Taiwan tsy navela hanatrika ny fivorian'ny OMS: Antsafa niarahana tamin'i Chen Hsin-Hsin, solontenan'i Taiwan

Pikantsarin'ny fantsona Youtube an'ny TaiwanPlus News

Raha manao ny fihaonambe erantany fanaony ho an'ny fahasalamana erantany (AMS) ny Organisation mondiale de la Santé (OMS), Taïwan kosa mbola mitohy miaina ny fandàvana ny fanatrehany ireo adihevitra fanalahidy momba ny fahasalamam-bahoaka erantany ao anatin'ny tontolo taorian'ny valanaretina.

Tena tsy manao kinanga ny fahasalamam-bahoaka i Taïwan: tamin'ny 1995, noforonin'io firenena io ny fiantohana ara-pahasalamana ho an'ny rehetra sy mahenika ny firenena,  ary nanomboka tamin'izay dia rafitra fikarakaràna ara-pahasalama nahomby no napetrany. Ankehitriny, ny salan'ny fahelàna velona ao Taïwan dia mihoatra ny 81 taona, iray amin'ireo ambony indrindra eto an-tany. Io laharam-pahamehana nomena ho an'ny fahasalam-bahoaka io dia azo adika ihany koa amin'ny fihazonana diplaomasia iray momba ny fahasalamàna.

Firenena 13 ihany no ananan'i  Taïwan fifandraisana amin'izao fotoana izao, saingy tsy tapaka ny mahita fomba ihany koa izy hiantohana ny fahitàna azy eny anivon'ny fianakaviambe iraisampirenena anatin'ireo sehatra isankarazany toy ny fanofànana ara-medikaly, fanampiana amin'ny ady amin'ny COVID-19. Asehon'i Taipe amin'izany ny fahavononany handray anjara amin'ireo rehetra vovonana iraisampirenena mifantoka amin'ny fahasalamam-bahoaka, na eo aza ny fanakanana ny fanatrehany ny Fihaonambe Erantany ho an'ny Fahasalamana nokarakarain'i OMS, izay atao isantaona ary ao Genève no atao amin'ity indray mitoraka ity, ny 21 hatramin'ny 30 mai.

Efa hatry ny taona maro, marobe ireo mpikatroka no mitaky amin'ny ONU hanome an'i Taïwan ny sata maha-mpanaramaso mba hahafahan'io firenena io mandray anjara amin'ireo vovonana iraisampirenena, isan'ireny ireo adihevitra momba ny fahasalamam-bahoaka. Ny ONU dia mamaritra ny sata maha-mpanaramaso ho toy ny “tombondahiny iray omen'ireo fikambanana sasantsasany ho an'ireo tsy mpikambana ao aminy mba hahafahan'izy ireny mandray anjara amin'ireo hetsika ataon'ilay fikambanana”.

Tao amin'ny Zoom, Global Voices dia nitafa tamin'ny teny anglisy tamin'ny solontenan'i Taïwan ao Pays-Bas Chen Hsin-Hsin, diplaomaty iray za-draharaha sy manampahaizana manokana momba an'i Eorôpa, mba hahatakarana tsara ny toerana noraisin'i Taipei manoloana ilay fandàvan'ny AMS tsy hanasa an'i Taïwan handray anjara amin'ireo adihevitra mahakasika ny rehetra, isan'izany ireo 23 tapitrisa ao Taïwan.

Sarin'i Chen Hsin-Hsin solontenan'i Taïwan ao Pays-Bas , fampiasàna nahazoana alàlana.

Filip Noubel (FN): Toa sahala amin'ny tsy dia mazava loatra ny momba ireo dingana ahafahan'i Taïwan mahazo indray ny sata maha-mpanaramaso azy ao amin'ny AMS. Ahoana ny hevitrao momba io resaka io? 

Chen Hsin-Hsin (CHH): The rules are quite clear: the constitution of the WHO does not really allow for observer status, but the highest decision making  body, that is the WHA, has rules of procedures allowing under rule number 3 that the Director General may invite any states to participate. And there is clear evidence of this since Taiwan was indeed invited to be an observer from 2009–2016 at a time when Margaret Chan was WHO Director-General. Taiwan received an invitation and for eight years, our Ministry of Health was allowed to participate in WHO discussions.

Each year since 2017, we have tried very hard to knock on the door but never got an invitation. This despite the COVID-19 pandemic, and the fact that the WHO states its mission is “health for all.” So this is really incomprehensible. 

Chen Hsin-Hsin (CHH): Azo lazaina ho mazava ihany ny fitsipi-dalao : tsy tena mamela ny hisian'ny sata maha-mpanaramaso raha ny lalàmpanorenan'ny OMS, saingy ilay rantsana ambony indrindra mpandray fanapahankevitra, izany hoe ny AMS – Assemblée mondiale de la Santé – dia manana fepetran-dingana, araka ny fitsipika faha-3, ahafahan'ny tale jeneraly manasa izay firenena tiany handray anjara ao. Ankoatra izay, misy porofo mivaingana momba izany satria tamin'ny 2009 hatramin'ny 2016 i Taïwan dia nasaina ho mpanaramaso, fony naha-tale jeneralin'ny OMS an'i Margaret Chan. Tamin'izany fotoana izany, nahazo fanasàna ôfisialy i Taïwan, ary nandritra ny valo taona, ny ministeranay misahana ny fahasalamana dia nahazo alàlana handray anjara tamin'ireo adihevitry ny OMS.

Nanomboka tamin'ny 2017, nandramanay isantaona ny nandona varavarana tao amin'ny OMS, saingy tsy nahazo fanasàna mihitsy izahay. Izany dia na teo aza ny fisian'ny valanaretina sy ny zavanisy hoe ny OMS milaza fa “ny fahasalamana ho an'ny daholobe” no iraka tontosainy. Tena tsy takatry ny saina.

FN: Amin'izao fotoana izao dia ao Genève ny minisitry ny fahasalamana ao Taïwan, ny Dr Hsueh Jui-yuan, na dia tsy nomena alàlana aza izy handay anjara amin'ireo adihevitra. Inona no tanjon'io fitsidihana io ao anatin'ny toedraharaha tahaka izany ?

CHH: It is important to be physically present in Geneva, as it demonstrates how ready and willing Taiwan is to enter the conference, and yet was refused entry. We are waiting outside for the door to open, this is very symbolic. 

Our Minister will also be joining and co-organizing various fora to meet with counterparts on emergency medicine, mental health and other issues. This is a rare occasion to meet counterparts. We also want to be there to thank all our allies and diplomatic partners who have spoken up for Taiwan.  

Our diplomatic allies have always been very vocal about Taiwan’s participation in the WHO and the WHA. We have also seen other allies expressing growing support, such as Canada, the Czech Republic, the US who in the first sessions of this year WHA have all stated publicly and clearly that it is unacceptable that Taiwan remains excluded. Taiwan needs to be included into an international network for public health.

CHH: Zavadehibe ny hita vatana ao Genève, satria izany dia mampiseho hoe hatraiza ny fahavononan'i Taïwan handray anjara amin'ilay kaonferansa, kanefa dia fandavàna azy tsy handray anjara na amin'inona na inona no hitany. Miandry eny ivelany izahay mba hivoha ny varavarana, tena fihetsika marika io.

Hanjohy sy hiaraka hikarakara ihany koa ireo vovonana maro ny minisitray, mba hifampiresaka amin'ireo mitovy aminy momba ny fitsaboana hamehana, ny fahasalaman'ny saina ary lohahevitra maro hafa. Fotoana tsy fahita firy ny fihaonana tahaka izany amin'ireo mpiara-miasa maneran-tany. Tianay ihany koa ny maha-eo anay mba hisaoranay ireo mpiaradia sy ireo mpiaramitan-tsoroka diplaomatika taminay, izay nandray fitenenana nanome rariny ho an'i Taïwan.

Ireo mpiaradia ara-diplaomatika aminay dia naneho mandrakariva imasombahoaka ny filàna mamela an'i Taiwan ho hita ao amin'ny OMS sy ny AMS. Nahita ihany koa izahay mpiaradia hafa naneho fanohanana mitombo hatrany, toa an'i Kanadà, Repoblika Tseky, Etazonia izay,  nandritra ny fiodinana voalohany tamin'ny AMS, samy nanambara imason'ny rehetra sy tamin'ny fomba mazava fa tsy azo ekena ny fanilihana an'i Taïwan. Tokony hampidirina ao anatina tambajotra iray irasampirenena momba ny fahasalamam-bahoaka i Taïwan.

FN: Inona avy ny fivoarana vitan'ny rafitra ara-pahasalamana ao Taïwan ? Aiza ho aiza izao ilay fandaharanasa “Taiwan Can Help” (Afaka Manampy i Taïwan) naparitaka ivelan'i Taïwan ?

CHH: When it comes to universal health care, Taiwan is one of the world’s champions. It is compulsory, well managed and also very affordable. “Taiwan Can Help” is our way to help out other nations, we distributed masks to the Czech Republic, but also to the Netherlands — over 80 countries received our aid during the pandemic. We also have been sending medical missions to our diplomatic allies and training doctors and nurses via our ICDF body. [Taiwan’s International Cooperation and Development Fund]

CHH: Amin'ny resaka fikarakaràna ny fahasalaman'ny erantany,  iray amin'ireo tompondaka erantany i Taïwan. Rafitra tsy maintsy arahana “obligatoire” io, tsara tantana ary mora vidy. Ny “Taiwan Can Help” dia ny fomba ataonay hanampiana ireo firenena hafa: nizara sarontava izahay ho an'ny Repoblika Tseky, fa koa tao Pays-Bas — mihoatra ny 80 ireo firenena nisitraka ny fanampianay nandritra ny valanaretina. Nandefa ihany koa izahay iraka ara-pahasalamana tany amin'ireo mpiaradia ara-diplaomatika aminay, ary nanofana ireo mpitsabo sy infirmiera tamin'ny alàlan'ny rafitray ICDF. [Tahirimbola Fiarahamiasa sy Fampandrosoana Iraisampirenena]

FN: Inona no tsy maintsy ovàna mba hahafahan'i Taïwan ho isan'ireo ao anivon'ny OMS sy hahafahany mandray anjara amin'ireo adihevitra fanalahidy hafa?

CHH: There is one thing we like to remind the rest of the world. When China refers to the UN resolution 2758  [when the People’s Republic of China replaced the Republic of China  based in Taiwan] saying that Taiwan is not able to participate in any UN agencies. If you read this resolution, the name of Taiwan does not appear in that document, there is no mention of what happens next in terms of participation for Taiwan in regard to its status or name. Beijing’s claim is thus misleading, it is important to go to the origins of the problem and address the lack of provisions for the future to allow for Taiwan to participate in any form.

CHH: Misy singa fototra iray tsy azo ialàna tianay hampahatsiahivina an'izao tontolo izao. Rehefa milaza ny amin'ny fehinkevitra faha 2758 ao amin'ny ONU i Shina [rehefa nalain'i Repoblika Entimbahoakan'i Shina ny toeran'ny Repoblikan'i Shina nisy tao Taïwan], tamin'ny filazàna fa tsy afaka intsony i Taïwan ny handray anjara eny anivon'ireo masoivohon'ny ONU. Raha mamaky io fehinkevitra io ianareo, tsy hita ao anatin'izany antontan-taratasy izany ny anaran'i Taïwan, tsy misy mihitsy filazana momba izay hiseho aoriana, amin'ny resaka fandraisana anjaran'i Taïwan, momba izay satany na ny anarany. Mamitaka araka izany ny fanamafisana ataon'i Pékin, zavadehibe ny hiverenana mijery izay niandohan'ny olana sy mitsabo ny tsy fahampian'ireo fepetra ahafahan'i Taïwan mandray anjara ao amin'ny ONU, amin'ny endriny rehetra.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa ny fipetraky ny pôlitika ao Taïwan, vakio ny  fandrakofana manokan'ny Global Voices (amin'ny teny anglisy): Highlighting Taiwan's international invisibility

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.