· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Jona, 2017

Maraoka: Miaka-tsehatra Ny Gnaoua!

Isan-taona amin'ny volana Jiona, mpizaha tany an'arivony avy amin'izao tontolo izao sy Maraokana manerana ny firenena no mirohotra ao Essaouira, tanàna kely amoron-tsiraka tokony ho 200 kilaometatra avy ao Marrakesh feno olona, mba hamonjy ny Fetiben'ny Gnaoua sy ny mozika manerantany.

Ny Zavamaneno Avy Amin'ny Lafivalon'Izao Tontolo Izao

  30 Jona 2017

Lahatsary ahitana zavamaneno mahaliana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, anisan'izany ny zavamaneno vita amin'ny boaty namboarina sy tavoahangy soda plastika , ny fanehoana ny fomba hanamboarana ny didgeridoos , ary ny hira nentim-paharazana Rosiana lalaovina amin'ny vielle à roue.

Kosta Rikà: Fampisehoana, Fitroarana sy Ahiahy

  23 Jona 2017

Nandefa ny zava-nitranga tamin'ny Fampisehoana tamin'ny Alahady ilay mpanao gazety Cristian Cambronero ao amin'ny bilaogy Kosta Rikàna malaza Fusil de Chispas, notantarainy tamin'izany fa nirotaka ireo tanora ary nanimba ny toeram-pianarana ao amin'ny Universidad Latina ao amin'ny renivohitr'i San José.

Libanona: Ny Zavakanto sy ny Mpanakanto

Tsy ara-politika fotsiny araka ny fantatrao ny tontolon'ny bilaogy Libaney, ary misaotra an'Andriamanitra noho izany. Misy ireo mpanakanto mampiasa bilaogy mba hampiseho ny sary hosodoko, ny mozika sy ny famoronana ara-javakanton'izy ireo. Indro ny santionany. Voalohany dia sary sy hosodoko, ary avy eo mozika sy sarimihetsika. Ankafizo.