
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ilay mpanakanto, Angelique Kidjo
Tsy dia fantatra loatra raha mitaha amin'ireo Afrikàna mpiray vodirindrina aminy, ny lazan'ny mozika beninoà dia avy amin'ireo vehivavy izay nitondra io lova io hatrany Eorôpa.
Vondrom-poko miisa 4o no mandrafitra ny Repoblikan'i Bénin, firenena iray ao Afrika Andrefana, ary miparitaka anatina finoana marobe, izay ahitàna ny kristianina, ny miozolmàna, ny animista indrindra indrindra. Na tsy hita any anaty antontanisa aza, ny fivavahana “vodoun” no tena arahan'ny maro ao amin'ilay firenena.
Eny tokoa, mazàna i Bénin no faritana ho toy ny firenen'ny vodoun, na antsoina ihany koa hoe fanjakan'ny vodoun, ilay tontolon'ireo andriamanitra sy ny hery tsy hita. Ny vodoun dia fivavahana iray mampivady ireo hery tsy hita sy ny mihoatra ny natiora izay ampiasain'ireo mpanaraka ny vodoun mba hifandraisany amin'ireo andriamanitra. Iainan'ny ao Afrika Andrefana izy io, ao Tôgô, Bénin sy any amin'ny sasany amin'ireo vondrom-piarahamonina mainty ao Brezila sy Etazonia ary Karaiba. Mitàna anjara toerana goavana io marika ara-kolntsaina io amin'ny maripamantarana ny firenena, izay tsy isalasalan'ireo mpanakanton'ny hira ny manome lanja azy any anatin'ny zavakanto ataony.
Tantara voalohan'ny mozika avy amin'ny fombandrazana
Efa nanomboka hatrany amin'ny 1960 ny tantaran'ny mozika beninoà, taorian'ny nahazoany fahaleovantena, fony ilay firenena nahita voalohany ireo andian-taranaka mpiangaly mozika nipongatra avy ao amin'ilay firenena.
Yédénou Adjahoui (1930-1995) no heverina ho toy ny iray amin'ny mpisava làlana ireo gadona izay aingam-panahy nalaina avy amin'ireo mozika nentindrazana. Naka gadona marobe ny mozikany, toy ny massè-gohun, agbalè ary ny Zinli ankoatra ny hafa.
Ny Zinli dia gadona sy mozika nentindrazana lalaovina amin'ireo zavamaneno toy ny gong, tam-tam, ogene, “castagnettes” nentindrazana ary tehaka tànana miady rima amin'ny dihy, ny hira ary koa ireo korintsana atao eny an-doha. Indro ny fanehoana iray:
Nandritra ny fotoana niangaliany mozika dia tao anatin'ity endrika farany ity ilay mpanakanto no nivoatra.
Ao anaty lahatsary, ny lohateny Agogo Zinli, iray amin'ireo hiran'i Yédénou Adjahoui :
Nasongadin'ireo mpanakanto hafa tany anatin'ny hiran-dry zareo ny fombandrazana vodoun ao Bénin. afangaron'i Alekpehanhou any anatin'ny famorona-kirany ny ohabolana amin'ireo tantara. Hakàny aingam-panahy ny kolontsaina beninoà ary tantarainy, indrindra fa ireo fombafomba vodoun sasany. Amin'izao fotoana izao, ampiasain ireo hirany mandritra ireo fombafomba fiantsoana hery miafina.
Lahatsarin'i Alekpehanhou :
Ry Guèdèounguè Mirahalahy, na tsy dia mihetsiketsika loatra aza, dia manodina ny ankamaroan'ireo hirany amin'ny lohahevitra fombandrazana sy kolontsaina.
Kihon-dàlana iray: Angélique Kidjo
Novain'ny vehivavy iray ny endriky ny mozika beninoà: ilay kintana iraisampirenena, Angélique Kidjo. Mbola kely dia efa nilona tao anatin'ny filalaovana teatra sy mozika, Kidjo, izay manana fiaviana ara-kolontsaina Fon sy Yoruba nolovainy avy amin'ireo ray aman-dreniny, nahazo aingampanahy ihany koa avy tamin'ilay vehivavy tôgôley mpihira Bella Bellow, tafiditra aloha be tao anatin'ny sehatry ny mozika izy. Taorian'ny niaingàny ho any Frantsa, nanaraka fianarana mozika tao Parisy izy tany amin'ny taona 90. Lasa kintan'ny mozika izy tany amin'ny fiandohan'ny 2000 ary ankehitriny dia efa manana rakikira miisa 19, sy loka marobe goavana, isan'izany ireo Loka Grammy awards miisa 5. Niaraka niasa tamina artista marobe manan-daza izy, tao amin'ny fireneny, tao Afrika ary erantany. Ny niarahany niasa tamin'ilay Nizeriàna artista Burna Boy no iray amin'ireo hira ao anatin'ny rakikirany farany Queen of Sheba.
Indro ny lahatsary amin'ilay lohateny Do Yourself iarahany amin'i Burna Boy:
Eo amin'ny sehatra afrikàna sy erantany, Angelique Kidjo dia sokajiana ho ao anatin'ny misy an-dry Youssou N'dour, ilay olo-malazan'ny mozika senegaly.
Mba hahafantarana misimisy kokoa, vakio ny (mg.) : Mozika senegaly: mari-pamantarana nasionaly izay miondrana amim-pahombiazana lehibe
Misy ihany koa ireo beninoà artista hafa nahomby teo amin'ny sehatra iraisampirenena: G. G. Vikey, ( 1944-2013), Gnonnas Pedro (1943-2004), Stan Tohon. Amin'ireo goavan'ny mozika beninoà, ny Orchestre Poly-Rythmo no mijanona ho tarika iray malaza sy nanamarika betsaka ny saina amam-panahin'ny fahiny. Indro misy fehezana feonkiran'ity vondrona malaza ity:
Toy izany koa, Sagbohan Danialou, mpanakanto manana talenta maro sy mahay milalao zavamaneno marobe, ary izany no niavian'ny solon'anarany hoe lehilahy orkestra. Ato anatin'ity lahatsary ity, misy fampisehoana iray nataon'i Sagbohan tao amin'ny fetiben'ny zavakanto vodoun tao Bénin:
Mozika iray tratry ny alok'ireo karazana mozika afrikàna hafa
Araka ny voalazan'ireo mpanaramaso ny kolontsaina beninoà, misy singa sasany manatarazoka ny fivoaran'ny mozika beninoà sy ny fanekena azy. Jean-Discipline Adjomassokou, olon'ny fampahalalam-baovao sady mpaneho hevitra momba ny mozika ary nitafàn'ny Bénin Intelligent no manazava:
Eo aloha ny tsy fisian'ny fanofànana omena ireo beninoà mpanakanto. Hatreto izahay tsy manana sekoly fianarana mozika ao Bénin. Orkesitra vitsivitsy ihany no misy ka any ny olona no mandeha mitsapa tena. (…) Nisy ihany koa ireo orkesitra any amin'ireo kôlejy rehetra ary nikarakara fifaninanana isaky ny tanàn-dehibe sy toeram-pianarana. Amin'izao fotoana izao, ao anatin'ny kitsapatsapa sy ny fanaovan-javatra tsy niomanana isika. Marobe amin'ireo zoky no tsy nandalo sekolin'ny mozika. Tsy hoe noho ianao teraka tao anatina fianakaviana mozisiàna, nivoatra tao anatin'ny kitsapatsaka, dia hoe ho lasa matianina tampoka eo. Tsy izany mihitsy.
Tanisainy ho ohatra ny fahombiazana erantany azon'i Angelique Kidjo izay amin'ny ampahany dia noho ny nandaozany an'i Bénin sy ny fiofanany tany Frantsa:
Nihira tsara i Angélique Kidjo tao Bénin, saingy rehefa tonga tao Frantsa, nandeha niofana tany amina sekoly iray fianarana mozika izy.
Feom-behivavy marobe
Na beninoà aza, i Kiri Kanta dia mpanakanto mpihira, avy amin'ny foko Parakou, ao avaratr'i Bénin, manao ny gadona mozika mandingue lalaovina any Mali, Ginea, any avaratr'i Côte d'Ivoire, any Gambia ary any atsinanan'i Sénégal. Maro amin'ireo hirany no mitondra azy handray anjara amin'ireo fetiben'ny mozika mandingues any amin'ireo firenen-tsamihafa ao Sahel. Indro ny iray amin'ireo hirany malaza, Gangangan:
Azontsika lazaina ihany koa ny anaraan'ilay mpanakanto Zeynab izay milalao karazana mozika maro. Indro ny iray amin'ireo hirany, nohiraina tamin'ny mina ary notontosaina tao Tôgô, araka ny antsafa iray nomeny ho an'ilay Tôgôley mpanentana ara-kolontsaina, Jean-Pierre Azanledji:
Misy andian-taranaka miezaka manandrana ihany koa ireo mozika hafa toy ny zouk sy hip-hop. Ny zouk izay ahitàna ireo mpanakanto toa an'i Richard Flash, Petit Miguelito. Ho an'ny Hip-hop, dia ry Blaaz, Dibi Dobo, Nasty Nesta sy ny maro hafa.
Eny amin'ireo zandriny indrindra dia misy mozika an-tanandehibe mivoatra, asehon'ireo mpanakanto sy tarika toy ny Fanicko, Tyaf, Zef, Vano Baby, Nikanor, Sam-T.
Indro ny iray amin'ireo lohateny an'ilay mpanakanto Fanicko:
Na tsy hita loatra aza, mendrika ny ho fantatra sy zaraina ivelan'i Afrika ny mozika beninoà noho izy mandray anjara amin'ny lova sy ny fitondràna fanavaozana ny tontolo irain'ny mozika andalam-piofoana.
Raha mila santionany feno amin'ireo mozika beninoà, jereo ny lisitra filalao Spotify eto ambany, ary ho an'ireo mozika eklektika maro avy amin'izao tontolo izao, jereo ny mombamomba ny Global Voices ao amin'ny spotify.