Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Avrily, 2012
Maraoka: Mihamahazo Vahana Ny Fanoherana Ny Fetibe Mawazine
Mety hampisy fiantraikany [ar] amin'ny fikarakarana ny Mawazine, fetibe maraokana, noho ny toe-javamisy feno tolona isan-karazany manerantany sy noho krizy ara-toekarena. Fetiben'ny hira iraisampirenena fanao isan-taona ao an-drenivohitra maraokana Rabat...
Espaina: Dihy Nandritra Ny Procession Kristy Nitsanga-ko Velona Nanjakan'ilay Hira Breziliana Malaza
Tratran'ny Telomania teo ampandihizana nandritra ny hira malaza iraisampirenen'i Michel Teló mitondra ny lohateny hoe "Ai Se Eu Te Pego" ny frera nitondra ny sarin'i Kristy Nitsanga-ko velona nandritra ny procession mamarana ny herinandron'ny Paska Kristianina tao Alhama de Murcia, Espaina.
Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany
Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.