Faritra avaratra atsinanan'i Niger, lasa fialofana ho an'ireo mpitsoa-ponenana mandositra ny fanafihana mitam-piadiana ao Sahel.

Zanak'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Tchintabaraden tamin'ny Janoary 2023. Sary an'i Khamed Najim, nahazoana alàlana

Ao anatin'ny ady amin'ny asa fampihorohoroana ao Sahel, ho an'ny Tandrefana dia i Nizera izao no lasa mpiara-miombona antoka ho azy. Taorian'ny fisintahan'ireo andian-tafika frantsay tamin'ny Barkhane tao Mali tamin'ny Aogositra 2022, sy Burkina-Faso tamin'ny Martsa 2023, lasa tobim-pamaharana vaovaon'ny tafiky ry zareo Tandrefana mamita iraka fampandriana tany ao Sahel izao ny firenen'i Mohamed Bazoum, filoha hatramin'ny 2020.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny ady ao Sahel, vakio ny Nanova ny tetikadiny hiatrehana ny fanafihan'ireo jihadista i Burkina Faso

Raha ny marina dia fifandirana pôlitika sy ara-pinoana ilay ady ao Sahel izay mandrehitra efa ho firenena folo ao Afrika Andrefana, isan'ireny i Mali, Burkina-Faso, Maoritania, Côte d'Ivoire, Tchad, ny avaratr'i Nizerià, ny avaratr'i Bénin, ny avaratr'i Tôgô. Izy io dia ifanandrinan'ireo vondrona mitam-piadiana sy ny governemanta any amin'ireny firenena ireny.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny ady ao Sahel, vakio ny Fitambaran'ireo vondrona mpitaky fizakantena ao Mali, mety vao mainka hanasarotra ny olana pôlitika sy ny fiarovana

Manamafy ny fitomboana amin-kerin'i Nizera ao amin'ny faritra ny nandraisany ireo andian-tafika frantsay voaroaka avy any Burkina-Faso sy Mali, ny fandraisany anjara tamin'ny famotsorana an'i Olivier Dubois, frantsay mpanao gazety sy i Jeffery Woodke, amerikàna mpiasa ho an'ny maha-olona, nataon'ireo vondrona mitam-piadiana ho takalon'aina, ary ireo asam-piarovana hafa marobe. Saingy mametraka ilay firenena ho anaty toedraharaha manahirana ihany koa ny olan'ny tsy fandriampahalemana any amin'ireo firenena mpiray vodirindrina aminy.

Na dia miatrika indraindray ireo fanafihan'ny djihadistes aza i Nizera, isanandro izy dia mandray mpitsoa-ponenana an'aliny maro avy amin'ireo firenena mpiray sisintany, ny ankamaroany avy any Mali. Hatramin'ny nialàn'ny tafika Barkhane, lasa marefo ny faritra avaratr'i Mali ary ao amin'ny faritra Ménaka dia marobe ireo toeram-ponenana ambany fifehezan'ireo mpampihorohoro. Ny tanànan'i Ménaka dia azo ambara ho eo am-pelatanan'ny  Fanjakana Islamika manontolo ao amin'ny Grand Sahara (EIGS) izay mikatsaka ny hanao fahirano manodidina io tanàna misy mponina mihoatra ny 70.000 io.

Araka ny voalazan'ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana miahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR), tamin'ny 31 Martsa 2023, Maliàna mpitsoa-ponenana mihoatra ny 20 000, Nizeriàna mpitsoa-ponenana manodidina ny 16 000 ary teratany avy ao Nizera mihoatra ny 3.000 niverina nody, no voarakitra tao amin'ny faritr'i Tahoua, any amin'ny 375 km eo ho eo ao avaratra-atsinanan'i Niamey, renivohitry ny firenena.

Ireo mpitsoa-ponenana mandositra ady avy ao Mali sy Burkina-Faso dia raisina ihany koa ao an-tànanan'i Tchintabaraden (any amin'ny 125 km eo ho eo ao avaratra-atsinanan'ny faritr'i Tahoua, sy any amin'ny 480 km avaratra-atsinanan'i Niamey). Mba hahatakarana tsara hoe anatina toedraharaha toy ny ahoana no ikarakaràna io fandraisana mpitsoa-ponenana io, ny Global Voices  dia nanao tafa WhatsApp tamin'i Khamed Kili Kili Najim, mpanolotsain'ny kaominina ao amin'ny kaominina an-tanandehibe ao Tchintabaraden.

Jean Sovon (JS): Na isan'ireo firenena ao Sahel aza izy, toa tsy dia mizaka loatra ny fanafihan'ireo “djihadistes” i Nizera. Ahoana no hanazavànao an'izay? 

Khamed Najim (KN) : Ny pôlitikan'ny governemanta  ao Nizera no tsy maintsy isaorana, izay nisafidy ny hiaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka rehetra, eorôpeàna, amerikàna ao anatin'io ady amin'ny asa fampihorohoroana io. Amin'izao fotoana izao dia izy no firenena tsara aro indrindra ao atsimon'i Sahel satria tsy misy na iray aza olompirenena  avy ao Nizera nandeha nandositra ny fireneny mba hitady fialofana any rehetra any. Vao haingana aho no nandalo tany avaratry ny firenena mba hijery ny fitosak'ireo Maliàna mpitsoa-ponenana tonga isanandro ao Tchintabaraden. Ny fahamarinan-toerana pôlitika asehon'i Nizera sy ny fiarahany miasa amin'ireo mpiara-miombona antoka rehetra ho amin'ny fampandrosoana sy ny ady amin'ny fampihorohoroana no manome azy izay tombony izay.

JS: Io tombony io dia ahafahany ankehitriny mandray mpitsoa-ponenana tonga avy amin'ireo firenena mpiray vodirindrina. Tsy atahoranareo ve hoe io fandraisana vahiny io dia mety hisarika ny sain'ireo vondrona mitam-piadiana izay mety hanafika an'i Nizera?

KN: Izay indrindra, atahoranay izany, saingy tsy manan-tsafidy izahay. Tchintabaraden dia iray amin'ireo kaominina lehibe indrindra ao avaratr'i Nizera, maro an'isa ao ny Touaregs. Ny kolontsaina Touareg dia mametraka ny adidy fandraisana vahiny sy ny fanajàna ireo fepetra iraisampirenena. Mahazo toky izahay satria miasa ny fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy manao izay hifehezana ireny mpitsoa-ponenana ireny dieny eo am-pahatongavana sy mandritra ny fipetrahany.

JS: Atahorana ve ny mety hisian'ny fifanenjanana noho ny fiaraha-mipetraka, eo amin'ireo mponina eo an-toerana sy ireo mpitsoa-ponenana?

KN : Amin'izao fotoana izao aloha dia apetraka daholo ny fitaovana rehetra ilaina mba hitondrana ho an'ireny fianakaviana ireny ny fanampiana ilainy ho an'ny fivelomany sy hahafahan'ireo ankizy an'aliny maro mahazo fikarakaràna sahaza sy fidirana an-tsekoly. Tsara marihana fa ny sasany dia eo an-dalam-pifindràna ho any Alzeria sy Libia. Momba ny mety hisian'ny fifanenjanana indray, tsy antony hisian'ny krizy anatiny ao Nizera raha io. Mahazo toky izahay rehefa manaraka eo tsy tapaka ireo manampahefana, manentana ireo mpitsoa-ponenana sy ny mponina eo an-toerana momba ny firaisankina sôsialy, ny fiarahana miaina ary ny fisorohana ny fifandonana. Izay rehetra fanahy tsara sy maha-olombelona manana ny toetra araka an'Andriamanitra dia tokony hirehareha hanampy ny mitovy aminy na ireo afrikàna rahalahiny. Ary izany indrindra no ataonay ao Tchintabaraden

JS: Inona avy ny tohana azon'i Nizera avy amin'ireo firenena tandrefana ho entiny miatrika ny djihadistes?

KN : Amin'ny ady ataony amin'ny djihadistes, miaraka miasa amina mpiara-miombona antoka marobe i Nizera, tsy ny Tandrefana irery ihany. Ankoatra ireo mpiara-miombona antoka toa an'i Frantsa sy Etazonia (izay efa manana toby famaharana roa stratejika ao amin'ny firenena), eo koa i Tiorkia, India ary Shina. Mandray anjara daholo amin'ny sehatra marobe ireny mpiara-miombona antoka ireny, indrindra fa ny fiarovana, ny fanofànana, ny fitaovam-piadiana ary ny fitsikilovana.

JS: Mariky ny fitomboana amin-kery ananan'i Nizera ve izany?

KN: Tsy isalasalàna, io toedraharaha io dia mariky ny fitomboana amin-kerin'i Nizera. Fahiny, ireo firenena mpiray vodirindrina no nisitraka io tombontsoa io noho ny toerana stratejika misy azy ireo miaraka amin'ireo firenena matanjaka. Fa ny krizy tato ho ato dia nanome ny firenenay ny fahafahana hipetraka ho toy ny mpisehatra goavana ao anatin'io ady amin'ny asa fampihorohoroana ao Sahel io. Tanatin'ny fotoana fohy, nahavita zavatra izy, izay nanome toky ireo firenena matanjaka. Antenaintsika fa mbola hanao misimisy kokoa izy, mihoatra noho izay efa nataony tao Sahel. Mahatsiaro fitoniana eto amin'ny firenena izao ireo mpitsoa-ponenana. Ankoatra izay dia tsy misy na iray aza terataany avy eto Nizera nandeha nandositra ny fireneny hikaroka fialofana any rehetra any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.