Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Oktobra, 2015
Tetikasan-Kira Manokana Ny Vokatra Farany Ho An'ny 43 Avy Amin'ny #Ayotzinapa Ao Meksika … Azo Trohana Maimaimpoana!
Ny mampiavaka ny tarika Santiaguero dia ny fifantohan'izy ireo amin'ny mozika ambany lisansa Creative Commons izay mitaratra ny olana ara-tsosialy amin'izao fotoana izao ao amin'ny faritra sy ny firenena. Natokana ho an'ireo mpianatra Ayotzinapa nanjavona ny sangan'asan'izy ireo farany.
Media Sosialy Mihiaka Fangalarana Tsy Nety Taorian'ny Nampiasan'ny Amerikana Iray Mpihira “Rap” Ny Asan'ilay Trinidadiana Mpaka Sary
"Miteny daholo ireo olona rehetra hoe fanànana ara-tsaina an'olon-kafa anie io. Raha notenenina anao io, ny miala tsiny amin'ny anaran'ny ekipa mpandrindra anao sy misaotra ilay mpaka sary sy ilay nanao ny akanjo tamin'ny asany no tokony ho nataonao..."
Mampivoitra ny mahazo ireo mpitsoa-ponenana ny rindrankiran'ny tarika Pussy Riot tao an-jaridainan'i Dismaland najoron'i Banksy

Ny Rosianina mpihira Punk sady mpikatroka ara-politika Pussy Riot dia nanao fanentanana hiaro ireo mpitsoa-ponenana any Eoropa tao anaty seho an-tsehatra nahery setra sy mavesatra tao amin’ny toerana fialambolin’i Banksy tao Dismaland, Londra.
Manao Fihetsiketsehana Ho Fanoherana ny Fandrarana Zavamaneno Ao Amin'ny Garan'ny Metro Ao Hong Kong Ireo Mpiangaly Mozika
"Tokony hiaro ny zon'ny ankizy hianatra mozika ny vahoakan'i Hong Kong. Azo natao taloha ny mitondra zavamaneno eny amin'ny gara. Nahoana no raràna izany ankehitriny?"
Ndeha Hihaona Amin'ilay Pretra Ortodoksa Ao Venezoela Miangaly Rock Anaty Rebarebany
Tsy kintan'ny Rock ankafizinao mahazatra akory ny Papa Elias, milalao anaty akanjon'ny pretra. Tsy izy koa anefa no andrandrain'ny maro ho pretra fakàn-tàhaka.