Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Febroary, 2020
Sary amin'ny fifaninanana mively amponga vy (steel pan) nandritra ny Fetiben'i Trinité-sy-Tobago
Tsy misy afa-tsy toerana tokana ahazoana mihaino ireo steelbands tsara indrindra mifampitsapa fahaizana: ny fifaninanana isantaona "Panorama" rehefa tonga ny Fetiben'i Trinité-sy-Tobago.
Bangladesh, Pakistàna ary Amazonia, ventesin'ireo vehivavy indizeny ilay hira “Misy mpanolana eo amin'ny làlanao”
Mbola mitohy misy fiantraikany manerana izao tontolo izao ilay hetsika tselatra nataon'ny fikambanana shiliàna "Las Tesis", miampanga ireo herisetra manavakavaka vehivavy sy ny fanararaotana ara-nofo.
Afrika: Nanome voninahitra an'i Michael Jackson ireo bilaogera
Taty Afrika, nanome voninahitra an'i Michael Jackson tamin'ny alàlan'ny fandefasana sary, rindran-tsary, tononkalo ary fisaintsainana ireo bilaogera taorian'ny fahafatesany. "RIP MJ", hoy ny nosoratan'ilay bilaogera Kenyana, WildeYearnings. "Manana ny lanitra iray manontolo ianao izao handihizana ny moonwalk ..."
Nosamborina noho ny ‘faniratsirana’ ny finoana Islamo tany Bangladesh ilay mpihira bãul Shariat Sarkar
Voampanga tamin'ny fanehoan-kevitra nandratra ny "fihetseham-po ara-pinoana" ho an'ny Miozolomana ilay mpihira baul Shariat Sarkar. Nilaza izy fa tsy misy porofo mandrara ny mozika amin'ny Islamo.
Maraoka: Lasa iraisam-pirenena ny Hip Hop
Tsy niresaka afa-tsy ny fivoahan'ny lahatsary fanadihadiana vaovao ny tontolon'ny bilaogy Maraokana - na tao an-toerana na tany ivelany - momba ny nampalaza vetivety ny sehatry ny hip hop tao Maraoka. Entin'i Jillian York amintsika ny resaky ny tontolon'ny bilaogy Maraokana momba izany.