Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Mey, 2012
Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany
Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.
Indonezia: Tsy Nomena Alalana Ny Fampisehoan'i Lady Gaga
Taorian'ny fanerena nataon'ny vondrona politisiana mametraka an'i Lady Gaga ho mpivavaka amin'ny devoly, nanambara ny polisy Indoneziana fa tsy hanome fahazoan-dalana amin'ilay fampisehoana nandrasana fatratra hataon'i Lady Gaga tany Jakarta, ka niteraka fahadisoam-panantenana ny mpankasitraka azy mihoatra ny 50.000.
Indonezia: Lesona Jeografia Ho An'i Justin Bieber
Teo am-panazavàna ny dingana namoronana ny iray amin'ireo hirany vaovao, dia niteny i Bieber fa noraketina tany aminà "firenena kianjoanjo" izy io. Ilay firenena kianjoanjo eto dia i Indonezia ary dia nahatezitra ireo marobe mpiondana aterineto sy mpankafy azy izany.
Hong Kong: Ampangain'ny Evanjelisitra Ho Mamery Ny Tanora i Lady Gaga
Mitety an'i Azia mitondra ny antontan-kira ‘Born this Way Ball’ amin'izao fotoana izao ilay mpanoratra hira sy mpihira Amerikana Lady Gaga. Efa voapetraka ho amin'ny 2 mey sy 7 mey 2012...