Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Aogositra, 2011

Afghanistan: Feon'ny Tanora Afghan Ao Amin'ny Lanonamben'ny Fampitam-baovao Marolafy

Ao Afganistana, nikofokofoka tokoa ny tambazotra Internews mba hanazatra sy hanetsiketsika ireo tanora Afghan hizara ny fomba fijeriny amin'izay lohahevitra mahaliana azy ireo ao amin'ny Afghan Youth Voices Festival na Lanonamben'ny Tanora Afghan manandram-peo sy ny lasim-pampitam-baovao.   Ny Afghan Youth Voices Festival  dia sehatra iray ahafahan'ny tanora Afghan maneho ny heviny, na...

Repoblika Dominikana: Rita Indiana, “Ny Tetikasa Toy Ny Ahy Dia Nandray Betsaka Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy ny Aterineto”

Tanaty tafatafa tanteraka noho ny fiaraha-miasan'ny tambajotranà bilaogera sy namana, ilay Dominikana mpanoratra tononkira , mpihira, mpanoratra, ary mpiseho an-tsehatra Rita Indiana dia miresaka momba ny maha-izy azy manokana amin'ny lafiny hira, ny tontolon-javakantony maro sosona, ny tetikasany amin'ny hoavy, ary ny fifandraisany amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra na ny Media sosialy sy...

Kolombia: Polisy Nandihy Nirary Tongasoa Ho Anà Mpilalao Baolina Kitra

Tao Medellin, Kolombia, tao amin'ny seranam-piaramanidina dia naneho hetsika fiarahabàna an'ireo mpilalao baolina kitra ireo manamboninahitry ny polisy, nahafinaritra ireo mpitsidika izany fa kosa nahatonga olana momba ny filaminana ho an'ny toerana sasantsasany.

Maneran-tany: Zarao Amin'izao Tontolo Izao ny Fiainanao Ny 11-11-11

Inona no hataonao amin'ny 11 Novambra 2011? Zarao amin'izao tontolo izao izany amin'ny alalan'ny 11Eleven Project ary manampia amin'ny fanatontosana ireo Tanjon'ny Firenena Mikambana ho Fampivoarana ny Taonarivo!

Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh

Ilay 'Fampisehoana ho an'i Bangladesh', Fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'i George Harrison sy Ravi Shankar 1 Aogositra 1971, dia zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i Bangladesh

Libanona : Mpihira Nosamborina Noho Ny Faniratsirana Filoha Tany Anaty Hira

Ilay mpanakanto Libane Zeid Hamdan dia voatazona fotoana fohy tamin'ity herinandro ity noho ny fahasahiany nanala baràka ny Filoha Michel Suleiman tanatin'ny hira navoakany ny taona 2010.

Slovakia: Vola Be Azo Avy Amin'ny Hira

Herinandro vitsy lasa izay, ny Slovak Performing and Mechanical Rights society' (SOZA) - ny fikambanana mpiaro ny zo amin'ny fandikàna (copyright) ao amin'ny firenena - dia nanomboka nampadoa vola ireo lohamilina anaty tranonkala, indrindra fa ireo natao ho an'ny tanora mpankafy mozika, izay efa nampiditra lahatsary You Tube sy Vimeo...