
Kianjan'ny Faritra Mando any Hong Kong. Sary nalain'i Oiwan Lam
Na eo aza ny tontolony an-tanàndehibe dia toerana fijanonana manan-danja ho an'ireo vorona mpifindra monina i Hong Kong noho ilay faritra kely nefa mando ananany saingy tena voaaro tsara, indrindra fa ny Vala Ramsar ao Mai Po sy ny Inner Deep Bay.
Na izany aza, ny drafitr'asan'i Metropolisy Avaratra, izay mandrakotra faritra mando midadasika, tanin-jozoro, tanimbary ary dobon-trondro sy patsabe any amin'ireo Faritany Vaovao any avaratra, dia mety hanova ny tontolo natoraly sy handroaka ireo vorona mpifindra monina.
Isantaona, karazam-borona mpifindra monina maherin'ny 400, anisan'izany ireo karazana efa ho lany tamingana toy ny vano mainty tava, no mijanona ao amin'ireo faritra mando ao an-tanàna mandritra ny fisidinany amin'ny fahavaratra sy ririnina manaraka ny Zotran'ny Azia Atsinanana-Aostralaziàna.
Fanampin'ireo vorona mpifindra monina mitontaly 50 000 hatramin'ny 80 000, ilay faritra mando ao an-tanàna ihany koa dia fonenan'ireo biby an-drano eo an-toerana ary ny biby an-dranomasina sy an-tanety.

Vano mainty tava. Nampiasàna lisansa Wikipedia (CC BY-SA 4.0)

Godwit, voron-drano mainty rambo, karazana vorona mpifindra monina hita tao amin'ny valan-javaboahary amin'ny faritra mando ao Hong Kong. Tao amin'ny Wikimedia nampiasàna lisansa (CC BY-SA 4.0)
Manodidina ny 6 640 hektara eo ho eo ny faritra mando ao Hong Kong, ny ankamaroany dia manakaiky an'ny vavaranon'ireo renirano hifanenan'ny ranomamy amin'ny ranomasina, izay noararaotin'ireo mpanjanaka nanaovana dobon-trondro sy patsabe artifisialy ny tontolo voajanahary ary koa ireo fambolena an-drano hafa. Ireny tany lonaka ireny dia fonenan'ny biby an-drano, an-dranomasina sy an-tanety eo an-toerana, ary toerana ilaina hanovozana vatsy vaovao ho an'ireo vorona mpifindra monina, toa ny Voron-drano Mainty Rambo sy ny Vano Mainty Tava tsy fahita firy.
Amin'izao fotoana izao, ny 5 isan-jaton'ny velarantaniny sisa no rakotry ny faritra mando. Na nanao kajikajy stratejika aza ny governemanta ao Hong Kong mba hiarovana ireo faritra mando ao an-tanàna, dia manahy ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana fa mety hanimba ny hatsaran'ny tontolo voajanahary ny drafitra fampandrosoana vaovao any avaratr'ireo Faritany Vaovao, izay ahitana ireo toerana lehibe fikajiana ny faritra mando.
Nosatroham-boninahitra ho toy ny tsenan'ny fonenana azo ihoriranana eran-tany nandritra ny folo taona mahery, iray amin'ireo tanjona fototra ho an'ny mpampivoatra tanàna ny fiadiana fo mafy mba ahazoana tany hanamboarana trano sy faritra maitso eny akaikin'ireo faritra mando. Na izany aza, noho ny tsindry ataon'ireo vondrona maitso, motandrina be ny ao amin'ny Biraon'ny Drafitry ny Tanàna amin'ny fijerena ireo drafitra fampandrosoana mifandraika amin'izany.
Fitsapana ny fahavononan'ny governemanta amin'ny fiarovana ireo faritra mando
Ny ady nandritra ny telopolo taona teo amin'ireo mpampivoatra sy ny vondrona maitso mikasika ny tetikasa fampandrosoana ao amin'ny faritra Avaratry Nam Sang Wai, faritra mando misy valan-javaboahary ekôlôjika, dia toy ny fandrefy-tsindry handrefesana ny fahavononan'ny tanàna hiaro ireo faritra mando ananany manoloana ny tsindrin'ny fampandrosoana.
Ny Faritra Mando ao Nam Sang Wai dia valanjavaboahary iray fiarovana misy renirano voajanahary feno zozoro manampy amin'ny fanivanana ny ranon'ny renirano. Manodidina ilay faritra mando dia ahitana dobon-trondro, tany mando fambolena ary vohitra vitsy misy mponina. Kanefa ilay valan-javaboahary dia tena akaiky ny tanànan'i Yuen Long be mponina, ka noho izany dia azon'ny rehetra hidirana.
Our reporter had a relaxing day off at the very conveniently located Nam Sang Wai, where she was able to immerse herself in nature and enjoy rustic and picturesque views. https://t.co/WHvoOHtoBr
— Coconuts Hong Kong (@CoconutsHK) October 15, 2022
Nanana andro iray nitsaharana tsy niasa ny mpanao gazetinay tao Nam Sang Wai, tena mety tsara, izay nahafahany nilona tao anaty natiora sy nankafy ny tontolo tsara tarehysy ny fomba fiainan'ny eny ambanivohitra.
Hatramin'ny niroboroboan'ny tsenan'ny trano fonenana tamin'ny taona 1990 dia niharan'ny tsindry goavan'ny fampandrosoana ireo tany manodidina an'i Nam Sang Wai. Na izany aza, koa satria nanohitra ny fampandrosoana midadasika sy mifanizina be ao amin'ny faritra mando ny vondrona maitso dia nitandrina be ny governemanta tamin'ny fijerena ireo tetikasa fampandrosoana. Kanefa, nanomboka tamin'ny taona 2014 dia trano fandraisam-bahiny maro, sy toeram-pivarotana ary tetikasam-pandrosoana maro tsy fia nifanizina no nankatoaviny mba hamahana ny olan'ny tsy fahampian'ny trano fonenana tao an-tanàna.
Maro no matahotra sao hanjavona ireo faritra mando amin'ny farany noho ny fanompoana ny tsenan'ny fanorenana trano fonenana :
“In a few years, this will all be housing,” said one cyclist taking a break from riding around Nam Sang Wai, a 400-acre wedge of wetlands bounded by rivers and filled with fish ponds and reed beds. “People in Hong Kong only care about the economy.” https://t.co/o6nhUPQ4qQ
— The New York Times (@nytimes)
Afaka taona vitsivitsy, ho lasa trano fonenana daholo io rehetra io”, hoy ny nambaran'ny mpitaingina bisikileta iray niala sasatra avy nihodidina an'i Nam Sang Wai, faritra mando iray mirefy 400 hektara voafehin'ny renirano sy feno dobon-trondro ary zozoro. “Tsy mieritreritra afatsy ny toe-karena ny olona ao Hong Kong.” https://t.co/o6nhUPQ4qQ
— The New York Times (@nytimes)
Mbola ratsy kokoa, tao anatin'ny taona vitsivitsy, lasa avo sy mifanizina kokoa hatrany ireo trano fonenana natolotra tamin'ireo tetikasa vaovao ao Nam Sang Wai. Ny tetikasa iray vao haingana, ohatra, dia ahitana trano fonenana 50 mirentirenty be, ny sasany misy rihana 34. Ahian'ireo vondrona mpiaro tontolo iainana sao hanakana ny làlana fisidinan'ireo vorona mpifindra monina ireny trano avobe ireny.

Zavamaniry iray Impatiens chinensis, izay mahazatra ao amin'ny valan-javaboaharin'ny faritra mando ao Hong Kong. Nampiasàna ny lisansa Wikimedia (CC BY-SA 4.0)

Karazana lolomboasary, izay hita ao amin'ny valan-javaboaharin'ny faritra mando ao Hong Kong. Nampiasàna ny lisansa Wikimedia (CC BY-SA 4.0
Ny Zoma 3 Febroary 2023, natolotra ho jerena teny anivon'ny Birao misahana ny Fanajariana ny Tanàna ilay tetikasa. Sampan-draharaham-panjakana maromaro ihany koa, araka ny tatitra voaray, no efa nilaza ny heviny nanohitra ny tetikasa. Ny Departemantan'ny Fambolena, Jono ary ny Fitahirizana, ohatra, dia nanamarika fa hamotika dobon-trondro iray somary mavitrika ilay tetikasa fananganana trano fonenana mirentirenty, kanefa tsy nanao tombana ara-tontolo iainana na nanolotra drafitra fanonerana akory ireo mpanorina. Nanamarika ihany koa ny Departemanta misahana ny Fandrindrana ny Tanàna fa azo hajariana ho an'ireo trano fonenana vonjimaika io sombin-tany io ary mety hanakorontana ny drafitra ankapobeny fampandrosoana ny faritra Nam Sang Wai io tetikasa amin'izao fotoana io.
Mifanindran-dàlana amin'ny famatsiambola 100 lavitrisa HKD ho amin'ny fampandrosoana ny Metropolis Avaratra (manodidina ny 127 400 000 Dolara Amerikana) avy amin'ny governemantan'i Hong Kong, hetahetan'ireo mpanorina ny hanimbazimba sy hampiasa vola amin'ireo toerana voajanahary amin'ny faritra mando ho an'ny trano fonenany mirentirenty.
Anisany ao anatin'ny drafi-pandrosoana stratejika ao amin'ny faritra Greater Bay ataon'i Shina ny tetikasa fampandrosoana ny Metropolis Avaratra. Mandrakotra tany manodidina ny 30 000 hektara manaraka ny Reniranon'i Shenzhen sy Deep Bay izy io.
Na nilaza aza ny governemanta fa hametraka politikam-piarovana iray vaovao hiasa mavitrika ao anatin'ny drafitra fampandrosoana ny Metropolis Avaratra amin'ny alalan'ny famadihana ireo faritra mando 700 hektara sy dobon-trondro an'ny tsy miankina efa teo hatramin'izay ho lasa valan-javaboahary voaaro, ilay tetikasa fananganana maharitra 20 taona dia natao hanova ny faritra ambanivohitra ihany koa ho ambohipihaonan'ny teknôlôjia sy ny infôrmatika ary hanome trano fonenana ho an'olona 2,5 tapitrisa, izay efa ho avo roa heny amin'ny isan'ny mponina ao amin'izao fotoana izao.
Koa satria ny drafitra fanomezana trano fonenana dia napetraka ho laharam-pahamehana amin'ny fitantanana ny tanàna tarihin'ny Filoha Mpanatanteraka John Lee, ireo vondrona maitso dia tsy mahazo antoka raha toa ny governemanta hitazona ny fifandanjana eo amin'ny filàna fampandrosoana sy ara-tontolo iainana, indrindra raha toa tsy mbola tazana izay drafitra fiarovana mivaingana.