra ny 9.000 anatin’ny andro iray ny fahafatesan'ny COVID any Shina, ary nanombana ny fikambanana fa hahatratra 584,000 ny isan'ny maty amin'ny 23 Janoary 2023, ary ho manodidina ny 1,7 tapitrisa amin'ny faran'ny volana aprily, taorian'ny fialantsasatra Taom-baovao manara-bolana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.