Ao Azia Afovoany, ho firaisankina amin'i Okraina dia nofoanana ireo kaonseritra saika hataona Rosiana olo-malaza mpankasitraka ny ady

Sainam-pirenena Okrainiana sy Kazaka mihantona ao anaty trano bongo kazaka iray ao  Bucha, Okraina. Pikantsary avy amin'ny  fantsona Youtube an'ny CurrentTimeAsia. Fampiasàna ara-drariny.

Tamin'ny 14 Septambra, ny masoivoho kazak iray mpikarakara lanonana, ny Vi Project dia nanambara ny fanafoanana ireo kaonseritra saika hataon'ny tarika rosiàna mpanao hatsikana, antsoina hoe Kamyzyaki.  Voalahatra tokony ho atao ao Astana renivohitra no sady tanàna lehibe indrindra ao Kazakhstan izy ireny amin'ny fiantombohan'ny Ôktôbra. Taorian'ireo onjana ‘tamberina miiba avy amin'ny vahoaka momba ireo hetsika ankalamanjàna mampientanentana ataon'ireo artista avy amin'ny tarika Kamyzyaki dia nandray io fanapahankevitra io ireo mpikarakara.”

Ilay fanangonantsonia nataon'ny  vahoaka tety anaty aterineto no lazain'io fanambaràna io ho antony nanafoanana ireo kaonseritra. Nitranga izao taorian'ny nanambaràna ny fandraisana anjaran'ny mpikambana marobe avy amin'ilay tarika tamina kaonseritra nokarakarain'ny fanjakàna tany amin'ny faritra okrainiàna ao Donetsk, izay bodoin'ny Rosiàna amin'izao fotoana izao, anisan'izany ireo mpitarika azy Azamat Musagaliev sy Denis Dorokhov. Taorian'ilay kaonseritra, Musugaliev sy Dorokhov dia nanao antsafa iray nizaràn-dry zareo hoe nahafantatra “tantara marobe” izy ireo ary irian-dry zareo ny mponina ao an-toerana “mba hanana fahasalamana tsara, lanitra tony ho feno tsikitsiky.”

Indro misy lahatsary  YouTube iray misy ny antsafa nifanaovana tamin'ireo mpikambana ao amin'ilay tarika, tany Donetsk.

Tsy vao sambany izao, hatramin'ny Febroary 2022, no nisy kaonseritra nataon'ireo Rosiàna kalaza, izay manohana ny ady atao amin'i Okraina, ka  nofoanana tao Kazakhstan sy tany amin'ireo firenena hafa ao Azia Afovoany.  Na izany aza anefa, tsara ihany ny hanamarihana fa marobe ireo mpikambana ao amin'ilay tarika, isan'izany i Musagaliev mpitarika an-dry zareo, no Kazaka hiringiriny avy any Rosia ary nahazo fandraisana nafàna nandritra ireo fivahinianana voalohany nataon-dry zareo tany.

Mifanohitra amin'ny an'ireo governemanta ao Azia Afovoany, izay manjavozavo ankehitriny ny toerana raisiny, naneho mazava ny fijoroana ara-pôlitikany ireo olom-pirenena tsotra ao amin'ny faritra, tamin'ny nanehoany ny firaisankinany amin'i Okraina. Iray amin'ny antony nahatonga izany ireo  antso fanafoanana ireo kaonseritra ho ataon'ireo Rosiana Z-malaza, anarana iray nomena ireo izay manohana ny fananihambohitra atao amin'i Okraina.

Marika iray isan'ny voalohany indrindra amin'io fironana io ny fanapahankevitra hanemotra ho amin'ny fotoana tsy voafetra ny fetiben'ny mozika “Zhara” voalahatra tokony natao nandritra ny lohataona 2022 tao Kazakhstan, taorian'ny nandavan'i Azerbaijan tsy hampiantrano azy io taorian'ny nanombohan'ilay ady. Tao Kazakhstan, nanjary nantsoina hoe “Z-battalion,” io fetiben'ny mozika io, satria maro amin'ireo mpandray anjara aminy no manohana ny ezaka an'ady ataon'i Kremlin, ary ny litera Z dia ampifamatorina amin'ireo mpanohana ny ady ao Rosia.

Tamin'ny Febroary 2023,  nambaran'ireo mpikarakara ilay fetibe fa “noho ny toedraharaha pôlitika ao amin'ny firenena sy erantany,” dia ho afindra any an-toerana hafa ilay hetsika. Tashkent, renivohitr'i Ozbekistana no nofidiana ho toerana fanolo, saingy tsy maintsy nanafoana izany ireo mpikarakara tao an-toerana taorian'ny fanehoankevitra miiba avy amin'ny vahoaka.

Tsy misy hafa amin'izay, ireo kaonseritra tokony nataon'ilay Rosiàna mpihira Grigory Leps, voalahatra ho ny lohataona sy ny fararano 2023, dia nofoanana tao Kazakhstan, Kyrgyzstan, ary tao Ozbekistan. Nangatahan'ny vahoaka ny hanafoanana azy ireny taorian'ny nipoiran'ireo lahatsary nisy an'i Leps nampanantena an'ireo miaramila rosiàna fa hanome RUB 1 million (10.385 dôlara amerikàna) isaky ny fiara mifovo vy tandrefana potik'izy ireo ao Okraina.

Ity ny lahatsary Youtube iray misy an'i Leps manazava ilay fandraisany andraikitra handoa vola ho an'ireo miaramila rosiàna isaky ny fiara mifono vy potika ao Okraina.

Ankoatra izay, kaonseritra roa tokony hataona Rosiàna mpihira, Polina Gagarina sy Larisa Dolina no nofoanana tao Kazakhstan tamin'ny 2022. Izy roa ireo dia samy nandray anjara tamina kaonseritra nokarakarain'i Kremlin ho fankalazàna ny nakàny an'i Krimea tamin'ny 2022.

Ny haavon'ny lentam-pikatrohan'ny vahoaka tahaka izany dia nametraka ireo manampahefana ao an-tanàna ho amina toerana saropady manoloana an'i Kremlin, izay ananan-dry zareo fifamatorana mafy ara-pôlitika, toekarena, ary ara-piarovana. Nilaza ireo masoivohom-baovao mahefa avy amin'ny fanjakàna fa tsy nisy nidiran-dry zareo ny amin'ireo fanapahankevitra noraisina orinasa tsy miankina nikarakara ireny kaonseritra ireny, isaky ny nofoanana izy ireny. Ny governemanta Kyrgyz aza tonga lavidavitra kokoa ary nanafoana ireo kaonseritra tokony ho nataon'ilay Rosiàna mpiangaly Rap Morgeshtern, nohosorana ho mpitsikilon'ny vahiny ao Rosia, ary ilay tarika mpanao mozika Bi-2, izay fantatra amin'ny fijoroan-dry zareo manohitra ny ady, mba hiheverana fa tsy ireo olo-malaza manohana ilay ady ihany no nosivanin'ny vahoaka.

Vao mainka nampitombo ny hantsana eo amin'ireo mpitarika pôlitika sy ny olom-pirenena ao Azia Afovoany ny ady any Okraina, nampivoitra fifanipahan'ny fomba fijery sy ny fihetsik'izy ireo manoloana ilay ady. Arakaraky ny haharetan'ilay ady, vao mainka lasa mitombo mibaribary ireny elanelana ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.