Nanoratra hira rap mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniny novoina ilay mpikatroka manohitra ny fitondrana miaramila ao Myanmar

Sann Minn Paing

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny “Ny masoandro milentika alohan'ny filentehan'ny masoandro” / BPLA VENTURE

Namoaka hira tao amin'ny YouTube i Sann Minn Paing, mpikatroka Myanmar, herintaona taorian'ny namonoan'ny tafika fitondrana miaramila ny ray aman-dreniny. Niparitaka be ny lahatsorany tao amin'ny Facebook manambara ilay hira sy ny fitakiany ny rariny, maneho ny fitohizan'ny fanoherana sy ny fanosehana anjotra iadiana amin'ny governemanta miaramila.

Naka fahefana an-keriny ny miaramila tamin'ny volana Febroary 2021, izay notoherin'ny hery mpomba ny demokrasia avy hatrany. Anisan'ireo nanohitra ny fitondrana miaramila ary nosamborina noho ny maha-mpikambana azy amin'ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily i Sann Minn Paing, mpikambana ao amin'ny Federasionan'ny Sendikan'ny Mpianatra rehetra any Birmania. Araka ny tatitry ny The Irrawaddy, vondrona media Birmana an-tsesitany, nandany herintaona tao amin'ny toby famotorana telo sy tobin'ny polisy efatra tao Yangon izy. Koa satria vao 17 taona monja izy tamin’ny fotoana nisamborana azy, dia nafindra tany amin’ny toby ho an’ny adolantsento.

Nandositra niaraka tamin’ny tanora gadra 13 hafa izy tamin’ny 23 Septambra 2022. Novonoin’ny manam-pahefana tao an-tranony ny ray aman-dreniny tamin’ny 29 Septambra.

Herintaona taorian'ny famonoana, nandefa tao amin'ny pejy Facebook-ny i Sann Minn Paing fa nanoratra hira ho fanomezam-boninahitra ny ray aman-dreniny. Nandika ny ampahany tamin'ilay lahatsoratra ny Irrawaddy:

I still suffer from mental trauma. But I try to keep going. I don’t know when I will die. So, I want to create a piece of art that will last and that demands justice for my parents, in case I die before the revolution succeeds. So, I created this song.

Mbola mijaly noho ny ratra ara-tsaina aho. Miezaka foana anefa aho. Tsy fantatro hoe rahoviana aho no ho faty. Noho izany, te hamorona sangan'asa haharitra aho ary mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniko, raha maty aho alohan'ny hahombiazan'ny revolisiona. Noho izany, namorona ity hira ity aho.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny The Irrawaddy, nilaza izy fa te hanentana ireo hafa niharan'ny herisetran'ny fitondrana jadona miaramila mba hanohy ny tolona ho an'ny rariny.

I could never repay them. This is the first thing I have done for my parents. If we bow to every act of oppression, we won’t be able to stand up in this life. I hope my song will encourage families who have been affected by the fascist military to demand justice in the future.

Tsy afaka mamaly babena azy ireo mihitsy aho. Izany no zavatra voalohany nataoko ho an'ny ray aman-dreniko. Raha miondrika amin'ny asa fampahoriana rehetra isika, dia tsy ho afaka hijoro amin'ity fiainana ity. Manantena aho fa hamporisika ireo fianakaviana lasibatry ny miaramila fasista mba hitaky ny rariny amin'ny ho avy ny hirako.

Nanambara ny tatitra nataon'ny Iraka manokana momba ny zon'olombelona ao Myanmar fa tamin'ny volana Oktobra 2023, namono sivily 4.000 ny fitondrana miaramila, nandrava trano sy fotodrafitrasa sivily 75.000, namindra toerana olona maherin'ny 2 tapitrisa, ary nahatonga ny olona 15 tapitrisa tao anatin'ny tsy fanjarian-tsakafo nandritra ny roa taona farany.

“Ny andro Nanjavonan'ny Masoandro Alohan'ny Filentehan'ny Masoandro” no lohatenin'ny hira. Nakarina tao amin'ny YouTube ny lahatsarin-kira izay mampiseho ny alahelon'ilay mpanakanto sy ny alahelony noho ny fahafatesan'ny ray aman-dreniny.

Sann Minn Paing

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny “Ny masoandro milentika alohan'ny filentehan'ny masoandro” / BPLA VENTURE

Na dia taorian'ny fahafatesan'ny ray aman-dreniny aza, nanohy nandray anjara tamin'ny hetsika mpomba ny demokrasia izy. Tao amin'ny hirany, manombana ny mety hanjò azy noho ny fanoherana ataony izy.

Sann Minn Paing

 Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny “Ny masoandro milentika alohan'ny filentehan'ny masoandro” / BPLA VENTURE

Sann Minn Paing’s rap song is an example of the creative forms of resistance used by young activists and artists who joined the ‘Spring Revolution’ against the junta dictatorship. Other forms of resistance have included subversive pro-democracy messages through clothing and “silent strikes,” where citizens closed their businesses and stayed indoors on the same day as a method of resistance. In October 2021, a group of rap artists released a music album featuring anti-junta songs.

Ohatra amin'ny endri-panoherana vaovao ampiasan'ireo tanora mpikatroka sy mpanakanto nanatevin-daharana ny “Revolisiona Lohataona” ny hira rap-n'i Sann Minn Paing. Tafiditra amin'ny endrika fifaharana hafa ny hafatra prô-demokrasia amin'ny alalan'ny fitafy sy ny  “fitokonana mangina,” izay anakatonan'ny olompirennea ny fihariany sy ipetrahany ao an-trano amin'io andro io ho endrika fifaharana. Tamin'ny oktobra 2021, nisy vondrona mpanao hira rap iray namoaka rakikira ahitana hira anti-didijadona.

Henoy ary jereo ny hiran'i Sann Minn Paing ao amin'ny YouTube:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.