Yoweri Museveni namoaka lalàna famoretana mahatonga ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ogandey ho tandindonin-doza goavana

 

Sarin'ny fihetsiketsehana iray nataon'ny vondrompiarahamonina LGBTQ tao Ogandà, fantsona  YouTube Africanews

Ny olana Mey 2023 dia manamarika fiolahan-dàlana iray eo amin'ny andavanandron'ireo vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao Ogandà, toerana izay ahitan-dry zareo ny fampidirana am-ponja sy ny fanamelohana ho faty mananontanona ny fiainan-dry zareo taorian'ny 2 Mey nankatoavan'ny antenimiera lalàna iray. Tsarain'ireo mpiaro zon'olombelona sy ny fianakaviambe iraisampirenena ho tena famoretana tafahoatra, io lalàna tamin'ny 29 Mey 2023 vao avy nankatoavin‘ny filoha, Yoweri Museveni, teo amin'ny toerany hatramin'ny 1986 io.

Fanambaràna ôfisialy natao tao amin'ny kaonty Twitter-n'ny fiadidiana any lapam-panjakana.

Nankatoavin'ny filoha @KagutaMuseveni ny volavolan-dalàna 2023 manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy (fahapelahana). Lasa lalàna 2023 manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy izy anomboka izao. pic.twitter.com/fDQpmE2W9X

— State House Uganda (@StateHouseUg) 29 Mey 2023

Fihetsehampo manohitra ny LGBTQI+ any an-tampon'ny Fanjakana

Matetika irao parlemantera ogandey no maka fomba fijery hiringiriny manoloana ireo pelaka, noho ny antony fiarovana ireo soatoavina nentindrazana momba ny fianakaviana, kolontsaina ary finoana ara-pivavahana.  Toy izany no nankatoavan-dry zareo voalohany tamin'ny 21 Martsa 2023 ny lalàna iray milaza sazy henjana fampidirana am-ponja ireo pelaka. Noho ny tsindry avy amin'ny fianakaviambe iraisampirenena, nanome baiko i Yoweri Museveni, ny hamerenana mijery ny votoatin'ilay lalàna.

Fa tsy nampilefitra ny filoha ogandey ireo tsindrin'ny mpamatsy vola, mpampindram-bola sy ireo mpiara-mitan-tsoroka amin'ny fireneny izay niantso fanasaziana, indrindra fa ara-toekarena, raha toa ka laniana ilay lalàna. Ny mifanohitra amin'izay aza, nomeny ny tsodranony ilay tolokevitr'ireo parlemantera. Izany tokoa, tsy  mbola namofompofona fahamasinana mihitsy i Yoweri Museveni nanoloana ireo vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao Ogandà, izay lazainy fa « faty mitsangana » na « maty tapaka » tamin'ny fampiasàna ny fomba fiteny ao an-toerana hoe “Ekifire”.

Tamin'ny 2014, efa nandraman'i Museveni ny nampandany lalàna iray manohitra ny fahapelahana, niaraka tamin'ny fanohanan'ireo evanjelika amerikàna. Tamin'izany fotoana izany, ilay tolodalàna dia avy amin'i David Bahati, solombavambahoaka avy amin'ny antoko eo amin'ny governemanta Mouvement de Résistance Nationale (MRN), ary avy eo nosoniavin'i Museveni talohan'ny nitsipahan'ny fitsaràna momba ny lalàm-panorenan'ny firenena azy tamin'ny 1 Aogositra 2014.

Aina an'aliny maro tandindonin-doza

Midika ny fankatoavana ity lalàna ity fa manomboka izao dia tandindonim-pahafatesana ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ . Araka ny fanazavan'ity lahatsoratry ny VOA ity:

Na izany aza, ao anatin'ilay lalàna vaovao, notazonin'ireo parlemantera,  mifanohitra amin'ny fijerin'ny filoham-panjakana, ny andalana iray milaza ny “fahapelahana tafahoatra” ho heloka faratampony, mahatonga ireo izay mpamerin-keloka hiharan'ny fanamelohana ho faty.

Manampy trotraka izany ny dona ara-tsaina maharitra, araka ny fanazavana ao amin'ny fanadihadiana iray an'i BBC Afrique, nataon'i Ali (anarana indramina mba hanafenana ny mombamomba azy), Ogandey pelaka. Tsy te-hahita azy intsony ny ray niteraka azy, toy izany koa ny fiarahamonina misy azy. Teo amin'ny fandraisampeon'ny BBC Afrique, mitantara izy:

Hoy ny raiko tamiko : Tsy te-hahita anao intsony aho mandrakizay. Tsy zanako ianao. Tsy te-hanana zanaka tahaka anao aho. (…) Tamin'ny 2020, nanao bemidina tao amin'ny toeram-pialofana ny pôlisy. Nilahatra izahay ary niantso anay ny vahoaka mba hijerena ny tavanay, hanesoana sy hanalàna baraka anay. Nororàn'ny olona izahay. Rehefa tonga tany am-ponja, efa nahafantatra sahady ny tantaranay ny sasany tamin'ireo voafonja. Tany anaty gazety no namakian-dry zareo izany. Tsy maintsy nandà nilaza ho tsy pelaka izahay ho fiarovanay ny ainay.

Loharanon'aingampanahy ho an'ny firenena hafa ve?

Tena faran'izay mampalahelo tokoa ny nandaniana ity lalàna ity satria mety handrisika ireo firenena afrikàna hafa haka fepetra tahaka izany koa, araka ny fanazavan'i Robert Waffo, mpikatroka ao anatin'ny sampana afrikàna ao anivon'ny International Lesbian, Gay, Bisexual, Trans and Intersex Association (ILGA) ao anatin'ity lahatsary fanadihadian'ny Africanews ity:

Araka ny vaovao avy amin'ny ILGA naverin'ny Tv5Monde nozaraina,  toa an'i Afrika Atsimo, izay mpisava làlana tamin'ny fankatoavana ireo lalàna miaro ny pelaka ao amin'ny tanibe, dia firenena 15 ( Mali, Burkina-Faso, Niger, Botswana, Lesotho, Mozambique, Madagascar, Angola, Congo, République Démocratique du Congo, Centrafrique, Gabon, Côte d'Ivoire, Guinée Bissau, Bénin) no nanao ny maha-pelaka ho tsy heloka ao anatin'ny lalàm-panorenan'izy ireo. Firenena dimy hafa (Ghana, Sierra Leone, Namibie, Zimbabwe, Eswatini) no namela amin'ny ampahany ny maha-pelaka, raha mihoatra ny 20 kosa ireo firenena manameloka azy io tanteraka amin'ny fampidirana am-ponja.

Ao Ogandà, io faneriterena ny fahalalahan'ireo LGBTQI+  io dia lova avy amin'ny fanjanahan'ny Britanika izay notahirizin'ireo manampahefana ogandey tao anatin'ny lalàna ady heloka ao amin'ny firenena, ao amin'ny andininy faha-145. Hoy ilay andininy:

Tsy ara-dalàna ny maha-pelaka, ary “izay rehetra firaisana ara-nofo mifanohitra amin'ny natiora dia voaràra daholo”.

Fanehoankevitra mahery vaika

Eny anaty tranonkala, tsy niandry ela ny fanehoankevitr'ireo Ogandey. Ho an'ireo mpankahala pelaka, fanapahankevitra tsara ilay noraisin'ny filoha ogandey. Miteny i Mr Jordan, tanora ogandey mpikatroka:

Satria loza mananontanona henjana ho an'ny fitohizan'ny taranak'olombelona ny maha-pelaka.

Misaotra Andriamatoa filoha hajaina, tamin'ny fanomezana anatra ny zanak'olombelona amin'ny fitarihana ny andraikitra hiarovana ny Afrikàna amin'io fikorosiana fahana sy fahapotehana io.

— 𝐌𝐑. 𝐉𝐎𝐑𝐃𝐀𝐍 (@MrJordanposts) 29 Mey 2023

Avy amin'ny ankolafin'ny vondrompiarahamonina LGBTQI+, toy ny fanapahankevitra tsy manara-dalàna no niainany izany, izay manaisotra ny zony amin'ireo pelaka. Araka ny lazain'i Shaun Mellorspelaka iray afrikana tatsimo, ho valinteny ho an'i Museveni:

Andriamatoa filoha, inona no nahazo ny Sata Afrikàna momba ny zon'ny olona tsirairay sy ny zon'olombelona – izay nosoniavinao : « Ny olombelona rehetra dia manana zo amin'ny fanajàna ny fiainany manokana sy ny fahamendrehany. Tsy misy olona azo sakànana tsy hisitraka io zo io amin'ny fomba tsy ara-dalàna. »  Hahery anie isika mianakavy #LGBQI

— Shaun Mellors (He/Him) (@ShaunMellors) 29 Mey 2023

Fanoherana manerana ny tany

Miaraka amin'ity fanapahankevitra ity, omen'ny filoha ogandey lamosina ny fianakaviambe iraisampirenena manontolo sy ireo fikambanana iraisampirenena nitondra ny fanampian'izy ireo ho an'ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao Ogandà. Vao lany ilay lalàna dia efa nisy ny fampitambaovao avy amin'ireo tomponandraikitra iraisampirenena nanameloka io lalàna io.

Ho an'i Volker Türk, kaomisera ambony ao amin'ny ONU misahana ny zon'olombelona:

« Ny fandaniana ity lalàna manavakavaka ity, izay angamba ny ratsy indrindra eto ambonin'ny tany, dia fivoaran-javatra faran'izay mampanahy tokoa».

Tigere Chagutah, talen'ny Amnesty faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, kosa nanombana hoe:

« Ity lalàna tsy mazava, narafitra tamin'ny fomba manjavozavo ity, dia manameloka na dia ireo “mampiroborobo ny fahapelahana” aza. Tena hamehana ny tokony hampiasàn'i Museveni ny vato tsy azo ivalozana amin'io lalàna mahatsiravina io. Hampiorina ny fanavakavahana, ny fankahalàna ary ny fitsarana an-tendro » atao amin'ny vondrompiarahamonina  LGBTQ+ io».

Antony Blinken, lehiben'ny diplaomasia amerikàna niampanga ny fandaniana io lalàna io. Hoy izy ao amin'ny Twitter:

Ny lalàna manohitra ny firaisan'ny mitovy taovam-pananahana, nankatoavin'ny parlemantera ogandey omaly dia hanohintohina ireo zo fototry ny Ogandey rehetra, ary mety hampitsimbadika ireo zavatra efa azo tao anatin'ny ady tamin'ny VIH/SIDA. Manainga ny governemanta ogandey izahay mba hiverina hijery akaiky ny fametrahana io lalàna io.

— Secrétaire d'État Antony Blinken (@SecBlinken) 22 Martsa 2023

Ireny onjam-panohanana ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ao  Ogandà ireny dia mety hisy fiantraikany amin'ny fifandraisany amin'ireo Tandrefana mpanome fanampiana sy mpampiasa vola tadiavin'i Yoweri Museveni homena tombondahiny.

Izany tokoa, tamin'ny Aprily 2022, ny angondrakitra vonjimaika navoakan'ny Bank of Uganda, dia mametraka ny trosam-panjakan'ilay firenena ho 74.714,4 lavitrisa shilling (manodidina ny 20 lavitrisa USD), izany hoe 48,8 % amin'ny harinkarena faobe. Ireo tena mpamatsy vola ny firenena dia i Etazonia amin'ny alàlan'ny USAID, ny Fiombonambe Eoropeàna, ny Fanjakana Mitambatra, ny Banky Iraisampirenena ary ny FMI.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.