Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2014

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Febroary, 2014

28 Febroary 2014

GV Face: Ankoatra ny Gangnam Style – Ny Fanapenam-Bava Sy Ny Mozika Pop Koreana

GV Face

Nantsoina hoe “fanondranan'entambarotra lehibe indrindra” ao Korea Atsimo. Lahatsary be mpijery indrindra ao amin'ny Youtube ny hira K-pop Gangnam an'ny PSY. Saingy ambadiky ny rendrarendra sy ny karama misavovona, tsy fahafinaretana avokoa izany rehetra izany rehefa manao ny asany ireo mpanasivana ao Korea Atsimo. Miresaka amin'ilay mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny...

24 Febroary 2014

Miandry Ny Hahita An'i #WorldBoss Ho Afaka Madiodio Na Ho Voaheloka Ry Zareo Jamaikana

Tsy mbola misy didim-pitsarana mivoaka momba ny fitsarana ny raharaha vonoolona Vybz Kartel , saingy tsy mahatombina miandry izay hivoaka eo ry zareo Jamaikàna - sady mibitsika mikasika izay mety hiseho eo anelanelany eo.

18 Febroary 2014

Fetiben'ny Hiram-Pitiavana Avy Any Karaiba

Efa mahazatra ny fanakonan'ny Fetibe ny fankalazana ny Andron'ny Mpifankatia any amin'ny faritra maro ao Karaiba, noho izany dia nihevitra ny ekipan'ny Global Voices Karaiba fa mety hahafinaritra ny hampivady ireo fomba roa ireo - tsilalaonteny.

17 Febroary 2014

Bilaogi-Mozika 5 Miresaka Momba ny Sehatry Ny Hira “Underground” Ao Shina

Misy ny tarika mpihira Shinoa miasa amin'ny fantsom-baovao tsy voaramason'ny governemanta, miezaka ny hanangana feo mahaleotena amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra an-kira ao Shina.

16 Febroary 2014

Nibodo Ny Sezan'ny Sinema Higafiana Ny Andron'ny Mpifankatia Ny Shinoa Tsy Manan'Olon-Tiana

Nilaza ny iray amin'ireo mpanomana ny fibodoana fa maro tamin'ireo mpandray anjara no nanao izany mba hahitana namana vaovao, manantena hamadika ny "kivazivazin-kapoka" ho "fihaonana tampoka".

11 Febroary 2014

Gadona Toy Inona No Eny An-dalamben'i Espaina?

Fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “The sound of the streets” - "Ny gadon'ny arabe" maneho ny endriky filôzôfian'ny asa sy ny fiainan'ireo artista dimy mpivazo an-dalambe ao Espaina.

04 Febroary 2014

SARIPIKA: Olombelon'i Okraina Nandritra Ny Fihetsiketsehana #Euromaidan

Andao hojerena ny lafiny ao amin'ny fihetsiketseham-panoherana ny governemanta ao Okraina, antsoina hoe Euromaiden tsy mba asehon'ny gazety be mpanaraka.