Nahoana no zava-dehibe ny fifidianana ao Paragoay

 

Sary nataon'i El Surti

I El Surti no namoaka ity lahatsoratra ity voalohany ary navoakan'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin'ireo fampitam-baovao ireo. Nampian'ny Global Voices famintinana fehintsoratra.

Tamin'ny 30 Aprily, nanatontosa ny fifidianana ankapobeny i Paragoay, izay nahazoan'i Santiago Peña avy amin'ny antoko mpandala ny nentin-drazana, ny Antoko Colorado, ny 42,7 isanjaton'ny vato tao anatin'ny fampielezan-kevitra feno fandisoam-baovao. Noho izany hitazona ny fitondrany ny firenena ny Partido Colorado izay notarihiny nandritra ny 76 taona farany, afa-tsy ny vanim-potoana nanomboka tamin'ny 2008 ka hatramin'ny 2013.

Tamin'io fifidianana io, nanohitra an'i Efraín Alegre sy ny antoko mpanohitra mpandala ny nentin-drazana, Concertación Nacional i Peña. Tamin'ny 3 Mey, nanameloka ireo hosoka goavana tamin'ny fifidianana ireo mpanohana ny senatera Paragoayana teo aloha, Paraguayo Cubas, izay laharana fahatelo tamin'ny fifidianana ary nifandona tamin'ny polisy ao Asunción. Na izany aza, tsy nisy porofo momba ny hosoka notaterin’ny manampahefana na ny fikambanana iraisam-pirenena nanara-maso ireo fifidianana ireo.

Na dia mety tsy ho voamarika any ivelan'ny firenena aza ireo fifidianana ireo, dia mbola manan-danja eo amin'ny sehatra iraisampirenena eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny angovo azo havaozina. Ireto ny sasany amin'ireo antony maha-zava-dehibe ireo fifidianana ireo na eo amin'ny sehatra nasionaly na iraisampirenena:

  • Satria tafiditra ao anatin'izany i Shina:

Sary nataon'i El Surti

Paragoay no hany firenena any Amerika Atsimo mbola manana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Taiwan. Na izany aza, mitombo ny fitakiana anatiny hanokafana ny fifandraisana amin'i Shina. I Shina no loharanon'ny fanafarana entana voalohany indrindra ao Paragoay, ka mahatratra ny 30 isanjato ny totalin’izany tamin'ny taona 2021.

Mijery an'i Taiwan ho faritany mpioko i Shina ary mitana ny heviny fa tsy manan-jo hametraka fifandraisana ara-panjakana ity firenena nosy ity. Takiana ny hampiharan'ny firenena rehetra manana fifandraisana ara-diplomatika amin'i Shina izany fijoroana izany.

Araka ny filazan'ilay mpahay toekarena, Fernando Masi, “mety ho betsaka kokoa ny herijika hananganana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Shina, ao anatin'ny dimy taona manaraka, miaraka amin'ny governemantan'i Alegre, noho ny an'i Santiago Peña” hoy izy. Amin'izao fotoana izao, nivoady ny filoha voafidy Peña fa hitazona ny fifandraisany ofisialy amin'i Taiwan.

  • Satria manana lanjany lehibe amin'i Etazonia izany:

Sary nataon'i El Surti

Tamin'ny volana Janoary, nametraka sazy noho ny kolikoly ho an'ny filohan’i Paragoay teo aloha, Horace Cartes,  ny Departemantan'ny Tahirim-bolan'i Etazonia, sy ho  an'ny filoha lefitry ny firenena ankehitriny Hugo Velázquez . Samy mpikambana ao amin'ny Partido Colorado izy roa ireo, ary i Cartes ihany koa no mpitarika ny antoko. Nisy fiantraikany tamin’ny mpifidy sasany tamin’iny fifidianana iny ny sazy azon'ireo mpanao politika ireo na dia nandresy indray aza ny Partido Colorado.

  • Satria mety hisy fiantraikany amin’ny tombontsoa ao an-toerana ihany koa izany

Tsy maintsy manapa-kevitra ny Kongresin'i Paragoay na hankatò na tsia ny fifanarahana mampiady hevitra miaraka amin'i Etazonia. Tafiditra ao anatin'izany ny famolavolana drafitra ahafahana mivoivoy amin'ny Reniranon'i Paragoay sy ny ampahan-drano azo ivoivoizana amin'ny Reniranon'i Paragoay-Paraná. Renirano lava mamakivaky an'i Brezila, Paragoay ary Arzantina ny Reniranon'i Paraná. Raha mitatitra ny 80 isan-aton'ny varotra ataony amin'ny alalan'ity lalana an-drano ity i Paragoay, dia nanoritra loza mitatao lehibe maro ny mpahay siansa fa mety hitera-doza ho an'ny rohivoary any Amerika Atsimo ny fananganana an'io lalana an-drano io.

Lasa lalantsara lehibe amin'ny fanondranana zavamahadomelina cocaine ihany koa i Paragoay ary iray amin'ireo mpamokatra sigara tsy ara-dalàna lehibe indrindra izay mihabetsaka hatrany amin'ity faritra ity. Iray amin'ireo mpamokatra rongony lehibe indrindra izy, na dia mbola tsy ara-dalàna aza izany any amin'ity firenena ity. Na izany aza, mety hanova izany ny volavolan-dalàna vaovao ao amin'ny Antenimieran-doholona.

  • Satria angovo betsaka no tandindonin-doza

Sary nataon'i El Surti

Amin'ny volana aogositra, handinika indray ny fifanarahana niandohan’ny orinasa mpamokatra herinaratra, Itaipu izay faharoa lehibe indrindra eran-tany i Paragoay sy i Brezila. Misasaka ny fananan'i Paragoay sy i Brezila an'ity tetikasa ity.

Itaipu no iray amin'ireo mpamokatra angovo azo havaozina lehibe indrindra eran-tany. Noho izany, zava-dehibe izy amin'ny fanodinana angovo.

  • Satria izy no rohivoary faharoa lehibe indrindra aorian'ny Amazona

Sary nataon'i El Surti Illustration

Mifandray amin'ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro any amin'io faritra io ny fandripahana ala ara-dalàna sy tsy ara-dalàna ao Chaco Paragoaiana. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nosimbain'ny doro ala sy ny hain-tany mahery vaika ny ala maina ao Gran Chaco. Araka ny fikarohana nataon'ny siantifika avy any Arzantina sy Alemaina, avo 19 heny noho ny noheverina teo aloha ny karbôna voatahiry ao amin'io faritra io. Tamin'ny volana Aprily 2023, nisioka ny fanohanany ny fanarenana ny tontolo iainana i Peña tao amin’ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.