Tantara mikasika ny Mozika
Nanoratra hira rap mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniny novoina ilay mpikatroka manohitra ny fitondrana miaramila ao Myanmar
"Te hamorona sangan'asa haharitra aho ary mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniko, raha maty alohan'ny hahombiazan'ny revolisiona."
20 taona nampiakarana an'i ‘Mandu’ tao anatin'ny Jazz
“Tany am-piandohana izahay dia nifanehatra tamin'ny fisalasalana sy fifanjevoana mikasika ny jazz, saingy ankehitriny kosa dia tsy mila hazavaina izany, napetraky ny ny Jazzmandu ho eo anaty sarintany ny jazz sy i Katmandou."
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.
Ao Bénin, ireo vehivavy no tena manome laza ny mozikan'ilay firenena
Na eo aza ny fahamaroan'ny karazana mozika mihodina kokoa amin'ireo gadona sy dihy nentindrazana, mbola sahirana mitady ny toerany eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny mozika beninoà
Mozika senegaly: mari-pamantarana nasionaly izay miondrana amim-pahombiazana lehibe
Tena nanjakan'ny mozika vahiny, fa ankehitriny ny mozika senegaly dia nahavita naka ny toerany teo amin'ny sehatra nasiônaly, ary avy eo iraisampirenena, manoloana ilay marika nasiônaly any ivelany
Fahafatesana mahatsiravin'i Mohbad : Ny rariny sy fanamelohana no takian'ireo Nizeriàna
Mihoatra ny 260.000 ireo olona nanao sonia ny fanangonantsonia iray ho fandraràna ny Marlian Music, marika fandraketan'ilay mpihira gadona Afrobeats
Mitaky ny rariny sy tamberin'andraikitra ny Nizeriana taorian'ny nahafatesan'ilay mpanao rap Mohbad
Olona maherin'ny 260.000 no nanasonia fanangonan-tsonia mitaky ny fandraràna ny Mozika Marlian, ilay marika firaketana an-tsoratra taloha an'ilay mpihira Afrobeats.
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #06
Ato anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto : ny nouba, "Bienvenue" fitny frantsay kanadiàna ary ny sapologie.
Ao Azia Afovoany, ho firaisankina amin'i Okraina dia nofoanana ireo kaonseritra saika hataona Rosiana olo-malaza mpankasitraka ny ady
Mifanohitra amin'ny an'ireo governemanta ao Azia Afovoany, izay manjavozavo ankehitriny ny toerana raisiny, naneho mazava ny fijoroana pôlitikany ireo olom-pirenena tsotra ao amin'ny faritra, tamin'ny nanehoany ny firaisankinany amin'i Okraina
Denyse Plummer, ilay mpanjakavavy tsy nampoizin'ny calypso ao Trinidad & Tobago, mamela lovam-pitiavana, fiderana ary fitiavan-tanindrazana
"Nopotehany ny sakana ary nosokafany ny làlana ho an'ireo vehivavy mpanao calypso, tamin'ny fanehoana fa ny herin'ny feon'ny olona iray dia mihoatra lavitra noho ny maha-lah sy vavy ary ny tantara niaviana."