Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Aogositra, 2015
Ny “Alice Any An-tanin'ny Fahagagana” Araka Ny isainan'ilay Libaney-Frantsay Mpitsoka Trompetra Azy Rehefa Atao Gadona Hip-Hop Opera
Lava-bitro mendrika hidinana ve? Naverin'i Ibrahim Maalouf nasiana fanavozana ny hira klasikan'i Lewis Carroll, tamin'ny fametrahana azy io ho ao anatin'ny tontolo maoderin'i Frantsa, miaraka aminà gadona Maliana iray.
Sazian'i Tajikistan ireo mpanakanto mpanitsakitsaka ny lalàm-pifamoivoizana
Tahaka ireo tanàna Sovietika taloha maro, dia manana kolontsaina fitondrana fiara mivantana avy amin'ny sarimihetsika Fast and Furious i Dushanbe. Mandrisika ny fikivilavilana anaty hafaingan-mpandeha ny lalana feno lavadavaka.
Zavamaneno Fitendry: Henoy Ny Feo Mamolivoly Fanahy, Avy amin'ny Tontolo Hafan'ny Yaybahar
Enina taona lasa izay, namorona ny Yaybahar ny Tiorka iray mpiangaly mozika, Gorkem Sen, tamin'ny fanafangaroany ireo karazana feon-javamaneno samihafa, isan'izany ny didgeridoo Aostraliana sy ny Neil Tiorka ary ny amponga varatra.
Toy Izao Ny Fandrenesan'Ny Olona Ny Hiran'i Michael Jackson Amin'ny Fiteny Quechua
Tao amin'ny YouTube, efa maherin'ny atsasaky ny iray tapitrisa no njìijerena ny hiran'i Michael Jackson "The Way You Make Me Feel" izay nindramin'i Renata Flores Rivera, zazavavy 14 taona ary teratany Peroviana, nohiraina tamin'ny fiteniny.
Manakombona ny Vavany amin‘ny “Scotch” Ny Mpiangaly Mozika An’Arabe Ao Maosko Mba Hanoherana Ny Famoretana Ataon’ny Polisy

Ny mpiangaly mozika an’arabe ao Maosko maneho fanoherana amin’izay lazainy ho fanagadràna tsy ara-dalàna ataon’ny polisy sy ny sazy ara-bola mihoa-pampana manitsakitsaka ny zony sy ny fahalalahany ara-javakanto.
Ho an'ilay Ethiopiana-Amerikana Mpihira Meklit Hadero, ‘Miova Hatrany ny Trano Hodiana’
Miresaka momba ny fitodiana any Etazonia ao amin'ny fanjakan'i Iowa, ny fanandratana ny Afro ary ny tsy mahamora ny famaritana ny karazan-kirany ilay a Ethiopiana-Amerikana mpihira Meklit Hadero.