Avy amin'i Oluwapelumi Adewole
Taorian'ny fahafatesan'i Ilerioluwa Oladimeji Aloba, Nizeriana mpiangaly mozika, 27 taona, fantatra amin'ny anarana hoe Mohbad, niparitaka nanerana ny media sosialy ny onjan'adihevitra sy fiampangana, nahatonga valinteny lehibe avy amin'ny mponina Nizeriana. Nampitombo fitakiana amin'ny fandraràna sy fisamborana ny mpandrakitra rakikira taloha an'i Mohbad, Marlians Music ny adihevitra.
Namorona tenirohy ny Nizeriana ary nanao fihetsiketsehana an-dalambe mitaky ny polisy hijery ny antony nahafaty an'i Mohbad.
Nifanaiky tamina mari-pamantarana firaketan-kira, izay an'ilay mpiangaly rap Nizeriana mampiady hevitra, Azeez Adeshina Fashola, aka Naira Marley, tamin'ny taona 2019 ilay Nizeriana mpiangaly rap sady mpihira. Nambaran'ilay mpanakanto Afrobeats ny fialany tamin'ny marika firaketana tamin'ny 25 Oktobra 2022. Namoaka fanambarana ny ekipany misahana ny raharaham-pitsarana, izay milaza fa ny fialàn'i Mohbad dia vokatry ny famelezana tsy an-kijanona izay voalaza fa nataon'i Naira Marley, sy ny tambin-karama tsy voaloa nanomboka tamin'ny taona 2019.
Nandritra izany fotoana izany, efa nisy fotoana nisamborana an'i Naira Marley noho ny heloka bevava maro anisan'izany ny hosoka sy ny heloka an'habaka, ny fandrobana, ny herisetra ara-nofo ary ny maro hafa tany Nizeria, ary koa tany UK.
Mohbad’s demise was confirmed on September 14, barely a year after his contentious split with his record label. Before Mohbad’s death, he recorded a viral video holding Naira Marley accountable for what he believed would be his impending death.
Nohamafisina tamin'ny 14 Septambra ny fahafatesan'i Mohbad, efa ho herintaona taorian'ny fisarahany nampifanditra tamin'ny marika firaketany hira. Talohan'ny nahafatesan'i Mohbad, nandrakitra lahatsary niparitaka be nilaza ny maha tompon'andraikitra an'i Naira Marley amin'ny fahafatesana mirantiranty an-tampondohany izy.
If i die na marlain music Kee me -
Mohbad pic.twitter.com/Zu1fxn1F3J— Gowies (@Badgowies) September 14, 2023
Raha maty aho mozika marlain Kee namono ahy – Mohbad
Tamin'ny 27 Jona, nametraka fitoriana an'i Sam Larry (sakaizan'i Naira Marley) tany amin'ny Polisy Nizeriana i Mohbad noho ny voalaza fa fanafihana nandritra ny lahatsarin'ny hirany vaovao mitondra ny lohateny hoe “Mamindra kaonty (Account balance).”
Fotoana fohy taorian'ny nahafatesany, nanomboka nivezivezy an-jotra ny horonan-tsary sy sary, milaza fa misy ny porofo sasany mampiseho fa mety misy ifandraisany amin'ny lehibeny taloha, Naira Marley, sy ny naman'ny lehibeny, Alubarika Eletu Balogun, fantatra amin'ny anarana hoe Sam Larry ny fahafatesany.
Noho ny tsindry avy amin'ny vahoaka Nizeriana, nanambara tao amin'ny X (Twitter taloha) ny governemantan'ny governoran'ny Fanjakan'i Lagos, Babajide Sanwoolu fa nanomboka fanadihadiana momba ilay raharaha ny governemanta.
I would like to assure everyone that I am not oblivious to the sad passing of Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad).
We have been closely working behind the scenes with relevant authorities, and keenly following the ongoing investigations.
However, in order to boost the… pic.twitter.com/fZn8GIDr85
— Babajide Sanwo-Olu (@jidesanwoolu) September 19, 2023
Te-hanome toky ny rehetra aho fa tsy manadino ny fahalasanan'i Ilerioluwa Oladimeji Imole Aloba (Mohbad).
Niara-niasa akaiky teny an-toerana niaraka tamin'ireo manampahefana voakasik'izany izahay, ary nanaraka tsara ny fanadihadiana natao.
Na izany aza, mba hanamafisana ny… pic.twitter.com/fZn8GIDr85
Niantso ireo ray aman-dreny sy ny tanora, ary koa ireo mpiala voly tamin'ny alalan'ny kaontiny Instagram tamin'ny lahatsary mivantana ilay mpilalao sarimihetsika Nizeriana, Iyabo Ojo, mandrisika azy ireo hanohana azy amin'ny famoriam-bahoaka hitakiana ny rariny mba hikatsahana ny rariny araka ny tokony izy ho an'ny maty sy ny fitsarana ireo mpamono azy. “Ny ray aman-dreny rehetra, na lahy na vavy, izay malahelo noho ity zava-nitranga ity, ireo tanora rehetra izay tena nalahelo noho ny fahafatesan'i Mohbad, dia hifidy daty isika. Mizotra mankany amin’ny biraon’izy ireo isika satria mila ny rariny. Fihetsiketsehana milamina izany ary manome zo antsika hanao fihetsiketsehana ny lalàmpanorenantsika”, hoy izy.
Na izany aza, nisy tanora Nizeriana sasany nidina an-dalambe tampoka mba hitaky ny rariny ho an'i Mohbad. Naneho firaisankina, nampiseho ny afisy sy ny sarin'i Mohbad sady nihira mafy ho an'ny rariny ireo mpanao hetsi-panoherana, miisa an-jatony. Nanakoako teny an-dalambe ny antsoantson'izy ireo nanakoako hoe: “Mitaky ny rariny ho an’i Mohbad izahay.”
Olona maherin'ny 260.000 no nanao sonia ny fanangonan-tsonia handraràna ny Mozika Marlian.
Nanomboka ny fanadihadiana ny Polisim-panjakan'i Lagos tamin'ny fananganana ekipa mpanao fanadihadiana manokana ahitana olona 13 mba hijery ny zava-misy manodidina ny fahafatesan'i Mohbad tampoka sy ny fandevenana azy haingana an'i Mohbad.
Tamin'ny 21 Septambra, nilaza ny mpitondratenin'ny polisim-panjakana Lagos, Benjamin Hundeyin, fa nofongarina ny fatin'i Mohbad mba hanaovana fandidiam-paty. Efa vita ny fizahana ny razana amin’izao fotoana izao, saingy mbola tsy mivoaka ny valiny, ka miandry ny fanazavana momba ny antony nahafaty an’i Mohbad ny Nizeriana.
Mandritra izany fotoana izany, vokatry ny fiampangana, voaràra amin'ny onjam-peo maromaro mandra-pahatongan'ny filazana manaraka ny hiran'i Naira Marley.