Tatitry ny Unfreedom Monitor : Filipina

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Filipina tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno

Taorian'ny 1986 nanonganana ilay mpanao jadona teo aloha, Ferdinand Marcos, dia voapetraka indray ireo andrim-panjakana demaokratika ao Filipina. Izany tsy midika anefa hoe afaka nampihatra ireo zo fototra sy ny fahalalahana ny vahoaka filipiana nanomboka teo.

Tamin'ny May 2022, nandresy tamin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ilay zanakalahin'i Marcos sy mitovy anarana aminy (voapentin'ny filazàna fisiana hosoka marobe tamin'ny fifidianana) tamin'ny alàlan'ireo fampielezankevitra marobe fandisoana vaovao, fividianana vato sy hosoka tamin'ny fifidianana. Toa an-drainy ihany, niditra tamin'ny fampiharana ny tsirefesimandidy i Marcos Jr., na tamin'ny nomerika ary ny saropady kokoa aza satria nampiarahina tamina fandisoana vaovao tsara tohana ara-bola sy tsara tefy.

Nandritra ireo taona enina farany, nihatery ny habaka sivily tao Filipina satria namoahan'ny fitantanan'i Duterte sy Marcos Jr. lalàna manohintohina ireo fahalalàhana izay efa sarotra be ny nahazoana azy. Anisan'ireny ny Lalàna iadiana amin'ny asa fampihorohoroana, izay misy andàlana momba ny fanarahamaso nomerika sy manasazy “ny fandrisihana ny olona hanao asa fampihorohoroana,” ary ny Lalàna Tsy Maintsy Anoratana ny karatra SIM, izay itakiana amin'ireo rehetra mampiasa finday mba hanoratra ny torohay mombamomba azy zareo manokana.

Tamin'ny fanesorana ny lalàna miaramila, ireo lalàna roa ireo dia miteraka fahangolena eny anivon'ny vahoaka sy manakenda izay rehetra endrika fanoherana. Ny lalàna momba ny fanalàm-baràka ao Filipina dia arangaranga ho fitaovam-piadaiana anoherana ireo matianina avy amin'ny media mpanakiana sy ny tsy miankina. Voarakitra tao anatin'ny fitantanana vaovaon'i Marcos Jr ny fanafihana mpanao gazety sy fikambanana media, fitohizan'ny toedraharaha efa nisy fony fitondràn'ilay filoha teo alohany, Rodrigo Duterte. Teo anelanelan'ny 30 Jona 2022, andro nandraisan'i Ferdinand Marcos Jr. ny fitondràna, sy ny 31 Desambra 2022, naharakitra tranga niisa 38 fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ny National Union of Journalists of the Philippines (NUJP) – Sendika Nasiônalin'ireo mpanao gazety ao Filipina.

Hita anatin'ireo endrika hafan'ny tsirefesimandidy nomerika ny kabarim-pankahalàna tsy mitsahatra miseho amin'ny endrika “redtagging” (fomba fanao hanosorana ireo olontsotra sy vondrona ho toy ny mpiray petsapetsa amin'ny kaominista), ireo heverin'ny goverenemanta ho fahavalony, ary ireo fanafihana an-tserasera toy ny fanemporana lohamilina amin'ny alàlan'ny tolotra (DDoS) sy ny fibahanana tranonkala.

Ampiasaina miaraka amin'ny fampielezankevitra voarindra natao ho fanalàna baràka sy vita lamina tsara ireny tetikady ireny. Noraisina ho toy ny “patient zero” (marary atao sorona) amin'ny resaka fandisoana vaovao amin'ny endriny nomerika ilay firenena, araka ny  fanadihadiana iray tamin'ny 2018 avy amin'ireo akademisiàna Jonathan Ong sy Jason Vincent Cabañes. Nabaribarin'ilay fanadihadiana fa mandany pesos an-tapitrisa maro ireo pôlitisiàna mba hanakaramany mpandoto rindrina ho an'ny fampielezankevitr'izy ireo.

Nandritra ny fampielezankeviny tamin'ny fifidianana ho filohampirenena, niantehitra betsaka tamin'ireo sehatry ny media sôsialy i Ferdinand Marcos Jr. indrindra fa ny Tiktok, YouTube ary Facebook, mba hanodinkodinana ny zavanisy momba ny rainy, ilay mpanao jadona efa nodimandry, Ferdinand Marcos, sy ny harena be azon'ny fianakaviany tamin'ny tsy rariny. Ireo mpandoto rindrina ampiasainy, etsy ankilany, namely ny mpifanandrina aminy, sy izay rehetra sahy nametraka firaketana an-tsoratra momba ny fitondrana jadona nampiharin-drainy nanomboka tamin'ny 1972 ka mandra-pialan'ny fianakaviany teo amin'ny fitondràna tamin'ny 1986. Io fandisoana tsara rindra ny vaovao io no voaporofo fa antony iray nahazoan'i Marcos Jr. ny toerana maha-filoha, hoy ireo mpandalina.

Ankehitriny efa eo amin'ny fitondràna, ampiharin'i Marcos Jr. ny tsirefesimandidy nomerika mba hanafoanana ny mpanohitra. Mijoro manohitra ireny fandrahonana sy fanafihana ireny ireo mpiaro zon'olombelona.

Vakio ato. ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika ny Unfreedom Monitor.

Hitroka PDF momba ny tatitra Filipina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.