Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube-n'ilay hira  ‘We are not small peoples’ (Tsy vahoaka bitika izahay) an'ny Tor Band tao amin'ny fantsona YouTube Tor Musical Band. Fampiasàna ara-drariny.

Araka ny  tatitry ny BBC, tamin'ny faran'ny Oktôbra dia nahazo sazy fampidirana am-ponja an-taona maro [FM: haintsika ve hoe hatramin'ny firy taona?] ireo mpikambana ao amin'ilay tarika bielôrosiàna mpilalao mozika “Tor Band” .  

Manamarika fitomboana vaovao indray amin'ny fampielezankevitra nasiônaly fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra io, izay efa hatry ny taona maro  no nataon'i Alyaksandr Lukashenka, ilay mpitarika bielôrosiàna .

Voasazy hifonja sivy taona ny filohan'ilay tarika, Dzmitry Halavach. Mpikambana iray hafa, i Yauhen Burlo, nahazo sazy valo taona, raha ny mpikambana iray fahatelo kosa, Andrei Yaremchyk, nahazo sazy fito taona sy tapany.

Ny “Tor Band” dia nandray anjara navitrika tamin'ireo hetsipanoherana ny jadona ao Bielôrosia sy ny fifidianana nitanila tamin'ny 2020. Ny hiran-dry zareo nalaza tamin'izany fotoana izany, nitondra lohateny hoe “We are not small people” (Мы не народец), no iray tamin'ny famantarana ny fitroarana. Ny faran'ny Oktôbra 2022 dia notazonina hanaovana fanadihadiana ireo mpilalao mozika nombàn'ny vadiny avy.

Talohan'ny 2020 ny “Tor Band” no efa nalaza, nanao fampisehoana tao Bielôrosia sy Okraina niaraka tamin'ireo tarika rock sy pop malaza. Nandritra ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana sy ireo hetsipanoherana taorian'ny fifidianana, izay fandàvana ny fandresean'i Lukashanka, notarihan'i Sviatlana Tsikhanouskaya, dia nolalaovina teny rehetra teny ny hiran'ilay tarika rehefa nisy famoriambahoaka nataon'ny mpanohitra. Marihan'ny BBC fa tamin'izany fotoana izany, niparitaka toa afo ilay hira  “We are not small people”

Ity no hira nalaza indrindra an'ny “Tor Band” tamin'izany fotoana izany: “We are not small people.”

Ny tonon'ilay hira “We are not small peoples” [FM: people sa peoples?] dia toy izao manaraka izao

Текст песни “Мы не народец”
Мы не быдло, стадо и трусы,
мы живой народ, мы белорусы!
С верой в сердцах, держим мы строй,
знамя свободы над головой!
Что-то случилось, что-то не так,
что-то сломалось у нас в головах.
В душе очень пусто, надломана вера,
кругом только вонь, любого размера.
Помойник зато набит до отказа,
сытый и глупый ждёшь ты приказа,
когда тебе скажут избить твой народ,
так пожелал больной кукловод.
Верю, верю, верю что…
Мы не быдло, стадо и трусы,
мы живой народ, мы белорусы!
С верой в сердцах, держим мы строй,
знамя свободы над головой!
Где наша совесть? Неужто продали?
Боюсь мой ответ будет очень банален.
Стали мы трусить, бояться, дрожать,
нас научили снова стучать.
А если чуть что: «Моя хата с краю,
Не видел, не слышал, я точно не знаю!»
Вот так поступает моральный урод,
но не родной белорусский народ.
Верю, верю, верю что…
Мы не быдло, стадо и трусы,
мы живой народ, мы белорусы!
С верой в сердцах, держим мы строй,
знамя свободы над головой!

Tsy biby fiompy isika, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona isika, Bielôrosiàna isika!
Miaraka amin'ny finoana ao anaty fontsika, tazonintsika ny laharana,
ny fanevan'ny fahafahana eo an-tampon'ny lohantsika!  

Misy zava-midona, misy raha tsy manjary, 

misy zavatra tapaka ao anaty lohantsika. 

Foana ny fanahiko, rava ny finoako, 

fofona maimbo fotsiny ny manodidina, amin'ny habeny rehetra. 

Saingy feno mitobaka ny dabam-pako, 

voky tsara sy kaondrana,  miandry baiko ianareo 

rehefa mitany aminareo ry zareo mba hidaroka ny vahoakanareo, araka izay sitrak'ilay marary mpilalao saribakoly

Inoako, inoako, inoako fa…. 

Tsy biby fiompy isika, biby fiompy sy kanosa,

vahoaka velona isika, Bielôrosiàna isika! 

Miaraka amin'ny finoana ao anaty fontsika, tazonintsika ny laharana,

ny fanevan'ny fahafahana eo an-tampon'ny lohantsika!

Aiza ny feon'ny fieritreretantsika? Tena namidy ve? 

Atahorako ho tena tsy misy dikany ny valinteniko. 

Nanomboka natahotra isika, natahotra, nangovitra, 

nampianarina isika hitoroka indray. 

Ary raha misy zava-mitranga:

“Amoron-tevana ny tranobongoko, tsy nahita aho, tsy nandre, tena tsy mahafantatra marina!” Izany no ataon'ny tsy tomombana ara-tsaina

fa tsy ny vahoaka teratany bielôrosiàna. 

Inoako, inoako, inoako fa…. 

Tsy biby fiompy isika, biby fiompy sy kanosa,

vahoaka velona isika, Bielôrosiàna isika! 

Miaraka amin'ny finoana ao anaty fontsika, tazonintsika ny laharana,

ny fanevan'ny fahafahana eo an-tampon'ny lohantsika!

Taorian'ny namoretan'ny fitondrana jadon'i Lukashenka tamin-kerisetra ireo hetsipanoherana, nomena fampitandremana ilay tarika mba tsy hikarakara kaonseritra na hamoaka hira vaovao. Kanefa, tamin'ny Septambra 2020, ny filohan'ilay tarika, Dmitry Golovatch, dia niteny tao anaty antsafa iray  niarahany tamin'ny media ao an-toerana hoe:

Tsy fanontanina nipetraka ho anay akory ny momba ny hoe tsy maintsy hanohy hilalao sa tsia. Nanana hira nirianay havoaka izahay: ireo ampahany “Long Live,” “Who, if not you.” (Ho Ela Velona – Rehefa tsy Ianao dia Iza?) Nisy tohana goavana. Nahazo namana marobe izahay nanerana ny firenena! Amin'ny ankapobeny, toy ny nianatra ny nifankatia indray ny samy Bielôrosiàna. Tsy mbola nisy fahatsapana fitiavana tahaka izany, ary tena nirehidrehitra tokoa izao ny fahatsapàna fitiavan-tanindrazana. Lasa fantatray ny firenenay

Tamin'ny Oktôbra 2022 no niantraika tamin'ilay tarika ny famoretana nataon'i Lukashenka. Nofafàna tsy ho ao amin'ilay fantsona malazan-dry zareo ao amin'ny Youtube ireo hiran-dry zareo, isan'izany ny “Long live Belarus,” ary nofonjaina ireo mpilalao mozika

Ny BBC dia nitanisa an'i Pavel Sapelka, ilay mpisolovava avy amin'ny Viasna, Ivontoerana Mpiaro Zon'Olombelona, ho niteny fa “sazy iray tsy mbola nisy toa azy hatrizay no azon'ireo mpilalao mozika noho ny asa famoronana nataony”

Sviatlana Tsikhanouskaya, mpitarika ny fanoherana ao Bielôrosia, mipetraka an-tsesitany, ary mamita sazy 18 volana any am-ponja ny vadiny, dia nilaza tao amin'ny media sôsialy fa: “Asehon'ny fitondran'i Lukashenka ny tahony. Eny amin'ny fitsaràna ny mozika no afaka ampanginina, fa tsy ao am-ponay velively.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.