Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Janoary, 2012
Kolombia: Hira Amin'ny Gadona Salsa Manakiana Ny Rafi-Pitaterana Aotobisy Haingam-pandeha
Hira amin'ny gadona salsa sy lahatsary iray no mitantara ny mafy iaretana izay ahafantaran'ireo mpampiasa azy ny fandehanana lavitra amin'ireo rafi-pitateram-bahoaka Transmilenio ao Bogota.
Peroa : Mozika Krismasy Afro-Peroviana
Ny Krismasy, fankalazana iray izay nentin'ny Espaniola tao Peroa tany amin'ny fanombohan'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, dia neken'ireo vondrom-piarahamonina samihafa tao amin'ny firenena tsikelikely nandritra ny taona maro. Iray amin'ireny indrindra , ny vondrom-piarahamonin'ny mainty hoditra, izay saiky niara-tonga tamin'ireo Eropeana, sady Kistianina mafàna fo, no nahavita nampiditra ny maha-izy azy tao amin'ilay fety, naneho ny zavatra niainany manokana tanaty asa famoronana ara-javakanto natao ho fanomezam-boninahitra ilay fety.
Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap
Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo....