20 taona nampiakarana an'i ‘Mandu’ tao anatin'ny Jazz

Photo by Abesh Maharajan, JazzMandu via Nepali Times. Used with permission.

JazzMandu an-tsehatra. Sary an'i Abesh Maharajan avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Ity lahatsoratr'i Uma Dhital ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ny ampahany nasiam-panovàna ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Ankoatra ireo fetibe malazan'ny Dasain, Tihar (Deepawali), sy ny Chhath, i Nepal dia fantatra amin'ilay fetiben'ny jazz iraisam-pirenena tena azy manokana ao Katmandou : ny Jazzmandu. Ny anaran'ny fetibe dia fitambaran'ny hoe “jazz” sy “Kathmandu”, renivohitr'i Nepal.

Nitombo ilay hetsika hatramin'ny taona 2002 namoronana azy niaraka tamin'ireo artista vaovao sy miparitaka be mamokatra avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao tonga  mankany Katmandou mba hampiseho ny talentany sy hiaina rivo-piainana tsy manam-paharoa ao amin'ilay Lohasaha. Ahitana taratra ny fahasamihafan'ny foko sy ny kolontsaina any Nepal ny fifangaroan'ireo toerana nofidiana ary manasongadina ihany koa an'ireo artista maneran-tany.

Tamin'ity taona ity, nofintinin'i Jazzmandu sy notohizany ny fampisehoana ny herin'ny mozika sy ny fahaizany mampiray ny olona. Avy amin'ny tosiky ny gadona groove Afrikana an'ny Plurism sy ny feo malefaka ary mampientam-po an'i Lucile Chriqui ka hatramin'ny tononkira mamiratra amin'ny filalaovan'ny tarika Samundra ny mozika folklorika Nepaley, ny jazz tamin'ity taona ity dia nitarafana ny fahasamihafan'io karazana mozika io.

Fampisehoana maimaimpoana ho an'ireo mpianatra amin'ny Sekoly St Xavier tao Jawalakhel no nahafahan'ireo mpianatra nahita ny tsiro manokana tsy manam-paharoa ananan'ny jazz. Nisy ireo fampisehoana tany amin'ny toerana isan-karazany tao Katmandou, Jazz Upstairs sy ny tarika Néeerlandey Under The Surface nanao fampisehoana tao amin'ny Electric Pagoda niaraka tamin'ny feo elektrônika andrana. Ny Multinational Palouse Forro dia nanao fampisehoana tao amin'ny Jazz Upstairs, raha toa ny tarika Swiss South African Faku kosa nanao seho toy ny tanaty rivo-piainam-pianakaviana tao amin'ny EDN tany Sanepa.

Nanolotra fampirantiana ara-mozika mahafinaritra tao Gokarna Forest Resort ho an'ireo nasaina ny Jazz Bazaar  niaraka tamin'ny fandaharana fenon'ny Jazzmandu. Ren'ilay Baber Mahal manan-tantara ny fomban-drazana manan-karenan'ny mozika Breziliana. Ny takariva talohan'ny farany tao Yalamaya Kendra, tao tanàna ambanivohitr'i Patan ao Kathmandu, no toerana faratampony indrindra tamin'ny herinandro, niaraka tamin'ireo mpanakanto vahiny sy Nepaley nanao ny fanafangorana mahagaga ny mozika klasika Nepaley sy ny jazz.

Nahasarika mpijery samihafa avy amin'ireo mponina ao Katmandou, mpizahatany sy ireo mpila ravinahitra ilay fetibe. Niteny i Joëlle Hivonnet, ambasadaoro lefitra an'ny Firaisambe Eorôpeana (UE) hoe : “Miha-mivoatra isantaona ny Jazzmandu. Na dia tsy mahasarika ireo mpanakanto fanta-daza erantany aza izy, toy ny fetiben'ny Montreux na Marciac, dia vitany ny mitondra ireo mpanakanto vao misondrotra ary mandrakotra karazana endrika maro. Ankafiziko manokana ireo tarika mampifangaro ny zavamaneno Nepaley sy ny tandrefana.”

Photo by Abesh Maharajan, JazzMandu via Nepali Times. Used with permission.

Jazzmandu. Sary an'i Abesh Maharajan, avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Ny quartet Lucile Chriqui, hery vaovao iray mahafinaritra amin'ny jazz Frantsay, no milaza ny traikefany momba ny Jazzmandu sy ny kolontsaina Nepaley ho sahala amin'ny traikefa iray tsy misy mitovy aminy : “Toy ny hoe manao fitetezana ao anatina tanàna tokana.”

Nanomana fampisehoana ho asa fanaovantsoa ny tarika mba hanangonana vola ho an'ireo tràboina tao amin'ny Sushma Koirala Memorial Hospital. “Tsy nampino ny fanaovana fampisehoana ho an'ny antony tena goavana toy izany. Tsapanay ny herin'ny mozika miasa ho toy ny fitaovana hifandraisana,” hoy Chriqui.

Tian'ilay tarika hoentina ao Parisy ny tanjaka sy ny hatsaram-panahy manokana niainan'izy ireo avy amin'ireo Nepaley mpirotsaka an-tsitrapo, izay nitondra aingampanahy ho azy ireo hanandrana ny hifandray kokoa amin'ireo mpizahatany mitsidika ny fireneny, ary koa ny gadom-piainana manokana ao Katmandou, indrindra indrindra raha ampitahaina amin'i Parisy, izay “ny ora iray dia mitovy amin'ny iray minitra.”

Manantena ihany koa i Chriqui ny hanohy ny fanandramany mikasika ny feo, amin'ny alalan'ny aingam-panahy avy amin'ny feon'ireo zavamaneno nentindrazana Nepaley. “Angamba, hivimbina vilia mihira hody any an-trano koa aho”, hoy izy mihanihany.

Amin'ny taona ho avy, hankalaza ny faha-20 taonany ilay hetsika ara-mozika mpisavalàlana ao Nepal. Nilaza ny mpiara-mamorona, Navin Chettri hoe : “Tany am-piandohana izahay dia nifanehatra tamin'ny fisalasalana sy fifanjevoana mikasika ny jazz, saingy ankehitriny kosa dia tsy mila hazavaina izany, napetraky ny ny Jazzmandu ho eo anaty sarintany ny jazz sy i Katmandou.”

Rehefa nanontaniana izy mikasika izay andrasany amin'ny fankalazàna manokana ny faha-20 taona, dia namaly an-kafaliana Chettri hoe :”Tsy mila mpanimba revy”.

Jazz eo an-tokonana

Mifanohitra amin'ireo takariva Jazzmandu hafa, izay nandrafetana ny lisitra mba hisaratsaraka ny fanehoana ny hetsika tsirairay, ny Jazz tao Patan tamin'ny 7 Novambra dia nankalaza ny fifanakalozana ara-javakanto teo amin'ny jazz sy ny feo klasika Nepaley niaraka tamin'ireo mpitendry mozika eran-tany.

Ny fifangaroan'ny lahatahiry sy ny fankalazana ireo kolontsaina dia nandao ilay firafitry ny mozika “mahazatra” ary nandiso ny karazana mba hamoronana feo ara-panahy sy mampisaintsaina nofaritan'ny mpanatrika ho sahala amin'ny “fototra”, “tokana” ary “tsy azo alain-tàhaka”.

Nahafahana nanolotra fitiavana tamin'ireo mpankafy ny takariva miaraka amin'ireo rentin-jiro tao Yala Maya Kendra izay nametraka an-jorony ny fahaketrahan-tsaina sy ny hanoanana, mamela ny fahaizamanao ara-teknika, ny maha-matihanina sy ny fanehoana ny tenany ho an'ny tarika mba hijanonany ho ivon'ilay takariva.

Photo by Abesh Maharajan, JazzMandu via Nepali Times. Used with permission.

JazzMandu. Sary an'iAbesh Maharajan, avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Nasongadin'ilay mpanakanto Sisonke Xonti ny tombontsoan'ny fisehoana mivantana indray manoloana vahoaka, vahoaka izay nofaritan'ny mpanakanto iray hafa Nick Aggs ho “ny tsara indrindran'ny Jazzmandu”.

“Mba hankalazana ny feo manokan'ny mpanakanto tsirairay dia tsy maintsy misy lentam-pifanakalozana akaiky sy fifanajana eo amin'ny samy mpanakanto sy ny vahoaka”, hoy Aggs nanampy.

Ilay mpihira Lucile Chriqui dia toa nahatsapa fihetsehampo hoe ny vahoaka dia “tena nihaino sy tao aatiny tokoa”. Nampiany fa : “Angovo betsaka, fitiavana betsaka no naneho ny tena atin'ny Jazzmandu, dia ny fifandraisana amin'ireo olona sy ny fampisehoana fa ny mozika dia fiteny masina sy maneran-tany.”

Nahatsapa tena ho nisidina avo dia avo  ireo olona nasaina : mpijery iray no tsy nino nanoloana ny fahaizan'ireo mpanakanto namolaka ireo zavamaneno sy feo rehetra ary nidera ny fifandraisana “tsy azo hazavaina” izay tsapany teo amin'ny tsirairay tao an-tokontanin'ny faha-zato taonan'ny vanim-potoana Rana tany Patan.

Nofaranana tamin'ny tehaka mirefodrefotra teo am-pitsanganana ilay takariva ary nirohotra nivoaka ny efitrano ny olona, mbola andalam-pahatsapàna ny fahagagana izay natrehiny maso. Nanana mpanatrika avy amin'ny lafin-kolontsaina maro ny Jazz tao Patan ary nankalaza ny maha-iray ny maha-olombelona ary hetsika iray tokony hiainana farafaha-ratsiny indray mandeha eo amin'ny androm-piainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.