Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Septambra, 2018
Zeorzia: Kandidà Amin'ny Eurovision Miaraka Amin'ny “Tsy Mila Put In Izahay”
Tohin'ny ady izay nifanaovany vao haingana tamin'i Rosia, nanambana ny hanao ankivy ny fifaninanana hira Eurovision, nokarakaraina tao Maosko aloha i Zeorzia tamin'ity taona ity, avy eo izy niova hevitra (amin'ny teny anglisy ireo rohy manaraka). Kanefa, raha toa io fiovàna io tany am-piandohana ka toy ny andrana handaminana ireo fifandraisana ratsy endrika, ny nifanohitra tamin'izay no nitranga omaly nandritra ny fifanintsanana tao amin'ny firenena..
Fitetezana Ny Tontolombolongana Libiana: Rock Frantsay Ao Tripoli Ary Ny Ambasady Amerikana Ao Anatin'ny Trano Iray Fisotroana Kafe
Tena tsy tapaka mihitsy ireo fifandraisana Frantsay-Libiana, indrindra indrindra fa resaka kolontsaina sy fanabeazana, na dia nandritra ireo taona "mafy" nisian'ireo sazy aza. Ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Frantsay, na dia tsy misehoseho aza, ao afovoan-tanànan'i Tripoli, dia manohy ny asany foana miainga avy amin'io fototra io, manolotra fampianarana teny sy trano famakiamboky hatramin'izay ela indrindra nahatsiarovako saina.
Artista Kyrgyz iray miantso ny tovovavy ‘hampijoro ny fahafahany manokana’ ao anatin'ny hirany iray malaza
Nivoaka taorian'ny niadian-kevitra nandritra ny taona maro momba ny fomba tokony ho fiakanjon'ny vehivavy ao amin'ny firenena Aziatika Afovoany sy ny fitondrantenany ny hira malazan'i Zere voalohany mitondra ny lohateny hoe 'Kyz'.
Armenia: Eurovision be fanantenana
Na dia heverin'ny ankamaroan'ny mpijery any Eorôpa fa vazivazy aza, dia tsy misy isalasalana fa ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena Eurovision dia raisina am-pahamatorana tanteraka ao atsimon'i Kaokazy izany. Raisina ho ny fotoana tsara indrindra hanehoana ny kolotsain'ny firenena sy ny maha-izy azy,