Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Oktobra, 2022
Fahafatesana tampok'ilay Haitiana mpihira ‘Mikaben’, mamela fahabangàna lehibe anatin'ny tontolon'ny mozika
Nihira hiram-pitiavana ho an'i Haiti izy - hira momba ny tontolony, ny kolontsainy, ireo vehivaviny ary ny mozikany: hira natao hitaizàna ny mahantra; hiran'ny herimpo, ny faharetana ary ny fanantenana
Mandefa hafatra i ‘Explainer,’ ‘mpitondratenin'ny calypso’ ao Trinidad & Tobago
Ilay malaza mpiangaly ny calypso, izay nodimandry ny 7 Oktôbra teo, dia nohosorana tamim-pitiavana ho 'ilay mpitondra hafatra', satria izy dia namorona hira naneho ireo maharary ny fiarahamonina sy ny famoretana ny mahantra.
Ny fomba nanomezan'ny mozika highlife Igbo fanantenana ho an'i Nizeria taorian'ny ady an-trano iray nandravarava
Nanome fanantenana taorian'ny ady an-trano ry zareo Oriental Brothers. Vavolombelon'ny fanavaozana ny ‘egwu ekpili’ ny taona 80. Taty aoriana, nankalazain'ny traikefan'ny fampisehoana mivantana nataon'ny Bright Chimezie ny highlife Igbo nandritra ny taona 90.
Fanafihana farany nataon'i Tiorkia tamin'ny zavakanto : governoran'ny faritra iray nanafoana fetiben'ny mozika efa nandrasana hatry ny ela
Na dia tsy notondroina mazava aza tao anatin'ilay filazana aza ny fetiben'ny mozika ho avy eo, dia anisan'ny tafiditra anatin'ireo datin'andro voalaza ao anaty fanambarana ilay hetsika